]
Les quotidiens du 19 Sep 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Portrait Harijaona Raboana : « Mazava amiko ankehitriny… »

Harijaona Raboana : « Mazava amiko ankehitriny… »

Harijaona RABOANA

Roanjato taona lasa izay no niaingan’ny fanovàna lehibe indrindra teo aminy fiainan’ny zanak’olombelona, izay niala avy aminy haitao famokarana “Révolution Industrielle”.

Ankehitriny mihazakazaka im-polo avo eny ny fahafainganan’izany fanovàna izany, ny lanjany dia niakatra in-telonjato avo eny, ary ny fihantraikany eo aminy zanak’olombelona dia in-telo arivo avo eny.

Aingana dia aingana ny fihovan’ny haitao.

Hoy ny kabinetra MacKinsey raha nanao fanadihadiana manokana ry zareo. Tatitra Aprily 2015.

Dimy ambinin’ny roampolon-taona aho ankehitriny. Afaka dimy ambin’ny roam-polo taona manaraka aho, ho dimam-polo taona. Izany hoe misasaka taon-jato iray ny taonako.

Mahalasa eritreritra hoe ho toy inona ny Malagasy amin’izany fotoana izany ?

« Hanova sa hiaritra ? ». Izay no filamatry ny « Emergence de Madagascar ».

Koa mazava amiko àry ankehitriny fa :

1. Mazava amiko ankehitriny fa ny fanovàna tsikelikely ho entin’ny tsirairay no miteraka ny fanovàna goavana eo aminy tontolo manodidina antsika, izay afahana manantanteraka ny tena firarihantsika.

2. Mazava amiko ankehitriny fa ny fanovàna dia famerenana amin'ny laoniny ny rava, fandaminana ny korontana sy ny savorovoro ary koa fananganana fenitra sy tanjona vaovao indray.

3. Mazava amiko ankehitriny fa ny famerenana amin'ny laoniny ireo rava ireo, dia tsy mila hery na tanjaka be akory, fa kosa mila finiavana handá sy hanohitra ny tsy fahamarinana, izay miseho sy iainana eo aminy fiainana an-davanandro.

4. Mazava amiko ankehitriny fa raha hanangana rafitra vaovao, izay hiteraka fanovàna ifotony, dia tsy mila miandry zavatra goavana. Fa kosa ny hilaina dia ny miandry ny fotoana mahamety azy mba hahafahana manantanteraka ilay tetika nokasaina. Ilaina ny mihezaka hatrany mba tsy hiankin-doha aminy hafa.

5. Mazava amiko ankehitriny fa ny zavatra rehetra izay ataontsika mandritry ny fotoana iainantsika, sy ny antony andaniantsika azy, ary koa miaraka amin'iza no handaniantsika izany fotoana izany, no manamarina ny maha « IZA » antsika tsirairay avy.

6. Raha tsy vitantsika ny mandamina sy mitandrina ny fotoanantsika, mba hitsinjovana ny tena hilain’ny manodidina antsika, dia midika izany fa mbola tsy vonona isika hiahy ny mpiara-belona amintsika.

7. Mazava amiko ankehitriny fa misy ny fotoana hieritreretana, misy ny fotoana hitenenana ary misy ny fotoana fampiarana. Tsapako fa ilàna saina matsilo vao tanteraka ireo dingana telo ireo, saingy kosa ilàna fahendrena ny manavaka tsara azy ireo.

8. Mazava amiko ankehitriny fa rehefa manao zavatra, tsy tokony hatahotra ny tsy fahombiazana sy ny tsikera. Tsapako koa fa raha tiana ny hahomby, dia ilaina ny fikirizana ary tsy ho feno izany raha tsy misy ny hanatry ny lesoka.

9. Mazava amiko ankehitriny fa tsy mila mijery akory, na maka tahaka ny hafa, izay vao afaka mijoro aminy hevitra sy mamolavola tanjona. Satria isika tsirairay dia samy manana talenta miafina manokana, natao mba hifanaraka amin'ny adidy sy ny andraikitra miandry antsika aminy androm-piainantsika.

10.Mazava amiko akehitriny fa ny lanjan’ny adidy miandry antsika eto amin’ity fiainana mandalo ity no azo andrefesana ny hasin’ny maha-olona antsika.

Farany, mazava amiko ankehitriny fa ny andrasan'ilay Nahary amin'ny olombelona, dia ny hahavitany sy hanantanterahan’ny tsirairay ny adidy aman’andraikiny avy. Ny fahasambarana azo amin’izany dia ireto avy :

- « ny fahasambarana voalohany » dia ny fahafantarana izany ;
- « ny fahasambarana faharoa » dia ny fampiarana izany ;
- « ary ny tena fahasambarana farany sy lehibe indrindra » dia ny fahavitan’izany adidy napetrak’ilay Nahary tamin’ny tsirairay izany AM-PAHOMBIAZANA.

Harijaona RABOANA (Cambridge - SciencesPo)

Spin Doctor Emergence de Madagascar

Mis à jour ( Jeudi, 17 Mars 2016 04:29 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024

 

« LA TRAVERSEE DES VALLEES MA.FA.NA », UN PROJET DE MA.FA.NA ANTANANARIVO POUR LES VALLEES MANAGNANO – FAROGNY - NAMOROGNA

 

ALAIN DELON. DECEDE CE 18 AOUT 2024 A L'AGE DE 88 ANS

 

ROMI VOOS ANDRIANARISOA. LA VERITE VRAIE ET OFFICIELLE SUR LE CAS DE CETTE FRANCO-MALGACHE

 

Toamasina, 26 juillet 2024. Journée mondiale contre le travail des enfants à Madagascar

 

Madagascar : Application des lois. Un jour viendra le Développement, si…, par Jeannot Ramambazafy

 

Madagascar. Justin Tokely, élu Président de l’Assemblée nationale