]
Les quotidiens du 02 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Analyse CST Leriva Manahirana : marina ny anao, saingy…

CST Leriva Manahirana : marina ny anao, saingy…

CST Leriva Manahirana. Dia mahita lazaina sy ambara tokoa ry zalahy
rehefa mahazo micro ao amin'ny Magro Behoririka

Magro Behoririka, 10 janoary 2013. Vao manomboka ny taom-baovao dia resaka fahavalo no ao ambavan’Ingahy Leriva Manahirana. Hoy mantsy ity mpikambana ao amin’ny CST voatendry tao Brickaville : « Ny filoha Ravalomanana Marc dia madio eo anatrehan’ny fikambanana iraisam-pirenena ». Tena marina tokoa araka ny fijerinao. Saingy mahalala ny Tantaran’i Madagasikara tokoa va ianao io sa dia minia manasa ny lohan’ireo Malagasy hampanantenaina efa ho efa-taona izao nefa dia indrisy, voageja tanteraka ara-tsaina ?

1972, 1991, 2001-2002. Ireo taona ireo aloha no resahiko eto. Tena nadio teo anatrehan’ny fikambanana iraisam-pirenena tokoa ry Philibert Tsiranana, Didier Ratsiraka, Zafy Albert ary Didier Ratsiraka fanindroany. Ka dia adala daholo izany ny vahoaka malagasy nanala azy ireo teo amin’ny toerany Filoha voafidy ? Nilaza ihany koa Ingahy Cst Manahirana fa « ny ekipan-dRajoelina no tena fahavalontsika izay nampijaly vahoaka ka tsy isika indray no hifanipaka an-toerana ». Ny fampijalian-tena no misy ao amin’ireo olon’ny Magro satria tsy misy resaka Tantara mihitsy ny ao fa dia atao andriamanitra latsaka an-tany Ingahy Marc Ravalomanana. Teo aminy izany no nanomboka ny Tantaran’ny Firenena malagasy.

Fa maninona moa r’Ingahy Manahirana no tsy resahina ireto manaraka ireto ? Sa tena… manahirana tokoa ? Tokony hampahafantarinao fa ny mpitondra mandalo fotsiny ihany ary tsy fiarovana fahatany an’ny Filoha Andry Rajoelina no mahatonga ahy ampahatsiahy ny lasa fa aza dia atao andriamanitra latsaka an-tany loatra i Dada. Matoa izy nitsoaka teto an-tanindrazana dia tsy madio araka ny filazanao r’Ingahy Manahirana a ! Ka dia anjaranao no manaporofo fa mpandainga aho izay 35 taona nanaovana gazety. Vakio ireto manaraka ireto ka aelezo raha sahy…

1. 1988. Ny voalohan’ny volana Septambra tamin’io taona io dia voampanga Ingahy Marc Ravalomanana nanao kolikoly mikasika ny orinasa Lalasoa ao Ambatolampy. Ary dia natao MD (« mandat de dépôt ») tao Antanimora izy ny 01 Septambra 1988. Ny laharan’io MD io dia ny 230-RP/88/TSE/130FAME/JR. Ingahy Jean Robiarivony, ministry ny toe-karena tamin’izany vaninandro izany no nanao « intervention » ka ny 14 Oktobra 1988 i Ravalomanana no nivoaka ny fonja. Izany hoe nigadra iray volana sy tapany izy.

2. 2001-2002. Nisy ny fifanarahana natao tany Dakar (Sénégal), teo amin’Ingahy Ravalomanana sy ny Filoha Ratsiraka fa hotontosaina ny fiodinana faharoa tamin’ny fifidianana natao ny volana Desambra 2001. Nifanoroka mihitsy ry zareo ary nanaiky tokoa i Ravalomanana. Fa nony niverina teto an-tanindrazana izy dia nodradradradrainy fa « Premier tour dia vita ! ». Ary nandaitra satria efa leo an’ny Amiraly ny vahoaka. 22 febroary 2002 izy no nanao fianianana ka tsy nisy solontenan’ny fikambanana iraisam-pirenena na iray aza. Nantsoiny avy eo ny « réservistes » ka natao haza lambo daholo ireo « fahavalo » tamin’izany. Voatery nandositra moa Ingahy Ratsiraka ka mora tamin’i Ravalomanana ny nanao finianana fanindroany ny 6 Mey 2002. Fa ny taona 2004 vao neken’ny fikambanana iraisam-pirenena tanteraka ny fitondrany. Roa taona be izao taty aoriana.

3. 2002-2005. Nanomboka teo dia nogiaziny daholo izay mety azo giazina hampiroboroboana ny orinasanam-pianakaviana Tiko. Nobodoiny daholo ny tanin’ny Fjkm sy ny an’ny miaramila tao Faravohitra. Fokontany iray manontolo mihitsy moa no tsy azo naleha tamin’izy nipetraka tao. Nataony Magro daholo ireo tany fanànan’ny Somacodis eran’ny Madagasikara, izay tanim-panjakana avokoa. Ny tao Ankorondrano moa dia tany an’ny « Chambre de Commerce ». Ny dikany dia ny fahefam-panjakana nanany dia nampiroboroboany ny orinasan’ny fianakaviany.

4. Trosa. Marina fa nanao làlana izy. Fa maninona no tsy azavaina amin’ireo olon’ny Magro fa vola avy any amin’ny mpamatsy vola no nanaovana ireo làlana ireo ka tsy maintsy mibaby trosa ny firenena dia ny vahoaka malagasy, fa tsy misy Banky iraisam-pirenena hanome baôjo fotsiny eo. Mampindrana izy ary asiany zanany. Io ilay « fardeau de la dette », mavesatra ho an’ny firenena an-dàlam-pandrosoana satria tsy manana vina maty paika fa kapoka tsy miala vola foana no ao an-doha.

5. SADC. Iza marina no orinasa tena nahazo tombontsoa tamin’ny fidirana tamin’io SADC io, nanomboka ny 18 Aogositra 2005 ? Tonga teto ny Filohan’io SADC io sady Filoha Zambianina, Itompokolahy Levy Patrick Mwanawassa, ny volana Aogositra 2008. Taiza izy no nalefa ? Tao amin’ny serana-tsambon’i Toamasina izay nasiana ny orinasam-pianakaviana Mana. Avy teo dia nandeha tany Andranomanelatra izay misy omby vavy be ronono an’ny Tiko ihany ary koa ny fanaovana lafarinina, rehefa avy nakaton’i Ravalomanana ny Kobama satria nanenlingelina ny firoboroboan’ny orisanam-pianakaviana. Torak’izany koa ny mikasika ny menaka. Tsy fantatr’Ingahy Manahirana tokoa angaha ny raharaha « 3 frères », sa very tadidy fotsiny izao ? Avy aiza moa ny Tiko Oil ?

6. Andohatapenaka. Tetika maizina dia maizina no nampiasain’i Ravalomanana mikasika io tany ao amin’io toerana misy ny « Kianja Makis » amin’izao fotoana izao. Kianja ho an’ny mpanao baolina lavalava malagasy fa tsy ho an’ny orinasa Injet na koa ho an’ny fianakaviana Rajoelina. Nareniny tamin’ny volan’ny Faritra Analamanga io tany io. Ka Ingahy Fidy Ratsimbazafy, Lehiben’ny Faritra, tamin’izany fotoana izany, no natao mpanatanteraka. Vola mitentina 3.654.140.000 ariary an’ny fanjakana no nampiasaina, mazava ho azy, fa tsy vola tany am-paosiny akory aza. Voaraoka daholo ny olona nipetraka teo amam-polo taonany ary zara raha nahazo vola fa fandrahonana no tena nisy. Mandehana ianao r’Ingahy Manahirana mijery ny « dossier » laharana 6 992-Rp/09/16-Cr/J3/09 ao amin’ny tribonaly. Anontanio koa i Me Hanitra Razafimanantsoa.

F’angaha izany fotsiny ? Nolazainy aloha fa hanaovana trano ho an’ny vahoaka (« logements sociaux ») aloha io tany io. Fa ny tena tarigetra dia orinasa manodina sakafo ho an’ny kisoa ! Tadidiko fa tonga tao izy nandeha « hélicoptère » ary tsy nisy mpanao gazety na iray aza nahazo nitrandraka vaovao tamin’io fotoana io. Noroahina ny olona fa dia ny kisoa no nomena tombony. Na dia fantatro daholo anefa izany dia nifidy azy fanindroany aho ny taona 2006, nanantena fa tena hifantoka amin’ny tombontoan’ny vahoka marina izy. Kanjo, inona no teo ?

7. Air Force One II. Faly ery izy ny faran’ny taona 2008 fa hoe nividy raoplanina raitra ka 60 tapitrisa dolara no vidiny. Avy aiza anefa ny vola ? Nolazaina aloha fa vola avy any am-paosiny ny ampahany. Na ny FMI aza gaga ka nanomboka ny volana Desambra 2008 izy no nanantona ny famatsiam-bola satria tsy mazava ny mikasika ny novidianana io Air Force One II io. Ay va re fa mbola volam-panjakana ihany no nalaina, dia tao amin’ny serana-tsambon’i Toamasina sy ny trano fiantoana ARO. Kapoka tsy miala vola ihany satria tsy tena io no vidin’io raopilanona tsy vaovao io.

Dia fahanana tantara diso lava izao ireto olona ireto ka tsy manana jifery afa intsony
fa sesefana fankahalana ny mpiray tanindrazana hatrany

Santionana fito ireo. Io moa dia isa tena nankafizin’i Ravalomanana tokoa, fa mbola misy ota afa nataon'ity olona avy any Imerikasinina ity, havoakako raha ilaina sy mbola mirediredy ihany ireo mahazo micro aho amin'ny Magro. Ka anjaranareo mpanompo an'i Ravalomanana tanteraka no mandiso ahy amina porofo tsy azo hiadi-kevitra fa tsy amina ompa sy rediredy tsy misy fotony. Izany hoe tsy miala amin’ny tena fahamarinan’ny Tantara. Atsaharo ny fanaovana ireo Malagasy tsy ampy vaovao sy fahalalana ireo ho toa biby tsy manan-tsaina. Ary ny tena manahirana dia isam-bolana anie dia mandray karama ao amin’io Tetezamita « fahavalo » io Ingahy Manahirana, ka asa raha mba zarainy amin’ireo olona ireo sa vava fotsiny no atao be satria vendrana daholo ireo ? Asa… Mitohy ny fiainana ka dia asa iza marina no ho tsarain’ny fahamarinan’ny Tantara any aoriana any. Farany : tsy omeko tsiny ihany koa Ingahy Ranivo Espéré namorona ny mydago.com, tamin’ny volana Febroary 2009, satria mbola tsy teraka izy tamin’ny andron’ny 13 Mey 1972. Mazava ny azy : Ravalomanana ihany no fantany.

Jeannot Ramambazafy – 11 janoary 2013

Mis à jour ( Vendredi, 11 Janvier 2013 12:34 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety