Ambilobe. IEM: teny hieràna, soso-kevitra iarahana ary vahaolana avy amin’ny Malagasy ifotony

Vendredi, 09 Mars 2018 16:57 Communauté Malagasy
Imprimer

Ambilobe, 9 Marsa 2018. Ny fahatongavan'ny Filoha Andry Rajoelina tao amin'ny toerana nanaovana ny dinika sy nifampizarana ireo olàna ary soso-kevitra

Eo ankavian'ny sary: ny Ampanjaka Tsimiaro III (Issa Alexandre) arahin'i Augustin Andriamananoro izay nanatrika ny Fisehagna tamin'ny taona 2009, fony izy minisitra (Tsindrio eto)

Tao Ambilobe izany ny dingana voalohany nosafidianan’ny Filohan’ny Tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, hanazavana ny IEM any ifotony.

«Napetraka sy najoro ny IEM mba hitondrana vahaolàna sy fampandrosoana ao anatina fotoana fohy, ahatratrarana ny tanjona sy ny vina amin’ny fahataràna misy an’i Madagasikara izay lasa firenena mahantra faha-5 maneran-tany», hoy ny Filoha Andry Rajoelina, mpanorina ny IEM na «Initiative pour l’Emergence de Madagascar», raha nanokatra ny fandraisam-pitenana teto Ambilobe ny tenany.

Nahavory ireo olo-be, tompon’andraikitra sy mpandraharaha ara-toekarena, ary ireo tanora manampahaizana ity fihaonana ifotony natao tao amin’ny Faritra DIANA/Distrika Ambilobe, izay avy niara-nankalaza ny Fety ny 8 martsa, Andro iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny Vehivavy maneran-tany (Tsindrio eto).

TSINDRIO ETO

Tsy adinon’ny Filoha Andry Rajoelina ny nampita harany ny hafatra avy amin’i Ramatoa Mialy Rajoelina vadiny, sady Filoha voafidin’ny vovonana PAESFA Pan African Ethanol Stoves and Fuel Alliance» na Fivondronana Afrikana hametrahana ny tetikasa fananganana ny Orinasa hamokatra ny angovo fandrehitra Ethanol). Io Ethanol io, izay miala avy amin’ny fary na «canne à sucre», dia hasolo ny arina saribao, ary hanova ny fenitra hikajiana ny tontolo iainana ihany koa, no sady hanome asa maro ho an’ny mponina eto Ambilobe afaka volana vitsy.

Nisy ny fifampizarana ireo olàna ary soso-kevitra avy amin’ny mpandray anjara tamin’ity dinika voalohany ity. Misy eto Ambilobe avokoa na ny harena an-kibon’ny tany, toy ny volamena, ny tany mahavokatra fary, ary ny ranomasina ahitana ireo haza andranomasina maro karazana.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Samedi, 10 Mars 2018 14:07 )