]
Les quotidiens du 29 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une LAMASININA. Niverina nisokatra ny zotra an-dalamby FCE (FIANARANTSOA-Côte Est)

LAMASININA. Niverina nisokatra ny zotra an-dalamby FCE (FIANARANTSOA-Côte Est)

VIDEO ICI

Zoma 26 May 2023. Niverina nisokatra ny zotra an-dalamby FCE na Fianarantsoa Côte Est mampitohy an'i Fianarantsoa amin'i Manakara. Ny Filoha Andry Rajoelina mivady, niaraka tamin'ny minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetry ny andro, Valery Ramonjavelo no tonga nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy tao Fianarantsoa. Satria vita tokoa ireo asa fanarenana sy fanamboarana natao.


Nandritra ny taona maro no nikatso ny zotra FCE. Niezaka nitondra vahaolana tamin'izany ny fitondram-panjakana notarihin'ny Filoha Andry Rajoelina. Ny taona 2021, nisy ny lohamasinina ("locomotives") miisa efatra natolotry ny Filoha ; teo ihany koa ny "wagons" mitondra mpandeha miisa efatra ihany koa. Tamin'izany ny tenany no efa nampanantena ny hamerenana ity zotra an-dalamby ity indray.

Ny volana Febroary 2023, vantany vao tonga teo amin'ny fitantanana ny ministeran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetry ny andro ny Minisitra Valery Ramonjavelo sy ny ekipany, dia anisan'ny fitsidihina voalohany nataony ny tao amin'ny FCE Fianarantsoa. Nitady ny vahaolana maika hafahana mamelona sy mamerina izany ao anatina fotoana fohy. Izay rahateo no fifanarahana na "contrat" nifanaovan'ny Minisitra tamin'ny Filoha, dia ny hamelomana aingana ireo zotra an-dalamby eto Madagasikara, fa indrindra ny FCE.


Tao anatin’izany ny fandoavana ireo karaman’ny mpiasa sy ny fandraisan’ny fanjakana an-tànana ireo fisotroan-drononon’ireo mpiasa izay tsy voaloa. Natsangana tamin’izany ny Komity fanarenana ny FCE na ny "Comité de redressement". Teo ihany koa ny Fitantanàna iombonana na "Direction collégiale" izay nanakinana ny fanarenana ny orinasa. Telo volana aty aoriana, nahitam-bokany ny ezaka natao ka dia hiverina handeha ny zotra an-dalamby FCE.


Nambaran'ny Minisitra Ramonjavelo tao anatin'ny lahateniny ireo asa rehetra natao tao anatin'izay telo volana izay. Ny volana Avrily, dia efa nisy ny zotra nampitohy an'i Fianarantsoa sy Sahambavy, izay nantsoina hoe "Train Pascal". Olona an'arivony no mpandeha nentiny tamin'izay. Amin'izao fanombohan'ny fiverenany ny fandehanan'ny zotra FCE izao, dia hiainga ao Fianarantsoa ary ho tonga hatreo Manampatrana ny lamasinina. Amin'ny volana Jona 2023 kosa no ho tonga hatrany Manakara izany. Efa tonga any Manakara rahateo ny "draisine" (karazana "plateau" misy kodiarana vy manaraka ny lalamby, voizina amin'ny tànana na amin'ny tongotra) hanokatra ny làlana sy hikojakoja ireo lalamby ("rails").


Ny Filoha Andry Rajoelina indray dia nambara fa zava-dehibe ny famerenana ity zotra an-dalamby FCE ity noho izy lalan-drà mampitohy an'i Fianarantsoa sy ny Faritra Fitovinany, mandalo amin'ireo kaominina marobe ao anelanelany. "Ny lalamby mantsy" hoy izy, "no làlana hafahana mamoaka ny vokatra ; ny lalamby no anisan'ny mampiaina sy mampiodina ny sehatra ara-ekonomika amin'ireo toerana rehetra lalovany".


Notsiahivin'ny Filoha fa nanomboka ny taona 1936 nisokafany, zara raha nisy ny fikojakojana natao tamin'ity fitaterana an-dalamby ity. Nandritra izao fitondrana izao kosa no nijerena akaiky izany indray, ka ankoatra ny fanamboarana ny lalamby, dia tao ny fividianana ireo lohamasinina sy ny maro hafa, ka anisan'ny asa natao ihany koa ny fanamboarana ireo "gares" (fiantsonana'ny lalamby) rehetra lalovany. Ary nanome toromarika manokana ny Filoha Rajoelina amin'ny hanamboarana ny fiantsonana ao Fianarantsoa. Mbola hisy ihany koa ny fijerena lohamasinina vaovao mba tsy ahatapatapaka intsony ny fitaterana.


In-telo isan-kerinandro no hisy ny zotra mampitohy an'i Fianarantsoa sy Manampatrana amin'izao fiverenany izao indray. Toy izany ihany koa rehefa hisokatra ny hatrany Manakara, manomboka ny volana Jona ho avy. Tsy hifanalavitra amin'ny saran-dàlana teo aloha ny saran-dàlana, na misy aza ireo fanavaozana natao. Araka izany dia ho mora lavitra noho ny fitaterana entana amin’ny alalan’ny fiara be ("camion") ny fitaterana entana amin’ny lamasinina, ary tsy hifanalavitra amin’ny an’ny taxiborosy ny fitaterana olona  amin’ny lamasinina izay hahatratra ireo tànana mitoka-monina tsy tongan’ny fiara hatrizay.

Ny tanjona dia ny mba hahaleo tena tanteraka ity zotra an-dalamby FCE ity amin'ny resaka ara-bola, izany hoe afaka mamelo-tena aoriana kely ao.


Jeannot RAMAMBAZAFY

Mis à jour ( Samedi, 27 Mai 2023 18:25 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety