]
Les quotidiens du 20 Aug 2017
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Portrait Rolly Mercia. Izy ilay bandy lany henatra, maty fanahy, tsy misy ethika fa jala avao no mibaiko

Rolly Mercia. Izy ilay bandy lany henatra, maty fanahy, tsy misy ethika fa jala avao no mibaiko

Eo ankavia ambony: mety be ny nataonao, Andriamatoa Senatora a!… Ny fehi-tenda manga izany no maha mpitondra feno izao an!? Tsy misy olana amin’i Rolly izany saingy tsy tonga tany Mahajanga ilay Praiminisitra nefa dokam-barotra izany (mbola ho avy ny "reportage")

Aoka hazava ity resaka ity aloha. Androany 3 Mey 2017, Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Fahafahan’ny Fanaovan-gazety («Journée mondiale de la Liberté de la Presse»). Tafiditra ao anatiny ity lahatsoratra ity sady ho rakitry ny Tantara politika maloton’ny firenena malagasy. Tsy resaka alako bika tsy tiako tarehy na koa hoe fialonàna fa te ho minisitra koa ny tena na «règlement de compte». Fisainan’ny olona tsy handroso mihitsy izany. Fa kosa tokony tompon’andraikitra ny zavatra noteneniny ny tsirairay fa tsy hoe modiana tsy tadidy rehefa injay tody izay niriana. Ny soratra, Tompoko mitoetra ary ny taona mandroso…

Farany: izy tenany ihany no mahalala fa tsy misy olona manakarama ahy nanoratra ireo fampahatsiahivana ireo. Efa nazavany resalo taminy: na omeny Rajaonarimampianina, iray miliara isan’andro aho tsy hamadika ny anarana sy ny fampianarana nomen’ny ray aman-dreniko aho. Dia ny mitana ny fahamarinana, ny fahitsim-po ary ny ara-dalàna sy ara-drariny. Hoy ny ray mandreninay izay: «Ny vola, anaka, tsy tanjona fa fitaovana. Loza ho an’izay mitady azy amina fomba rehetra fa zava-poana io ary mampanaotao foana». Efa nodimandry daholo ireo nialoha ahy fa mitoetra ny anatra napetrany. Ka avelao aho lazain'olona fa adala. Adala fa matory tsy amin'ny alina satria tsy misy eritreritra manenjika. Ny an'ilay ity efa maty tanteraka io eritreritra io.

Ndao ary.

Henoy anie i Rolly Mercia fony vao voatendry voalohany e! - ETO

26 Febroary 2014. Rehefa nasain’ny Filoha Rajaonarimampianina natao raoka alika ny minisitry ny Serasera, Harry Laurent Rahajason, na koa Rolly Mercia -notendren’ny Filohan’ny tetezamita ny 26 marsa 2011-, dia indro fa adino, na modiana tsy fantatra ilay voham-bolana hoe: «ny alika ihany no miverina amin’ny naloany». Any ka ny 20 Aprily 2017 dia naverina soa aman-tsara eo amin’ilay toerana nahatonga azy nivadika horera -eo amin’ny foto-pisainana mihitsy-, ity mpanao gazety hoe «malaza» ity. Fa malaza amin’ny fitiavam-bola diso tafahoatra ny tena marina.

Tsy azo alain-tahaka, tsy azo atao fitaratra na eo amin’ny asa fanaovan-gazety na eo amin’ny asa maha minisitra. Satria ny vola ihany no mibaiko azy. Ka asa, atsy ho atsy, iza no ho sahirana: ny namerina azy sa izy tenany nanaiky ny hiverina nefa efa mazava fa tsy hisy n’inona n’inona ho tontosa eo, afa-tsy ny fandravana tanteraka ny hasin’ny fanaovan-gazety amin’ny alalan’ny zarazarao an-jakana.

Fantaro ary ny tena foto-pisainan’ity Rolly Mercia ity. Fanambarana nataony tao amin’ny radio Free FM 104.2 ny 24 Jona 2014. Izy ilay tsy mahatanty ny hoe « traversée du désert » izay sedrain’ny mpanao politika eran-tany amina fotoana iray.

Nalaina ho Dg-ny Groupe Presse ao amin'ny Sodiat izy rehefa tsy minisitra intsony izy. Iza moa no mitantàna ny Groupe Sodiat? Mamy Ravatomanga izay ataon'ity Rolly Mercia ity vain-dohan-draharaha ny manenjika azy ao amin'ireo gazety tohanan'i Mbola Rajaonah ara-bola, nefa aotra ny porofo. Izany ve dia olona itokisana intsony? Traître un jour, traître toujours, mon ami! Izy ve dia hahalala an'io Mbola Tafaray io noho izaho? SSSssss

Pic Vert Ambatobe, Taom-baovao 2012. Mbola olona izy tamin'izany

« Sahala amin’ny tenako, aleho dia ny tenako mihitsy no resahiko. Iza moa izao no afaka ilaza hoe tsy mba niasa mihitsy ity Rolly Mercia ity taminy fampandaniana an’ity Hery Rajaonarimampianina ity. Inona izao ny heloka no mba nataoko tamin’i Hery Rajaonarimampianina? Kanefa dia resaka moa izany! Io dia izao satria hoe miaraka amin’i Andry Rajoelina. Izay izany ny heloka nataoko. Niaraka amin’i Andry Rajoelina. Izay fotsiny izany ny heloka natao amin-dry zareo. Ny dikan’izany na niasa io na tsy niasa nandritra ny telo taona naha minisitra azy na niasa be ary io nanao ilay propagandy, tsy ilaina io fa mandehana mandeha any! Ary tsy vitan’ny hoe mandehana mandeha any fa fanaratsiana sy fanenjehana ohatran’ny tena indray no devoly. Dia manontany amin’izay aho amin’izao fotoana izao (Ttf: volana Jona 2014 io) satria dia volana vitsivitsy izay no nitsanganan’ilay governemanta sy eo amin’ny dimy volana eo no nitondran’ilay Hery Rajaonarimampianina firenena: iza izao no tena devoly?

Mba manontany amin’izay aho ka izay ny mahatonga hoe: mba tonga amin’izay ny fotoana mba isehoana tsindraindray, iresahina, satria manana adidy ny tena. Ny firenena tsy avela fotsiny entina antokon’olona any anaty hady ohatran’izany, na inona toerana misy azy na inona toerana misy azy. Zon-tsika olom-pirenena tsotra ary zon’ny mpanao gazety ny manao ny «interpellation», manao «critiques» ny zava-drehetra ka tsy miambahamba isika manao izany. Ho an’izay mbola tsy nahalala : ao anatin’io fitondrana io, ao amin’ny «présidence» ao mantsy misy gasy vaotonga tsy mahalala inona no niseho tany aloha tany ataon’ny mpanao gazety sy ny rehetra rehetra teto amin’ity firenena ity dia ampahalalana azy hoe an an an, tsy vao izao no nanaovana izany fa efa hatramin’izay no nanaovana izany. Raha vao misy ny mibolila dia manitsy isika, ary manitsy amin’ny fomba mivantana, tsy miambahamba ary amina zavatra tena marina no resahina. Ny «communication» ao amin’ny «présidence» moa dia mikoaka voan’ny tiberkilaozy, mila fitsaboana any Fenoarivo mihitsy, reraka be».

MANINONA I ANDRY RAJOELINA NO TSY MITENY AMIN’IZAO?

« Izaho moa izany tondroina akaiky aminy. Misy fotoana vitsivitsy anefa tsy tafahoana, tsy tafaresaka taminy. Na izany na tsy izany mazava ny toe-draharah : raha vao hiteny eo ange Andriamatoa Andry Rajoelina, hiteny kely ohatr’izao tenenin-tsika izao, dia ho tondroina indray fa hoe mitady hanakorontana ny fitondram-panjakana. Kanefa ianao ihany no nisafidy nampandany an’ity Rajaonarimampianina ity. Noho izany, mbola be dia be ireo olona manodidina tomponandraikitra isan-tokony izay afaka tsara miresaka momba ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao, fa tsy midika akory rehefa mangina izy dia tsy noraharahiny ilay zavatra. Fa ny zava-drehetra misy fotoanany ary ny zava-drehetra koa misy antana-tohotra ».

SAO DIA «SILENCE COMPLICE»?

« Izay aloha dia hahitsiko ary marobe ny olona manontany ahy an’izany hoe sao dia manao vazaha mody miady ianareo. Izaho ato ao anatiny no mijoro vavolombelona fa tsy izany ny fitantanàna ilay raharaham-pirenena e! Ny fenitra apetraka amin’ny zavatra ho tratrarina dia tsotra hoe: an an an, ny tena no nampandany an’ity ka na kendan’ny vomanga nasesiky ny tanàna azy ny tena dia tsy hialangalana fa raha vao misy zavatra tsy mety sy tsy manara-dalàna, mihoatra ny fefy ataon’ity fitondrana ity dia mitsangana miteny. Ary ilay miteny iny izany, tsy hoe miady akory. Izy no miady amin’ny tena, fa ny tena tsy miady aminy akory na koa hieritraritra hanongana azy fa hoe : an an an, misy tsy mety dia mitsangana, na inona tsy mety, na inona tsy mety. Dia mitsangana amin’ny tsy mety fa izao ny zavatra tokony atao.

Noho izany, mbola eo ireo an-tanan-tohotra isan-tokony eo anivon’ny Mapar, izay afaka tsara miresaka, afaka tsara manao izany asa izany, rehefa ho avy foana ny fotoana raha ohatra ka tafakatra any amin’ny fara tampony any ilay toe-draharaha, fa ho avy foana ny fotoana hitenenan’Andriamatoa Andry Rajoelina. Na izany na tsy izany dia afaka miteny aho fa tsy mankasitraka izao fomba fitantanàna amin’izao fotoana izao, efa tam-boalohany Andriamatoa Andry Rajoelina ka hatramin’izao ».

TSY MAHATSIARO MANANA ADIDY VE IZA RAHA ARAKA NY TENINAO TEO HOE: SENDRA VOMANGA NASESIKY NY TANANA, MAY NY AFO NATSANGAY?

« Ka izao: ilay izy raha ohatra ka isaky ny misy zavatra miseho ianao tonga dia mirakaraka miteny foana, lasa very an-javony fotsiny ny zavatra teneninao. Manome ohatra aho izao : omaly fotsiny, nijery vaovao tao amin’ny fahita lavi-pirenena aho, Tvm omaly hariva, dia variana ary valalanina mihitsy. Izaho moa minisitry ny Serasera tamin’ny fotoan’andro, nihezaka tsara mba miasa tsara tamin’ireo olona ireo, mba mi-réglé tsara hoe ohatr’izao ny matihanina, ohatr’izao ny fanaovana azy… Fa mandritra ny antsasak’adiny mahery miverimberina eo ny filoham-pirenena sy ny vadiny. Niafarany dia -ity moa fomba fiteniko tamin’ny andro fahiny- na izy manasa vilia eny an-dakozia, na izy mivoaka eny amin’ny trano fivoahana sanatria, niafarany hitovy amin’izany raha tarihin-tsika ilay sary mivoaka dia handeha amin’izany. F’angaha izany ilay izy e! Abosesehinao tsaramaso maraina atoandro hariva, maraina atoandro hariva eo ilay olona, marary kibo rehefa avy eo. Tsy izany ilay izy.

Ohatr’izay koa misy fomba fandanjalanjana amin’izay zava-drehetra hoe ho atao. Amin’izao fotoana izao marina efa mikaikaika daholo ny olona, ary mino marimarina aho fa tsy dia ho ela, mety manaja ny fankalazana ny fetim-pirenena Andriamatoa Andry Rajoelina dia tsy miteny, fa mino marina aho fa vita izay fanajana izay fetim-pirenena izay dia mino marimarina aho satria efa manomboka efa tonga any amin’ny faram-tampom-tampony mihitsy ny fahavoazana mihitsy ny firenena amin’izao fotoana izao, fa mino marimarina aho fa hiresaka amin’ny olona izy ».

MAHAY MITENY VE IANAO SATRIA EFA TSY EO AMIN’NY TOERANA INTSONY? MOMBA NY TVM, MANINONA NY MPANOHITRA TSY TAFIDITRA? MANINONA IZAO SY IZAO? NIVERINA MPANAO GAZETY IANAO DIA MIVERINA AMIN’NY TANY NY TONGOTRAO, AFAKA AMIN’IZAY MANDINIKA « AVEC RECUL » FA TSY METY TOKOA ILAY ZAVATRA OHATR’IZAO SY IZAO NEFA NISY IHANY TAMIN’NY FITONDRANA TETEZAMITA

« Ilay olona moa izany, ilay olona miresaka dia raisiny amin’ny vatany ilay fomba fanaovany ilay resaka. Izy olom-pirenena tsotra, na izy mpanao gazety… dia everiny fa ohatr’izay koa ny tena. Ny tena anie anankiroa rehefa mitondra io e. Izay aloha nyfieritreretako. Karazana anankiroa ny « statuts »-ny tena. Ny « statut officiel » dia « ministre », ary ilay « statut » anankiray izay efa notaritaritina hatramin’izay dia hoe mpanao gazety. Dia ilay mpanao gazety natao ao anaty paosy aloha satria handeha anao « ministre ». Izay izany ny ato anatin’ny tena ato. Un «ministre» anie «c’est un exécutant» e!

Izany hoe anjarany ny mamolavola ny «stratégie» isan-tokony, hanatanterahana ny politika hitondrana ny firenena izay nataon’ilay filoha voafidy teo izany. Izay ny hitondrana ilay toe-draharaha. Rehefa manatanteraka izany ianao dia manatanteraka ilay baiko. Izay. Rehefa tena tojo mihitsy ianao, eny amin’ny fara-tampony, ka tena hoe mifanohitra tanteraka amin’ny «conscience»-ko izany baiko asaina ataoko izany, dia afaka mametraka fialana aho. Izay ilay hoe «clause de conscience».

ETO MISY SANTIONANA MIVANDRAVANDRA IRAY

Ajanoko eto aloha ny resaka fa ao anatin’izany fanambarana rehetra izany dia ity ny fanontaniana: iza no namita-tena tamin’ny famerenana ity Rolly Mercia ity ho minisitra? Iza no hino inona fa hisy fahagagana -eo amin’ny mpitondra sy eo amin’ny asa fanaovan-gazety- satria niverina ilay «Rôla»? Aza manofy atoandro ry zalahy a! Ary aza mieritreritra fa hoe niverina minisitra dia hisy ny «trêve» ho antsika mpanao gazety. Tsia!Tsy maintsy manaraka ny baikon’ny Praiminisitra Olivier Mahafaly, raha tsy izany voadaka fanindroany eo dia veloma mandrakizay ny volabe antenaina.

Rolly Mercia, Hery Rajaonarimampianina, VĂ©ronique Resaka, Yvette Sylla, Jeannot Ramambazafy izay tsy azo vidiam-bola na oviana na oviana

Satria mantsy tsy mpanao gazety intsony izy izany. Ny dikany: tsy afaka mamelively mivantana izay tiana ho velesina intsony izy (indrindra fa ireo olona tao amin’ny Tetezamita niaraha-nitantana) fa ny «robots» no ho ampiasainy ao anatin’ireo gazety noforonina manokana tsy ho «contre-pouvoir» velively fa kosa «au service du pouvoir» tanteraka. Inona anefa ny tanjona miala avy amin’ny baiko maha «exécutant» azy? Tsoriko mivanta: amin’ny fomba ahoana no hampanginana sy hanagadrana ireo mpanao gazety mpanohitra toa ity Jeannot Ramambazafy ity?


Enjeho ihany ny tetezamita e!

Samia ela velona isika hahita sy hiaina ny hiafaran’ity Rolly Mercia ity izay mitovy taona amiko fa tsy hitovy amiko na oviana na oviana. Amiko aloha dia tsotra: c’est la dernière chance de sa vie pour tenter devenir milliardaire comme Mamy Ravatomanga, son authentique sauveur, mais qu’il ne cesse de diaboliser dans le pur respect de la démarche de Judas l’Iscariote vis-à-vis de Jésus pour 30 deniers. Vola, vola ihany, vola foana no mampamadika ny olona eo akaikinao. Mitandrema ry mpamaky hajaina.


Mitovy samy 63 taona fa tsy ho sahala na oviana na oviana

Soa fa kely sisa no ananan-tsika ireo mpitondra mpandainga sy mpivarotra tanindrazana ireo. Ie: dimy taona ny «mandat» iray. Nefa asa satria ny Lalampanorenana aza vitany ny nanolana azy toa tendan’akoho. F’aza taitra ihany ny vahoaka malagasy a! Mety io: bravo Hery vaovao!

Jeannot Ramambazafy – 3 Mey 2017

Mis Ă  jour ( Vendredi, 05 Mai 2017 05:06 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

USAID. Mark Green, nouvel Administrateur depuis le 3 août 2017

 

Erick Manana. 40 ans de scène célébrés à Madagascar

 

Inde An 70. L'ambassade à Madagascar organise des évènements jusqu'en août 2018

 

Ankazobe RN4. Ao anatin’ireto vidéos ireto ny antony nahatonga ny loza mahatsiravina

 

Antananarivo. Free Fm et Free News de Lalatiana Rakotondrazafy enfin indépendamment en ligne

 

Madagascar. L’Etat de droit du Travail… indécent de la IVème république

 

Jeannot Ramambazafy: Compte Twitter

 

Antananarivo, 14 Jolay 2017. Kabarin’ny Ambasadaoro frantsay Véronique Vouland-Aneini

 

Antananarivo. Le journaliste Andry Ratovo décède dans son coma