]
Les quotidiens du 26 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara TNT (Télévision numérique terrestre). Misy fomba hafahafa…

Madagasikara TNT (Télévision numérique terrestre). Misy fomba hafahafa…

Hellville, Nosy Be, volana Jona 2015. Fampanantenana tsy nisy toa izany! Hery sy Voahangy Mivady mihitsy no tonga tany. Ho rakotra afaka telo volana i Madagasikara iray manontolo. Dia ahoana izao ny tohiny? Dia ho toa ny "délestages" koa va re sanatria?

Io lohaten’ity lahatsoratra ity dia nalaina tao amin’ilay hira malazan’i Mamy Gotso… Misy fomba hafahafa tokoa mantsy eo amin’ny tontolon’ity resaka TNT (« Télévision numérique terrestre ») ity.

Nankalazaina tamin’ny fomba nanetriketrika tany Nosy Be, tamin’iny taona 2015 iny, ny fanombohana ity ambara ho TNT eto Madagasikara. Ny Filohampirenena Hery Rajaonarimampianina mihitsy no tonga nanotrona ity fametrahana teknolojia vaovao eo amin’ny sehatry ny haino aman-jery efa nahabe resaka ireo mpandraharaha malagasy eo amin’ity sehatra ity. Nalefa mivantana tamin’ny fahitalavim-pirenena (TVM) sy ny RNM ity hetsika ity tamin’izany fotoan’andro izany.

Nambara tamin’io fotoana io fa orinasa malagasy, izay misy teratany Malagasy tanora, no hitantana ny fitsinjarana ity TNT ity manomboka any Nosy Be ka manerana ny Nosy, amin’ny sarany tsy mihoatra ny 10.000 ariary, ny fitaovana andraisana (« Décodeur ») ity teknolojia tsy maintsy arahina ity noho ny fenitra iraisam-pirenena.

Volana roa na telo anefa izay, dia nihato tampoka tsy fantatra hoe ahoana ny fandraisan’ireo nividy ity fitaovana andraisana ny TNT ity ilay fahitalavitra nambara ho manara-penitra tao Nosy Be. Tsy nisy solontenan’ilay orinasa malagasy tany an-toerana ka nangasihasy teo fotsiny ireo nividy (ankevitry ny 600 ny isany) ilay fitaovana tamin’ny vidiny mihoatra ilay 10 000 ariary nodradradraina nandritra ny hetsika nametrahana azy tamin’ny fomba ofisialy. Very an-javony sy zary nofy ilay fanantenana ny hijery fahitalavitra maneho sary manara-penitra (« numérique ») ho an’ireo mponina ao Nosy Be nividy ity « décodeur » ity.

Nandritra io fotoana io ihany koa anefa no nanaparitaka ity TNT ity teto an-drenivohitra ity orinasa malagasy ity. Novarotany 30.000 ariary ilay fitaovana fandraisana (misy porofo ara-dalàna -«Factures»- havoaka eto raha ilaina) tany amboalohany, ka efa nahatratra 4.000 mahery ireo roboka tamin’ny resaka tsara lahatra nataon’ity orinasa malagasy ity. Maro no nitaraina tamin’ity orinasa ity fa ratsy tsy araka ny nampanantenaina ny tolotra. Ny sary tsy manara-penitra akory. Ireo karazana fandaharana natolotra miovaova araka ny tian’ilay orinasa, tsy misy fanazavana sy fanajàna ny mpanjifa. Ny fahatapatapahana moa tsy lazaina intsony, izay misy maharitra 12 ora mahery.

Amin’izao fotoana izao, efa tapaka nandritra ny herinandro ihany koa ny fandraisan’ireo nanjifa ity TNT ity eto Antananarivo. Tsy nisy fampilazana mialoha ho fanajàna ny mpanjifa nataon’ity orinasa malagasy ity.

Raha naniry ny haneho ny fitaraina tamin’ity orinasa malagasy ity ireo nanjifa dia akory ny hagagany fa mikatona ilay nambara ho foiben-toerany. Eny amin’ny haino aman-jery no hita ilay milaza ho tompon’andraikitra voalohany amin’ity orinasa ity no manome fanazavana tsy maharesy lahatra ny mpanjifa azy ka mahatonga ireto mpanjifa mametraka fanontaniana amin’ny tompon’andraikitra isan-tokony eto amin’ny firenena, indrindra fa ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Andrimpanjakana, ary ny Minisiteran’ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Teknolojia vaovao mikasika marina momba ity orinasa malagasy nomen’izy ireo alalàna hanaparitaka ny TNT eto Madagasikara ity.

Handoavam-bola marina ve ireto fitaovana (« décodeur ») ireto fa raha ny nambaran’ilay mitonona ho tompon’andraikitr’ity orinasa malagasy nomena alalàna ny hanaparitaka ny TNT eto tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray eto an-drenivohitra, dia tsy handoavam-bola ireo fitaovana ireo. Raha handoavam-bola izany dia tokony ho ohatrinona ?

Amin’ny alalàn’ny mangarahara ihany koa, vola avy aiza no handoavana ireo vola takian’ity orinasa malagasy ity amin’ny Minisiteran’ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Teknolojia vaovao (Factures Devis na Proforma miisa telo, izay misy mitetina hatramin’ny 788.256 dôlara amerikana ny iray - Volana Janoary 2016) amin’ny hoe hanapariahana ity TNT ity eto Madagasikara? Sa izay ilay hoe «mahay mitady vola»? Jereo ireo ambany ireo.


Asa aloha raha karazana vaovao toa itony dia mba hivoaka ao amin’ilay gazety vaovao « Le Citoyen » (ETO ny reportage sary, soratra sy vidéos). Sarotra ny hino izany. Mbola raharaha samy Malagasy izao; mbola tsy misy anaran’olona avoaka aloha. Fa ho avy satria izany tranga izany tsy azo avelavela amin’izao fotsiny.

Jeannot Ramambazafy – 13 Mars 2016

Mis à jour ( Lundi, 14 Mars 2016 04:52 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety