]
Les quotidiens du 03 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Andry Rajoelina : Ny kabariny teo ampamaranana ny JMJ VII

Andry Rajoelina : Ny kabariny teo ampamaranana ny JMJ VII

VIDEO / TSINDRIO ETO

Excellences, Ianareo Arseveka rehetra manatrika etoana,

Ianareo Evekan’I Madagasikara rehetra,

Ianareo Pretra sy Relijiozy lahy sy vavy,

Ianareo Tompon’andraitra isan’ambaratongany eo anivon’ny Voamieran’ny Fikambanana masina,

Ianareo rehetra manam-pahefana sivily sy miaramila,

Ry Tanora namana isany,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

MbĂŽla tsara antsika jiaby e !

Misaotra an’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra isika, fa tontosa an-tsakany sy an-davany ny fankalazana ny andian’ny faha-fito ny Andro Maneran-tany ho an’ny Tanora. Hita fa maro dia maro tokoa ireo tanora nandray anjara tamin’ity JMJ andiany faha-fito ity.

Nasehon-tsika ohatra teto androany fa afaka atao tsara ny miray ao anatin’ny finoana, miaraka amin’I Kristy. Satria dia ny avy any Atsinanana; ny avy any Andrefana; ny avy ao Ampovoan-tany; ny avy any Atsimo dia tonga teto Avaratra avokoa. Midika izany fa miray fo, miray saina ny Tanora katolika rehetra ary adidy ireo ezahanay volena, ka aoka isika tsy hisy ady ady to any an’ny amin’ny “Campus” izay misy hoe ireto avy atsy na avy eroa fa dia nasehon-tsika ny firaisam-po sy ny firaisan-tsaina.


Modely ho an’ny Firenena n zavatra nitranga nandritra ity JMJ ity. Ary dia nasehoanareo ihany koa, ry archidiocùse-n’Antsiranana sy ry faritra Diana, ny fahaizanareo mandray vahiny, koa anterina ny fankasitrahana tamin’ny fikarakarana rehetra. Teo ihany koa ianareo Tanora namolavola ny fikarakarana ity Fihaonam-be ity. Fahasoavana sy tombony lehibe ho antsika rehetra tokoa mantsy ny niaina izay andro vitsy vitsy izay, ary dia napetraka sy niainana koa, ary enga anie ka hiainana mihitsy ny loha hevitra fiaraha-nankalaza izao andro izao, dia ny hoe “TANORA KATOLIKA MIJORO AMIN’NY FINOANA, MANOMANA NY FIAINANY AO AMIN’I KRISTY”.

Ny tanora Malagasy toa antsika rehetra mihitsy no iriako hanam-pasahiana hijor ao amin’ilay finoana marina, dia ilay finoana manova ny zavatra rehetra. Finoana tsy finoana fotsiny ihany fa ny finoana manetsika hiasa, dia ny asa sy ny fandraisana andraikitra eo anivon’ny Fiangonana, eo anivon’ny Fiaraha-monina, satria izany no fototra lehibe mampandroso sy ilain’ny Firenena. Inoako fa nahazo herim-panahy vaovao isika rehetra nandray anjara tamin’ity fankalazana ity.

Antenaiko fa samy nandray fiantsoana avy any amin’Izy Tompo ny tsirairay avy, ary mba hafaha-tsika miatrika ampahatoniana sy ampitokiana ihany koa ny ankehitriny sy ny hoavy. Rehefa manana finoana tokoa mantsy isika, ary araham-pitiavana, dia ho tanteraka ireo faniriana rehetra nokasaina na dia sarotra aza. Ho Hita mazava ny làlana rehefa miaraka amin’I Kristy isika. Fantatra izay tokony hitondrana an’ny fiainana, ary hita-tsika koa ny hafahana mametraka ny tanjona izay tokony hapetraka.

VIDEO HAFA ETO

Ary ho resy ireo mety ahiahy misy ao amintsika tanora. Noho izany ry Tanora namana manatrika etoana : zarao amin’ny rehetra ny Finoana azonao nanditra ity JMJ ity. Hampitao amin’ireo Tanora namanao, mpiara-monina aminao, mpiray Tanindrazana aminao. haoreno tsara ao amin’I Kristy ny fiainanao mba ho tontosa ny andraikitrao, ka hitondra sy fanavaozana sy fanatsarana ho an’ny fiainanao, ny ankohonanao, ny Fiangonana ary ny Firenena.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Samia tsara isika jiaby ary mirary antsika ho tafaverina soa aman-tsara any amin’ny fianakavian-tsika tsirairay avy. Satria mbola lavitra ny lalan-koaleha, ka ny Tompo anie hitarika ny dian-tsika tsirairay avy.

Misaotra sy mankasitraka antsika rehetra.

Andry Nirina Rajoelina

Filohan’ny Tetezamitan’i Madagasikara

Antsiranana, faha-9 Septambra 2012

Namadika ho soratra ny kabary : Jeannot RAMAMBAZAFY

Sary : Michaël RAKOTO-RAMAMBASON

Mis Ă  jour ( Lundi, 10 Septembre 2012 05:56 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

PrĂ©sident Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – VƓux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2ù Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60Ú Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo HonorĂ©. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection prĂ©sidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piĂ©tine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la SouverainetĂ© appartient au peuple" et non Ă  sa plateforme de bras cassĂ©s politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO