]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara: tsara fiantombohana tokoa izany ny repoblika faha-IV

Madagasikara: tsara fiantombohana tokoa izany ny repoblika faha-IV

Ie, ekena fa tena matsilo saina be tokoa ry zareo ao amin’ny SeFaFi ao ka nahavita namoaka io boky amin’ny sary io ambony io sy ilay lohateny tena manaitra... Fa iza amin’ireo vahoaka an-tapitr’isany moa no mandraharaha na tsara fiafara na ratsy fiafara, fa ny zava-misy aloha dia nifarana izy, nivalona tanteraka ary efa tsy misy fitondrana tetezamita intsony eto Madagasikara. Toa ny taorian’ny tetezamita nentin-dry Jeneraly Ramanantsoa, Kolonely Ratsimandrava, Jeneraly Andriamahazo, Profesora Zafy, ary Norbert Lala Ratsirahoanana. Nisy nanontany ve hoe ratsy sa tsara fiafara ireo tetezamita ireo ? Fotoana nialàna tamina repoblika iray hiampitana amin’ny repoblika afa ireo tetezamita ireo. Toa ny fotoana hiandrasana eny amin’ny garana raopilanina eo anelanelanan-dihy (“escale”). Mety vetivety io fotoana io, mety maharitra. Resaka tekinika ny faharetana fa tsy resabe hanomezan-tsiny ny afa lava izao fa ianareo mpanoratra anjely latsaka an-tany angaha? Tokony nananona ny anona, Rahanona nananona, sns…

Ny hoavy no tokony ho banjinin’io SeFaFi izay nipoiran’ingahy Jean Eric Rakotoarisoa, kalazalahy amin’ny fanodinàna ny lalàmpanorenena. Atsy ho atsy izany dia hivoaka ny boky mitondra ny lohan-teny hoe : « Tsara fiantombohana ny Repoblika faha-IV » ? Asa aloha faha ireto ny zava-niseho tao anatina telo volana monja (Janoary-May 2014).

Mbola tsy fahita teto Antananarivo fa dia tsy feno ny kianjan’Imahamasina tamin’ny fianianana nataon’ilay kandida faha-telo, ny 25 Janoary 2014. Ny harivan’iny ihany dia baomba be no nipoaka tao an-tsenan’Imahamasina ihany ka namoizana ain’olona ka ankizy ny roa. Teny Iavoloha moa dia niaom-pampana ny vidin-javatra naroso tao, nefa toa tsy nisy niraika akory ny tao ambony tao (asa, andro tsy manam-paharoa tokoa ka naleho nararaotina?) ary mino aho fa voaloha soa aman-tsara ireo 2 miliaran’i Ramatoa Marie Odette Claudine Razaimamonjy tompon’ny " A&C Hôtel " eny Ivato.

Fa ny ampitsony ihany dia fantatra fa kay hala-tahaka tamin’ny kabarin’ny Filoha frantsay teo aloha, Nicolas Sarkozy, ireo fehezan-teny nihezahany navoaka toa tora-po avy any aminy mihitsy. Tsy fantatra, hatreto, iza no tena tompon’andraikitra tamin’izany fahafaham-baraka eran-tany izany fa mionona fotsiny aminy hoe: voaraoka hono e ilay mpanolo-tsaina vahiny e ! Dia nitohy eny ihany ny dia. Ary nojerena indray ilay trano-kala (“site internet”) ofisialy natokana ho an’ny presidansy: kay dia hala-tahaka ny an’ny “White House” any Etazonia indray !

Nahatadidy daholo ny rehetra fa nianiana teo anatrehan’Andriamanitra, ny vahoaka sy ny firenena ingahy kandida faha-3 fa hanaja ny lalampanorenena toa ny anakandriamasony. Inona anefa no teo ? Tsy norarahiny ilay andininy faha-54 fa novany ny mpikambana telo tao amin’ny HCC ary dia azy ny laka. Tsy hiditra an-tsipirihina intsony ahy eto fa tsara tokoa ny vokatra azony. Olon-dehibe akama 71 taona no nosafidiany -fa tsy notendreny- ho lasa Praiminisitra, satria, hono, tao anatina depiote miisa 93 notsiponina etsy sy eroa ary minoa fa nisy vola nandehandeha tao. Ny ankamaroan’ireo anefa dia tena fahavalony mihitsy tamin’ny fampielezan-kevitra, ary tsy nanohana azy mihitsy tamin’ny fiodinana faharoa.

Nilaza koa moa izy fa tsy hisy izany hoe “redoublement” (izany hoe minisitra tamin’ny tetezamita) ao anatin’ny governemanta vaovao. F’inona no teo? Valo be izao no ao amin’izao fotoana izao ! Manaraka ? Na dia toa nanelingelina azy fatratra ny nahavoafidy an’i Ramatoa Christine Razanamahasoa ho vehivavy voalohany filohan’ny Antenimieram-pirenena, dia niarahabainy soa aman-tsara ihany. Fa inona no tao ambadika tao ? Zava-doza tsy fahita eran-tany. Nampiaisainy mafy indray ny HCC ary dia tonga amin’ilay fifidianana tamin’ny 3 May 2014 teo, tao Tsimbazaza. Izy moa, miteny ombieny ombieny fa hampiatra ny demokrasia “tena izy” ka dia io ny vokany: lany 100% ingahy Jean Max Rakotomamonjy ary tsy mba nisy kandida afa nifanandrina taminy. Izay tokoa ka demokrasia tena izy an !

Inona ny manaraka? Dia io fikasana hatao antoko politika ilay Hery vaovaon’i Madagasikara, izay handimby ny Arema, ny Undd sy ny Tim manerana ny Nosy. Mba nianatra tantara ve ry Jaobarison sy Me Rabary-Njaka e ? Ity fotsiny aza dia tsy fantany: izany Hvm izany anie efa nisy tamin’ny taona 1990-1991 e ! Hery Velon’i Madagasikara no anarany tamin’zany fotoana izany ! Vita izay dia handeha amin’izay ny fangataham-bola any ivelany satria hilaza izy fa efa matanjaka be ka tsy hisy hanelingelina intsony izy eo amin’ny fitondra. Ny miaramila moa efa izy no lehibe fara-tampony, ary efa voasolo daholo ny lohan-dohany… Mibaiko izy dia mamoritra ireitsy. Haka-tahaka amin’i Ravalomanana koa izy amin’ny fizarana vola amina miliara. Tadidio fotsiny leiretsy ny tao amin’ny Fign Fort Duchesne sy ny tany amin’ny Bani Ivato a! Resaka 5 miliara tamin’izany. Tsy ho 50 miliara amin’ity ?...

Fa asa tokoa aloha raha tonga dia hanome vola ireo mpamatsy vola mahazatra na tsia. Ny zava-misy aloha dia efa manify ny ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana, amin’izao fotoana izao. Izay no nahatonga ireny fitakiana hetra nampiasana miaramila ireny raha tianareo ho fantatra. Nefa tsy misy olàna raha mbola tsy manome ry zareo Fmi sy Banky iraisam-pirenena satria dia hangala-tahaka amin’ny Profesora Zafy ka hanao “financements parallèles” avy any amin’ireo kely maso efa nanome ireo fiara 4X4 miisa 350. Tena miaiky tokoa ve ny vahoaka malagasy nifidy azy 53,50% fa dadany izy ?

Adinony tanteraka aloha ny mba namangy ireo olona nifidy azy tany amin’ny faritra rehetra tany. Niala tanteraka ny saron-tavany ka dia io izy io leiretsy a ! Inona moa no tokony hatao aminy ? Izy ihany no nampidi-kizo ny tenany ka dia izy ihany no hotototra ao anatin’ilay lavaka noloarany. Isika vahoaka kosa dia tsotra: tsy resy tsy akory ny olo-mangina…

Izay ka asa raha mba hamoaka boky mikasika ireo tranga ireo ny SeFaFi na mbola boky hilaza fa nety ary mety daholo ny nataony, ataony ary mbola hataon’ingahy Hery Martial Rajaonarimampianina Rakotoarimanana, satria “filoha voafidim-bahoaka” izy. Mandinià tena ry mpikambana ao amin’ny SeFaFi a ! Marina fa mety lalin-tsaina ianareo fa aza rebirebena ny vahoaka fa rehefa misy ny gidragidra tsy mba tazany mihitsy ianareo miaro azy ireo ! Ny sasany moa mody maka rivotra any Andafy any mihitsy… Ny vahoaka foana no mianto-bilona. Fa ho afa ny amin’ity repoblika faha-IV vao manomboka ity…

Niniako tsy nasiana sary mihitsy ity lahatsoratro ity. Ka mitsangana izay sahy milaza fa lainga daholo ireo. Indrindra ry zalahy ao ambony ao…

Jeannot Ramambazafy – 4 May 2013

Mis Ă  jour ( Dimanche, 04 Mai 2014 20:00 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety