]
Les quotidiens du 27 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara: fohy tadidy tokoa ilay Paul Rabary mpamadika

Madagasikara: fohy tadidy tokoa ilay Paul Rabary mpamadika

Ny satroka e ! Esorina rehefa mandeha ny hiram-pirenena ! Vao manomboka izao sahady dia efa manome ohatra ratsy nefa minisitry ny Fanabeazam-pirenena ? Loza ! Sady amin’izay tsy niharatra akory mba fanajana ireo ankizy tao Fiaranantsoa. Fa rehefa eo anatreham-bazaha dia raitra dia raitra ny paozy. Sa va re manao "tantsaha" mba angalana ny fon'ny ao Betsileo ao ?

NAMALY INGAHY MINISITRA TAO AMIN'NY LA GAZETTE DE LA GRANDE ILE

Kanefa izay voasoratra dia voasoratra.

***************************

Incivisme: Paul Rabary ne porte pas le chapeau
Mercredi, 18 Juin 2014
A Fianarantsoa, samedi a été un jour sans non seulement pour Pety Rakotoniaina qui s’est fait huer mais aussi pour la Nation toute entière qui a encaissé un choc incommensurable d’incivisme. Des documents vidéo confirment, en effet, qu’au début du lancement de la campagne nationale d e réinsertion scolaire, dans la capitale du Betsileo, de hautes personnalités de l’Etat n’ont pas enlevé leur chapeau lors de la cérémonie aux couleurs.

Contrairement à ce que nous avons rapporté dans notre édition de lundi, le ministre de l’Education nationale Paul Rabary a bel et bien enlevé son chapeau. Manifestement, nous sources l’ont confondu à un autre ministre, en l’occurrence celui de l’Elevage Joseph Martin Randriamampionona dit Dadafara qui était peut-être dans les nuages en se présentant en tant que ministre devant son pays natal.

Toutes nos excuses donc au jeune ministre Paul Rabary qui devrait toutefois dispenser des leçons d’instruction civique à l’Assemblée nationale et à ses collègues du gouvernement. L’autre personnalité qui n’a pas jugé utile d’enlever son couvre-chef n’est autre que le vice-président de l’Assemblée nationale Jao Jean qui est très connu du bureau de l’Unicef à Madagascar et peut-être du siège a New-York, co-organisateur du projet lancé à Fianarantsoa. L’organisme onusien est parmi les nombreuses entités qui se sont manifestées contre le parlementaire lors de la triste histoire de viol sur mineure survenue à Antsohihy. Le personnage est de nouveau sur le devant de la scène porté au pinacle par la plate-forme présidentielle.

L’autre collègue de Dadafara qui a oublié comme lui de respecter l’hymne national est Anthelme Ramparany, le ministre de l’Environnement que l’on surnomme déjà ministre du bois de rose à la suite certainement de ses multiples interventions médiatiques où il ne parle que du bois précieux. Celui qui n’est pas capable du geste minimal de patriotisme est-il à même de protéger un patrimoine national ?

Sa

***************************

Miseho ho mpandalina sy mpikaroka moa ianao lasa « Son Excellence Monsieur le ministre » io ? Izaho kosa mpanao gazety tena mpikaroka ka tadidio ireto. Tamin’ny volana Desambra 2012 no notokananan ny foiben’ny TV Plus Madagascar tany Toliara. Ireto ny fanambaran’ingahy Paul Rabary lasa ministry ny Fanabeazam-pirenena, tamin’io fotoana io.

« Matahotra mafy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana i Andry Rajoelina sy ny forongony.

Io izany "i Andry Rajoelina sy ny forongony". Toa nanompa ilay filoha vaovao ihany anie ianao ry Paul Rabary e ? Nefa lasa minisitra ! Dada izany an ! Sa moa misy rohirohim-pihavanana amin'i Henry Rabary-Njaka ? Iza no mahita ? Na dia tanim-boanja aza ny anarana... Ny terak’i RABARY sy RAVAOMANARIVO ao Anosiravo, ohatra.

« Ny asan’ny tetezamita dia ny fampandehanan-draharaha sy fanomanana ary fanatan-terahana fifidianana, fa tsy fanaovana foto-drafitrasa lazaina fa manara-penitra etsy sy eroa. Ka maninona ? Izy aza nahavita foto-drafitrasa nefa tsy nisy mpamatsy vola nanampy na ny ariary aza. Mandehana manontany ilay filoha vaovao raha sahy.

Nahoana isika manam-bola ihany hanaovana foto-drafitrasa isan-karazany amin’izao tetezamita izao, nefa ny Gasy miha mahantra sy mifafa ny kihony hatrany ?(Ttf: ny Coliseum ao Antsonjombe io nitsikerainy io).

Ho fifidianana peta-toko no hisy sy hatao eto satria tsy fantatra mazava na Repoblika fahatelo na fahefatra no hosafidiana. Mora tokoa no miteny rehefa mbola tsy ao anatiny ô ?

Tsindry io ka tokony ho tonga saina Rajoelina ary tsy tokony hilatsaka fa hamorona krizy vaovao indray eto amin’ny firenena (Ttf: ilay resaka ni…ni io noresahiny io. Fa dia miala any tokoa ny krizy vaovao amin'ireto hvm ireto, tsy misy an'i Rajoelina).

Noana ny Gasy ary tapi-dalàn-kaleha, ka izany no antony iray lehibe mampirongatra ny asan-dahalo sy ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa ary ny asa ratsy samihafa ». Amin’izao volana Jona 2014 dia tena vaomaika tapi-dalàn-kaleha tanteraka ny Malagasy (fa aza ambaniana amin’izany Gasy izany intsony izahay fa mba minisitra ihany e !).

Fa ahoana marina ity bandy kely zanak’i Ramatoa hajaina Mathilde Rabary ity e ? Fa naninona no tsy nanohana an’ny dokotera Jean Louis Robinson? Mpamadika no anaranao fa manao ririnina tsy tsaroana fotsiny izao e !

Ary ny an’ilay Filoha Rajaonarimampianina, dia izay olona mahay manompa sy mamely mafy ny fitondrana tetezamita sy ny Filoha Andry Rajoelina dia noraisiny an-tanàn-droa ary mahazo toerana tsara dia tsara. F’angaha io Hery Rajaonarimampianina voafidy ho filoha io moa tsy anisan’ « i Andry Rajoelina sy ny forongony » nanditra ny dimy taona be izao ? Ary izy mihitsy no nitantana ny vola tao ?

Fa izao koa ny manaraka: na dia efa lasa minisitra aza dia mbola tsy mahalala fomba foana ity Paul Rabary ity. Tany Fianarantsoa, ny asabotsy 14 Jona 2014, tamin’ny hetsika fanombohana ny fampidirana an-tseloky indray ny zaza Malagasy, rehefa nandeha ny hiram-pirenena dia tsy mba nahalala nanàla satroka akory izy, nefa anie mba hoe minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Ny hiram-pirenena aza tsy hajainao ka karazana fanabeazana inona no omena ireto kilonga malagasy ? Sa rehefa minisitra dia afaka tsy manaja ny hiram-pirenena ?

Dia izany karazan’olona izany, hono, no hampandroso ity firenena ity. Sady mora mivadika no miseho azy ho zavatra. Dia torio koa aho fa maniratsira minisitra hoe. Ny anaran’ny rainao sy ny mamanao ihany no afa-baraka eo fa ataovy anie e ! Bandy kely « opportuniste » ianao ary tsy ho lasa lavitra. Eo isika rehetra hahita azy.

Nefa anie dia Ramatoa tsotra sy mpandalina tokoa anie iny Mathilde Rabary iny. Tadidiko tsara fony izaho tany amin’ny teny Ampasampito, fony izy nividy ny bokiko hoe « Chronostory 2002 ». Ary roa mihitsy no novidiany tamin’izay. Izany tokoa ny hoe: ny zanaka no manary ny raiamandreny nahitany masoandro. Satria mino aho fa nahazo fitaizana ara-dalàna ihany io Paul Andrianiaina zanany io.

Mitomania ianao ry fireneko fa loza ity marina mafy e ! Tsy tezitra mihitsy aho io manoratra io fa tofoka tanteraka satria raha zava-baovao no nantenaina, vao maika fomba efa hitako tamin’ny andron’ny Pisodia izahay mandrapahafatinay no miverina. Ka hery vaovao amin’inona marina e ? Soa fa ny soratra mitoetra raha mandalo fotsiny ny teny. Indrindra tato ato…

Jeannot Ramambazafy – 16 Jona 2014

Mis Ă  jour ( Mercredi, 18 Juin 2014 10:47 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety