]
Les quotidiens du 29 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Richard Andriamanjato : le Faire-part, Ranaivojaona Gaston René, Dr Manan’Ignace

Richard Andriamanjato : le Faire-part, Ranaivojaona Gaston René, Dr Manan’Ignace

+ + + + + + + + + + + + + + + +

F A I R E  -  P A R T


« Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra ; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria ». (Daniela 12:3)

Amin’ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ampandrenesanay fa ny havanay :


Révérend Docteur ANDRIAMANJATO Richard Mahitsison

Mpitandrina

Ben’ny tanànan’Antananarivo voalohan taorian’ny Fahaleovantenam-pirenena

Filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha

Grand-Croix de Liberia

Grand-Croix de l’Ordre National Malagasy 2ème classe

dia nantsoin’ny Ray hiala sasatra any aminy

tamin’ny alakamisy 16 Mey 2013 tany Paris-France

rehefa nivahiny 83 taona teto an-tany

ka nambombain’ny Tompo hatrany ny fahasoavany

Hoy :

Ny zanany :

Andriamanjato Ny Aina Razafindrakotohasina sy Rakotomavo Fanja Arisoa

Andriamanjato Ny Hasina sy Randimbisoa Faramalala

Andriamanjato Ny Toky Soloniandry sy Rasoamahenina Bodosahondra Andrianina

Andriamanjato Ny Hanta Andriamanjato sy Ratrema Xavier Jean Luc A. Ravalinera

Ny zafikeliny :

Ny Hasina Hasinjo, Ny Tsiky Velontoky, Ny Akanto Andriamanjato, Taratry Ny Aina, Ny Fanilo Kiady, Ny Tsanta Hasintiana, Ny Ifaliana Arindrano Andriamanjato sy Rova Faniry Andriamanga, Ny Rindra Hasina, Ny Sandratra Andriamanjato, Ny Havozo Hasintoky, Ny Akomaeva Diane Jade, Hiratry Ny Aina, Ny Avotiana Bao Andriamanjato, Ny Sandratrandro Rasoanavalona.

Ny iray tampo aminy :

Ramanjatojaona André sy ny zanaka aman-jafiny

Ratoandromanjatoarisoa Andriamanantenasoa sy ny zanaka aman-jafiny ary ny zafiafiny

Ny terak’Itompokovavy Rasoazanajato Lucienne sy Itompokolahy Andrianasolo Jean sy ny zanaka aman-jafiny

Ny iray tampo amin’ny vadiny :

Ny terak’Itompokovavy Razafindrakotohasina Rahantamalala, Razafindrakotohasina Ramarosaona Zaïveline sy ny zanaka aman-jafiny, Rakoto Jean Willy vady navelan’Itompokovavy Razafindrakotohasina Rabakonirina sy ny zanaka aman-jafiny, Professeur Razafindrakotohasina Rakotondrainibe Voahangy Ravaoarivelo sy ny zanaka aman-jafiny, Razafindrakotohasina Bakovelo sy ny zanaka aman-jafiny, Docteur Razafindrakotohasina Bakoly Vololona sy ny zakana aman-jafiny, Rakotoniaina Roger vady navelan’Itompokovavy Razafindrakotohasina Faralalao sy ny zanaka aman-jafiny, Ny Terak’Itompokolahy Razafindrakotohasina Andrianjakamidona Mahandrison, Razafindrakotohasina Faratantely Christiane sy Andriamamirado Victor ary ny zanaka aman-jafiny, Razafindrakotohasina Andrianjakanavalona Christian sy Rasendratsirofo Maud ary ny zanaka aman-jafiny, Docteur Razafindrakotohasina Norovololona.

Ny havany :

Ny Terak’Itompokolahy Rainijaona sy Itompokovavy Rasoarivony

Ny Terak’Itompokolahy Rainialy sy Itompokovavy Rahiratra

Ny Terak’Andrianilana, Ny Terak’Itompokovavy Ramasitera sy Itompokolahy Razafimandimby

Ny Terak’Itompokolahy Rakotomalala

Ny Mpitandrina sy ny fiangonana FJKM Ambohitantely, ny Birao Politika sy ny AKFM-FANAVAOZANA, ny Akademia Malagasy, Ny Raiamandreny Mijoro, Ny Kolejy RASALAMA, Ny synodam-paritany Antananarivo Atsinanana, ny Foibe FJKM, ny FPMA Frantsa, ny Pastora sy ny FLM Ambatovinaky, ny FJKM Anosisoa Fitiavana, ny FJKM Ambodimita Betela, ny FJKM amparibe Famonjena, ny FJKM Ankadinandriana Atsinanana, ny FJKM Ambohipiara, ny FJKM Ambohitsiroa (Andakana), ny C.E.T.A. (Conseil des Eglises de toute l’Afrique), ny C.C.P. (Conférence Chrétienne pour la Paix), ny C.M.P. (Conseil Mondial de la Paix), ny C.O.E. (Conseil Oecuménique des Eglises), ny Firahalahian’ny Mpitandrina, les Amis d’Israël, ny Kongresin’ny Tetezamita, ireo taizany ara-panahy, ireo namana mpiara-niolona taminy.

Ny Vatana mangatsiaka dia ho tonga eny Ivato ny Alakamisy 23 Mey 2013 ary ho entina handrasana eny amin’ny Fiangonana FJKM Ambohitantely hatramin’ny Alahady 26 Mey 2013, izay hanaovana ny fotoam-pivavahana fanaovam-beloma azy, manomboka amin’ny 11 ora sy sasany, alohan’ny hametrahana azy eny amin’ny fasan-drazany eny Andranonandriana-Ambohidratrimo.

Dia herezonao ry Mpamonjy Malala

‘lay finoana velona mba tsy hiala

Ho tanterakay ‘zany asa nomena

Ho fanasina Hiaro ity Firenena

(HALELOIA ! HOSANA ! Hira noforonin’i Pasitera ANDRIAMANJATO Richard M.)

Tsy mitondra lambamena !

+++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++

Eo amin’ny lafin’ireo niara-niasa sy niara-nitolona tamin'ny Pasitora Richard Andriamanjato, dia marina fa tsy takatry ny sain’olombelona tokoa ny lahatr’Andriamanitra.


Ny 15 Mey 2013 dia nodimandry Andriamatoa RANAIVOJAONA Gaston René, 78 taona, Tale lefitra tao amin’ny Kolejy RASALAMA Andravoahangy ambony.


Ny 21 Mey 2013 dia nodimandry ny Dokotera RAKOTOMALALA Manan’Ignace, 86 taona, anisan’ny namorona ny AKFM niaraka tamin’ny Pasitora Andriamanjato, sady Ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha ihany koa.

Dia miondrika am-panajana eo anatrehan’ny havan’ireo olom-pirenena telo niara-nandao ity tany fandalovana ity ny ny ekipan’ny www.madagate.com

Jeannot Ramambazafy – 22 Mey 2013

Mis à jour ( Mercredi, 22 Mai 2013 15:35 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety