76 taona taminâny 01 Janoary teo i Latimer Rangers. Efa ela izahay no mifankahalala. Mifandray toa mpiray tampo mihitsy izahay, ary efa imbetsaka no niaraka taminy nitety iny faritra atsimo manontolo izahay sy Dany Be (Daniel Rakotoseheno) mpaka sary, 23 taona mahery lasa izay, fony i Ndaty (fiantsoana an'i Latimer) minisitra. Tsy nisy fiovana io resaka Kere io mandrakâity ny androany. Inona ny nahatonga io, iza sy inona no tena sakana ary inona no vahaolana maharitra? Tsara ny vidĂ©os fa ny soratra mitoetra. Nataoko adidy ary ny nandray an-tsoratra ny voalazanâi Latimer tao aminâny fandaharana « Don-dresaka », ao aminy Tv Plus Madagascar, taminâny Alahady 21 Febroary 2016. Tafiditra ao amin'ny Tantaran'i Madagasikara iombonana ity fanazavana ity. - Jeannot Ramambazafy -
Lavitra izany ny faritra Androy, ka tsy afaka andany vola handeha mankany izany ny mpanao gazety. Ka tsy afaka hisahana ny fandaniana mikasika izany satria lavitra sahabo eo aminy 1.200 kilometra any ho any ny alavirany, raha ohatra ka avy eto Antananarivo no jerena azy izany.
Ary ny resaka novoizina hatrizay, dia ilay hoe: tsy misy rano ho sotroina ny any aminâny faritra Androy, ka noho izany tsara raha ohatra ka vatsiana rano ho sotroiny ry zareo ireo. Ka vy hatrany dia diso izany. Diso ary izay foana ilay zavatra novoizinâny fitondram-panjakana nifanesy izay ela be izay.
Izany hoe, ny Antandroy izany tsy matinâny hetaheta fa tsy misy rano. Aoka hazava izay resaka izay. Ka rehefa, ohatra, manao foto-drafitrâasa ny fitondram-panjanaka mahefa, dia ilay manao hoe: vatsio-ntsika rano ry zareo fa tena tsy manana rano, na handraona sakafo, na hanasan-damba na ho sotroina dia izay izany. Dia izay no mahatonga ny fitondram-panjanaka hoe: atao izany ny foto-drafitrâasa anankiray mba hoentina mamatsy rano ho anâireto Antandroy ireto. Fa izany ny mahatonga azy maty.
Ka izay zavatra izay dia samy nitondranâny fitondram-panjakana nifanesy izay zavatra izay. Ka diso izany. Fa ny Antandroy anie maty ny anohanana e! Satria tsy misy ilay rano. Zavatra samihafa izany an! Aoka hazava ilay resaka ifanaovan-tsika eto. Satria raha vao tsy misy ilay ranonâorana, araka ny filzananâAndriamatoa Solombavambahoaka (Ttf: Jean Michel Henri) teo, dia tsy afaka manana tany ho volena, ka tsy misy rano handena ilay tanim-bolony izany ilay olona dia tsy afaka mamokatra.
Tsy afaka mamokatra izy. Ity vokatra azony aminâny alĂ lanâny fambolena ity anie no hafahany mivelona. Satria ny ampahanâiny no entiny mankany an-tsena amidy, hividianana siramamy; hividianana vary; hividianana fotsim-bary; hividianana « pĂ©trole » hividianana savony. Ka iny izany, aminâny alĂ lanâny vokatra avy aminâny tanim-boly, iny no hivelomanâilay olona izany, amina vola kely, ananany fahefa-mividy. Iny izany no tanvandrainy izany.
Ka « à cĂŽtĂ© de la plaque Ă tous les coups » foana ilay fitondram-panjakana manao hoe : vatsian-tsika rano ry zareo ireo fa tena mampalahelo ny zavatra mahazo azy, dia diso ilay raharaha izany. Satria rano notakian-dry zareo. Tsy vaky izany mantsy izy, fa nametraka ny fitokisany aminâny fitondram-panjakana mahefa nanomboka taminâny andronâny fahaleovantena. Tonga tany Andriamatoa Lefitry ny governemantanâAndriamatoa Tsiranana, Andriamatoa « Vice-prĂ©sident » Calvin Tsiebo, izay nanao hoe: efa hatry ny ela anie no misy ity resaka tsy fahampian-tsakafo izay mahazo anâAndroy ity.
Ny anankiray tena nahatsiravina dia taminâny taona 1929, taminâny fitondrana vazaha izany. Anâarivony maro raha tsy anâaliny ny vahoaka maty taminâizany. Resaka tsy fahampian-tsakafo fa ny tsy fahalalĂ nâny mponina, ny firenena, ny Malagasy ny raharaha anie no mahatonga izay zavatra rehetra ataotao foana.
Taminâny taona 1991, dia minisitry ny Kolontsaina ny tenako taminâizany fotoana izany, taorianâilay fihetsiketsehana taminâiny dia voatendry minisitry ny Kolontsaina ny tenako taminâizay. Ary namoaka lahatsoratra aho izany na dia hoe ao anatinâny fitondram-panjakana ny tenako, namoaka lahatsoratra tao aminâny gazety Midi Madagasikara, izay nolazaiko ny fomba fipetraky ny zavatra rehetra. Dia voateniko tao ny fiaraha-miasa aminâny firenena Japoney izay nanome anâireo « camions citernes » maherinâny 20 mahery na 30 aminâny alĂ lanâity foto-drafitrâasa ataon-tsika hoe Alimentation en Eau dans le Sud (Tff: AES).
Tonga izy izany (Ttf: ny fitondrana Zafy Albert taminâizany), nentin-kahatezerana niditra tao amiko ka nilaza tamiko: jereo anie ity zavatra navoakanao ity! Manaova « dĂ©menti » na koa mifona ianao aminay. Satria lazainao fa nanao volo mifandray tendro aminâAndriamatoa Ratsiraka izahay, aminâny alĂ lanâio olĂ na izay misy aminâny kere any Androy io. Mazava ho azy moa izany fa dia nahateny izy ny hoe: aiza ny « solidaritĂ© dâun membre du gouvernement » kanefa ianao ao anatiny, nefa mahavanon-doza dia manao lahatsoratra any aminy Midi Madagasikaka ianao?
Izaho kosa aloha izany, Excellence lâAmbassadeur, dia na ao aminâny fitondram-panjakana aza aho, dia tsy manaiky anaovanareo zavatra ohatranâio. Satria tsy ilay fototrâilay olana anie no ataonareo fa omenareo « camions » telopolo be izao izany miaraka aminy « pneus de rechange », « outillage » rehetra izany ny any Androy mba hiatrika ny tsy fisian-drano sy ny kere. Dia inona, hoy aho, ny zavatra ataonareo? Irahinareo izany ireo « camions » ireo dia asainareo maka rano, dia entinareo amidy eny aminâilay vahoaka. Ka tsy mety izany, « mon Excellence », hoy aho, satria tsy manana fahefana mividy anie ireto olona ireto e! Ka « mĂȘme le seau dâeau à 500 francs le seau » (Ttf: Niteny teto i Sybella, mpanentana: 1.000 ariary izy izao) tsy manana ilay hividianana azy izy satria tsy voatondraka? « Vous aurez du commencer » aminâiny fanondrahana ilay « pĂ©rimĂštre » ilay tany.
Raha ohatra ka nanao ianareo « pipe » avy any atsinanana, « çà fait en tout et pour tout, Ă vol dâoiseau, entre 90-85 kilomĂštres avec des relais de rĂ©tention », asiana ilay rano dia « pomper »-na, asiana « petites centrales dia « pomper »-na dia « redistribuer »-na⊠Efa miditra avy hatrany moa isika aminâilay vahaolana, ialako tsiny, ialako fondro.
Ilay zavatra moa tany niavian(ny tena ka ohatranâny lasa adala ny tena raha vao miresaka azy izany. Satria « çà fait des annĂ©es » fantatry ny mpanjanan-tany io fa hoe : ity tany ity dia tany nanohitra foana io tany any Atsimo io. Ary ilay « tradition » manana tantara aminâny maha-piady azy. Resiny tao ry Radama sy ny tafiny; resiny tao izany ny Frantsay. Fâefa natao daholo ny zavatra rehetra. Inona ny nataonâny Frantsay, hoy ianareo? Nentiny avy any La RĂ©union ilay biby kely atao hoe « cochenille » nanamontsana ilay faritra voavoly raketa. Satria io no foto-tsakafonâny Antandroy. Ka ry zareo ireto no manohitra anay hatrany foana dia ataon-tsika ny am-pisy anâireo satria ny « plantations » rehetra any Ambanja, any Brickaville, ny fambolem-bary izany, ny « cacao », ny « ylang-ylang » any Nosy-Be, ny « vanille » rehetra teo am-pela-tanĂ nâny voanjo dia mila mpiasa, mila sandry. Ka tsy misy, hoy ny mpanjana-tany, foko izay mafy lamosina hahatanty ny ainâandro, hahatanty ny kaikitry ny moka, ny « anophĂšles » izany, raha tsy ireto.
Dia nanomboka teo izany dia lasa ni « sâexpatrier », manao « gardiens », manao posy-posy any Majunga, any Toliara; « mi-convoyer gardiens dâentrepĂŽts », dia mbola mitohy mandrakâity ny androany. Na misy aza ny ranonâorana dia mbola mitohy foana ilay zavatra. Ato Ambalavao Isotry, ohara, dia misy Antandroy izay mivarotra « fers ronds ». Misy koa Antandroy hitanareo mirenireny mitondra mangidy, mivarotra gazety « à mĂȘme le trottoir ».
Misy ilay ohabolana turc izay milaza manao hoe: raha iny ilay famaky handaboka antsika hazo eto aminâity alĂ ity, moa ve tsy avy amintsika aty ihany iny zarany iny? hoy ny hazo rehetra. Nangoro-vitsika daholo ny hazo (Ttf: somary namboariko ilay izy satria hafa ny teny, hafa ny soratra). Satria, ny antony dia ity: rehefa ohatra ka mifanohitra aminâny mpitondra mahefa izany izahay avy any dia tsy mahatohitra an-dry zareo. Satria arovanay ilay sezanay, ary tsy afaka hanao hoe tsy mety. Jereo fâefa lasa « élĂ©phant blanc » io resaka Alimentation en Eau dans le Sud io. « Un seul camion sur 30 exemplaires » no sisa izany. «Sur cales » daholo izy rehetra.
Andriamatoa Ratsiraka, izay lolohavina an-tamponâny loha (Ttf : na dia tsy namela anâi Latimer hiteny ao aminy Rnm nandritra ny 11 taona be izao !) dia nilazana anao hoe : tsy ny ranonâi Menarandra anie, Andriamatoa PrĂ©sident no tokony halainao fa ilay zavatra hoe hanondrahana ny tanim-boly, mba hafahanâny Antandroy mamboly ary dia hanĂ ny fahefana mividy satria mivarotra ny vokatry ny famboleny eny an-tsena. Inona indray, hoy ianareo? Avy hatrany dia ny ranonâi Menarandra, izany hoe ary (atsinanana) indray izany no tarihina anaovana « bassin de rĂ©tention », dia paompina avy any, dia nasaina nandalo anâi Beloha, sia any Tsihombe. Mbola ilay zavatra tsy izy foana izany ilay izy. Ka efa mahantra moa ny tena, ka rehefa mahantra dia tsy mahatohitra « celui qui tient le couteau par le manche ». Ka dia tsy afaka milaza aminy ianao hoe : sitrany ahay vaza-mihetsika, alehoko misy anâity fotodradritrâasa ity na dia tsy « solution », tsy vahaolana maharitra ity zavatra ity izany.
Dia inona indray? Misy indray hono ny atao hoe « Objectif Sud » e! « Mais le gars est parti carrĂ©ment avec la caisse, sans quâil a Ă©tĂ© inquiĂ©tĂ© pour autant! ». Dia nangina izahay tany. Tonga indray ny « OpĂ©ration Androy ». Nataonâny fitondra ihany koa io. Dia nasiana fanampiny aminâny famoronana angadinâomby sy angady tsotra ho anâny Antandroy izany. Dia nanaovana fambolen-kazo antsoina hoe « brise-vent ». Satria manana rivotra izahay atao hoe « tioka atimo » (Ttf : tsioka atsimo) izay « vent sec » ka raha vao mitsioka dia mi-dĂ©sĂ©chesser » ny ankamaroanâny fambolena rehetra izany, dia mikarainkona daholo ny fambolena izay rehetra atao.
Dia teo io. Nanao tokoa aloha satria nisy ary mbola hita mandrakâity ny androany ireo fambolena hazo kininina izay mbola velona soa aman-tsara ary raha tsy noresahina izany dia ohatrany hoe mandrora mitsilany ihany ny tena raha tsy miteny izany hoe : mba zava-bita io izany na dia tsy nahatondra na tsy nahatondra vahaolana maharitra ho anâilay zavatra. Dia ilay problema hitadiavina vahaolana dia ilay hoe ; tariho ny rano dia asio « relais »? Mitodika « direct » aminâny rano any aminâny faritra Anosy aho: na Ifaho izany, na ny rano ety akaikaikiny ety dia tokony tarihina mankany Ambovombe mandalo ao Sampona, « le long du littoral », mandeha mahazo anâi Sada hatrany Berato dia asiana ny « relais ».
Izao indray no nolazaina taminâny andronâny tetezamita (Ttf: 1992-1993). Ary mety ho tezitra angamba ilay namako ministre ny Agriculture taminâizany. Misy bilharziose, hoy izy, ilay ranonâIfaho ka tsy azo atao. Izany ve ny « grief » tsy anaovanareo azy? hoy aho. Izaho anie tany Lausanne any Suisse e ! dia nahita ny « agent » ny Bayer, ilay « multinationale allemande dans le domaine des mĂ©dicaments de la pharmacie ». Ka nanaiky ry zareo hanao ilay « pipe ». dia nentina teo aminâny fivoriamâbenâny governemanta, dia nilaza io aho taminâItompokolahy Razanamasy, Praiminisitra. Dia nilaza aho : izaho anie nahita « bailleurs » ary ny anarany moa efa Bayer raha teo, ka vonona izy. « Il suffirait de votre signature, Monsieur le Premier ministre » mba hazahoana azy hanao ilay fitarihina ilay rano avy any (Ttf: Ifaho). Dia hoy izany Itompokolahy Razanamasy: izany ry leity (Monsieur Emmanuel Rakotovahiny), i Ndaty (Ttf: Ondaty: lehilahy aminâny fiteny antandroy), hono nahita olona hanao ilay zavatra any aminy⊠Dia maty ankarahany teo indray iny izany (Tff: izany hoe tsy nasianâi Rakotovahiny valiny sy tohiny ilay resaka). Dia maty ankarahany hatrany hatrany izany.
Dia tonga ny Ong rehetra. Manao ny GRET, manao ny Catholic Relief Service⊠Inona ny ataonâny USAID? Impluvium? Ka ilay impluvium izany natao ho « rĂ©servoir dâeau » hitsinjovana ny tsy fisianâny rano. Ary natao praogramaâny fitondram-panjakana ihany koa fa tsy izy e! Tsy mahatody ary tsy ilay vahaolana. Izany hoe ohatranâny tadiavinâny fitondra indray, angamba, hisy fikomiana ataonâny Antandroy ohatra ny taminâny taona 1971 notarihinâItompokolahy Dada Monja Jaona izany. Satria ny « capacitĂ© de rĂ©sistance »-nâilay olona⊠Matoa izany nitraotra taminâiny dia efa tsy eranâny ainy izany ilay fahoriana mianjady aminy. Ka azo atao tsara ilay vahaolana noteneniko io. Dia hoe: izany anie mila « investissements considĂ©rables » e. Ka dia « on ne fait pas une omelette sans casser des Ćufs » (...).
Nandika an-tsoratra : Jeannot RAMAMBAZAFY