]
Les quotidiens du 01 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Analyse Kabarin’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Asabotsy 17 Janoary - Kianjan'ny Demokrasia

Kabarin’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Asabotsy 17 Janoary - Kianjan'ny Demokrasia

Kabarin’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo
Asabotsy 17 Janoary - Kianjan'ny Demokrasia

« (…) Sahy Antananarivo, mijoro ny Arivo Lahy ary ny Arivo Lahy tsy maty indray andro. Mitraka ny vahoaka malagasy ankehitriny amin'ity fihaonana androany eto amin’ity zaridainan’Ambohijatovo ity. Ary manomboka anio, izay antsoin-tsika hoe KIANJAN’NY DEMOKRASIA ! Resy lahatra aho fa iray fo isika, isika vahoaka malagasy tsy vaky volo. Noporofoin-tsika izany androany koa arahaba Tompokolahy, manakory Tompokovavy ! Salama isika jiaby e! Tonga soa eto amin’ity kianja hanovana ity tantara ity ! Tompokolahy sy Tompokovavy, raha mijery ny fahavononanareo izao aho dia sahiko no miteny fa tsy hafahana ny firenena, tsy maintsy vahana ny geja, tsy maintsy harodana ny jadona. Tsy maintsy harodana ny jadona ! Tsy olom-boahozona anefa isika Malagasy nefa mahonena ny vahoaka malagasy dia mitakosona tanteraka ao anatin’ny fahantrana isika fa olom-bitsy sy ireo vahiny miara-dia aminy no mitavana ny harenan-tsika. Anaovana an-keriny ny tanin-tsika; robaina ny harena an-kibon’ny tany. Marina izany ary atao ampi-mamba ny hazo saro-bidy; orinasa tokana no mifehy ny varotra ary izay sendra sahy mijoro manohitra izany ka miteny dia any Tsiafahy na any Antanimora na any Ambalatavoahangy. Izany ny mafy zakain’ny Malagasy atreto. Atreto hoy aho satria tsy anaiky izany intsony isika. Azo samborina sa tsy azo samborina i Andry Rajoelina ? Tsy azo samborina ! Ataovy mafy be ho ren-dry zalahy ! Mazava ho azy, mazava ho azy. Mazava ho azy fa tsy azo samborina i Andry Rajoelina ! Misaotra indrindra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy !

Ary eto aho dia miarahaba manokana an’ Ialy, vadin’i Pety, izay miaraka amintsika eto androany. Mirahaba manokana koa ny tenako an’i Roland Ratsiraka izay nogadraina nefa tsy voasazy akory, tsy nanao heloka akory. Tiako anefa no manambara, Tompokolahy sy Tompokovavy fa teo amin’ny tantaran’ity Nosy ity, dia teto amin’ny Renivohitra malalan-tsika foana no navadika ny tantara. Nijoro tamin’izany ny vahoaka malagasy rehetra avy amin’ny lafi-valon’ny Nosy monina eto Antananarivo. Ka raha mijoro izahay ankehitriny dia sahy ary tsy matahotra satria manana anareo iara-hizotra ary manana ny Tompoko ho fanilon’ny tongotra sy fahazavana ny làlana rehetra.
Eto amin’izao kianja izao, izay manana tantara ihany koa, ary eto anatrehan’ireo vahoaka maro be no italaohoko ary mitalao amin’ilay Ray Tsy Toa mba ho resy ilay ratsy ary tsy hanjaka intsony eto ny fahamaizinana. Firenena no afahana, Tanindrazana no avotana koa miantso ny vahoaka Malagasy manontolo ny tenako iray hina ampilaminana; hiatrika izany ady ho an’ny Demokrasia izany. Tolona ho an’ny Demokrasia sy ho an’ny Fahafahana ity. Iaraha-tsika atao : ady amin’ny fahantrana; ady amin’ny fanjakan’olo-tokana; ady amin’ny fanjakana ny harem-pirenena; ady amin’ny fanaparam-pahefana; ady amin’ny fanjakazakana; ady amin’ny kitrano an-rano; ady amin’ny fanodikodinam-bola miompampana; ady amin’ny fangalara-tany… Izany Tompokolahy sy Tompokova no ady masina ho an’ny Tanindrazana ! Koa miantso ny rehetra aho iray hina satria Masina ny Tanindrazana.

Tompokolahy sy Tompokovavy, mialohan’ny anaovana tatritra ho anareo, araky ny fampanantenako, dia mamelà ianareo anamafy indray ny fisaorana feno, eram-po, eran-tsaina, ireo naneho ny firaisan-kina tamin’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra sy izahay mivady, tamin’ny fanenjehana mamaivay sy tsindry hazo lena nahazo anay ireny. Ny iantefan’ny fisaoranay : ny ray aman-dreny tsy ankanavaka,na eo amin’ny fiarahamonim-pirenena izany na eo amin’ny ara-pinoana, ara-piangonana isaky ny sokajiny. Misaotra ny antoko politika samihafa koa sy ny fikambanana isaky ny sokajiny, ny tanora, ny vahoaka Malagasy eto Antananarivo sy ny amin’ny lafi-valon’ny Nosy. Misaotra ireo olona izay namaly ny antso izay tonga maro be ankehitriny satria dia fantatra fa na aty amin’ny tonelina na ary aminy ambany ery tsy omby eto amin’ny kianja isika. Misaotra ! Misaotra indrindra ompoko ! Satria, nampanantena anareo aho anao tatitra koa, dia miangavy anareo am-panajana mba hiheno izany ampitoniana na dia fantatro aza fa angoritsina ny sofinareo.

Dia fanagejana, sompasompatra sy tsy fitiavana Tanindrazana no naseho teo amin’ity Antananarivo ity. Satria ny Ben’ny Tanàna no tsy tiana dia fahaizaina ny vahoaka. Tsy eken-tsika izany, Tompolahy sy Tompokovavy ! Tsy ny asa efa vita no andeha ireharehana na ny zavatra tsy vita ihany koa no andeha andatsana. Fa milaza miara-mahita aho raha miteny ary raha manambara fa na dia betsaka aza ny sakatsakana dia mbola mijoro eto i Andry Tgv. Mijoro izy satria manana anareo. Betsaka no miteny mahita ahy, na ny mpamafa lalànan' ny Tanànan’Antananarivo aza dia miteny mahita ahy, manganoano, mihetsim-po, miteny hoe: mahereza ry Ben’ny Tanàna. Ary fantatro fa ianareo rehetra ireo na dia tsy miteny aza dia izay no am-ponareo. Misaotra amin’ny fankaherezana , Tompokolahy sy Tompokovavy !
Tao anatin’izay herintaona izay dia nijery ireo tena marofo ny tenanay tao amin’ny CUA satria betsaka no tsy manana hanin-koanina, betsaka ny ankizy izay tsy manana hanin-koanina, ary izay indrindra no nanaovanay hotelin-jaza miisa 15 tao anatin’ny herintaona monja. Tsy ampy anefa izany, tsy ampy izany. Satria ny Tanànan’Antananarivo dia tsy an’i Andry Rajoelina irery ihany. Eo no mpipetraka ny fanontaniana : misy ve ny fitsinjovana ny vahoaka madinika eto amin’ny Tanànan’Antananarivo sy eran’i Madagasikara ? Hofitiniko ny teny :

Epp 15 no namboarina ; paompy 80 nonajoro tao anatin’ny enim-bolana. Tsy natao ambanin-javatra koa anefa ireo zokiolona, ray aman-dreny, loharano nipoirana ka ankoatra ny hotelin-joky; tobim-pitsaboina sy fikarakarana na “centre de soins”; trano famakiam-boky; toeram-pamatsiana na “centrale d’achats”, izay nafahan’ireo olona izay tena sahirana mividy vary mora, mividy menaka mora, mividy ronono mora, mividy dibera mora (…). Misy ihany koa ny “cours gratuits” 2007sy 2008 satria fantatra fa betsaka ny mponina eto amin’ny Tanànan’Antananarivo izay tsy afaka manao enti-mody ny ankizy. Tsy afaka manao enti-mody satria efitrano kely no ipetrahiny. Ka dia nanao ny “cours gratuits” izahay ka 80% ny olona nanatrika izany “cours gratuits” izany dia afa-panadinana, Tompokolahy sy Tompokovavy ! Inona koa moa no nampanantenaina ? Ny zaridainan’Andohalo. Manasa-tsika miakatra eny mba hijery fa tsy atao kabary izy ity. Notokanana koa ny “marais Masay”, ny fokontany fitaratra ary ny maro samihafa izay tsy ho voatanisa eto. Na dia betsaka aza ny zavatra natao dia mbola maro ihany koa ireo ezaka tokony ho tratrarina. Niezaka ny tenako miaraka amin’ireo mpiara-miasa amiko nanao izay fara-herinay na dia zavatra afa aza ny tetikadin’ireo olona ratsy fanahy, tsy tia Tanindrazana, nisakatsakana ny asa izay ataon’ireo tsara sitrapo. Raha sakanana moa i Andry Tgv izay Ben’ny Tanàna tian’ny vahoaka sy ny mponina ao aminy : iza no afaka hijoro eto amin’ity tanànan-tsika ity a ?

Ao anaty taratasy misoratra ao anatin’ireny fanjakana tsirairay avy ireny, birao ana minisitera dia misy soratra hoe: Tanindrazana, Fahafahana ary Fandrosoana. Tsy hay ny tsy hiteny satria ankehitriny dia tsapa-tsika fa betsaka no nijoro vavolombelona teto hoe amidy ny Tanindrazana; ny Fahafahana gejaina; ny Fandrosoana ho an’ny olo-tokana sy ho an’ny olom-bitsy ! Tsy ekena izany. Tao anatin’ny fitantanana ny CUA ihany dia misy antonta taratasy entiko eto anatrehanareo vahoaka, satria ny tsy filazana ny marina dia firaisana manao tsikombakomba ka izaho miangavy an’ireo minisitra, an’ireo sy depiote mba tsy iray tsikombakomba. Hanome ny ohatra androany, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Yvan Randriasandratriniony

Ny voalohany dia nisy fampiraharahana na “contrat” anankiray izay natao tamin’ny 8 aogositra 2000 izay nanaovan’ny roa tonta sonia. Ao anatin’ny fiadidian’ny Tanàna moa ny tena ary ao anatin’ny taitra omena ny vahoaka izao. Nanao sonia ity “contrat” ity dia Andriamatoa Randriasandratriniony Yvan, izay Filohan’ny Antenimieran-doholona ankehitriny, izay mpitantana an’ny Mbs tamin’izany fotoana izany. Ary ny manao sonia etsy an-kilany dia ny Ben’ny Tanàna tamin’izany fotoana izany Marc Ravalomanana. Ny voalaza ao anatin’ity “contrat” ity dia izao : ao amin’ny “article 2” dia milaza fa hampanofaina amin’ny orinasa Mbs, mandritra ny 50 taona io tany ao Anosipatrana io. Ny tena mampalahelo anefa ry vahoaka Malagasy dia ity. Ity no tena mahaliana : ny hofan’izany tany izany dia voalaza ao anatin’ity “contrat” ity fa dia 4.000 francs isa-taona isaky ny metatra tora-droa (m²) ! Izany hoe raha isam-bolana dia 334 francs. Mangataka aho mba omeo tany koa ireto Malagasy ireto mba hofainy amin’izany vidiny izany. Mba hanana trano avokoa ny Malagasy. Ny tena mbola mampalahelo, henoy tsara, henoy kely aza fady : tsy vitan’izay, Tompokolahy sy Tompokovavy : rehefa nosoniavina ity “contrat” ity tamin’izany vidiny mora dia mora mba tsy lazaina hoe nomena maimaim-poana, tamin’ny 8 aogositra 2000 dia nisy indray taratasy natao tamin’ny 14 febroary 2007. Inona no voalaza ao anatin’izany taratasy natao izany ? Ny voalaza dia ity. Vakiko amin’ny teny frantsay ilay izy dia hadika amin’ny teny malagasy avy eo : « Nous confirmons, par la présente, le renouvellement de notre accord de partenariat pour une durée indéterminée .

Tsy ampy ilay 50 taona fa mbola hotohizina foana ilay 50 taona, Tompokolahy sy Tompokovavy. Ary ny mahaliana dia ity : ilay hofany mora dia mora teo dia nolazaina indray fa tsy aloha intsony. “L’allocation du site occupé par le groupe Mbs à Anosipatrana est régularisée par échanges de services”. Mbola tazonina indray ilay 334 francs malagasy. Mampalahelo izany Tompokolahy sy Tompokovavy. Tsy maintsy hisy fepetra ho raisina manoloana izany zavatra izany. Manaraka izany, tonga saina aho ankehitriny hoe fa maninona no atao izay hialan’ny Ben’ny Tanàna eo amin’io toerana io ? Satria ny Ben’ny Tanàna milaza ny marina. Mbola lavalava ny lisitra ato, Tompokolahy sy Tompokovavy e ! Misy ny mpiasa voalaza fa miasa ao aminy CUA, injeniera sy ny maro isan-karazany nefa dia miasa any amin’ny orinasa Alma [Tiko Group]. Mampalahelo izany Tompokolahy sy Tompokovavy. Misy « carrière » ihany koa eny amin’ny RN1 izay tsy hita akory ny taratasy fakana izany “carrière” izany, na amin’ny teny frantsay hoe : « Inexistence d’un acte officiel » izay milaza hoe : misy « abus de biens sociaux » ao anatin’izany, Tompokolahy sy Tompokovavy. Misy ihany koa fandoavana hetra maro isan-karazany, toa ny FPV, “droits de voirie”. Lazaiko anareo fa misy orinasa tsy mandoa izany eto fa ny sasany noterena na ampitombona ny haba tokony alohany. Mitanila ny mizana, Tompokolahy sy Tompokovavy. Ary farany, resaka tany ihany izy ity. Betsaka ny tany alaina etsy sy eroa eto Madagasikara ary misy koa ny tany nototofana eto. Ary eto aho dia misaotra ilay mpiasa mpiara-miasa ao amin’ny “aménagement du territoire” satria nandefa ny taratasy araka ny tokony ho izy, izay tonga tao aminay, tao amin’ny CUA. Na dia noterena aza ny Ben’ny Tanàna anao sonia an’izany fanatotofana tany izany, volana maro izay, na dia nahazo antso an-telefaonina isan’andro isan’andro aza, tsy nanao sonia ny Ben’ny Tanàna, Tompokolahy sy Tompokovavy !

Satria ny antsika ny marina dia tena marina ! Satria voasoratra ao anatin’ny taratasy, ao anatin’ny “prescription d’urbanisme” fa hoe : “passage secondaire” io tany io ary raha amin’ny teny vahiny izay voasoratra ao dia ny hoe : “Impropre à toute construction”. Izany hoe tsy azo hanorenana, tsy azo totofana. Misy manao barofo. Misy Ben’ny Tanàna ve eto, Tompokolahy sy Tompokovavy ! Ka maninona no tsy arahina ny ten’ny Ben’ny Tanàna, Tompokolahy sy Tompokovavy ? Satria efa nisy ihany no niteny fa misy ny fanafongarana ny fako izay natao teny Anosipatrana izay efa nototofana ary tsy misy fofona intsony no nofongarina. Dia miantso ny tompon’io tany io aho mba hanala ny tany rehetra ao amin’ny tany nototofana io, satria tsy nisy alàlana io Tompokolahy sy Tompokovavy ! Mampalahelo dia mampalahelo ny zavatra mitranga sy miseho eto amin’ity Tanànan’Antananarivo ity. Satria araka ny lazaina teo -ary izay no nanaovan-tsika ity Kianjan’ny Demokrasia ity- maro dia maro ny fitakiana, ka manolona izany zavatra izany dia efa nolazaiko ombieny ombieny fa tsy ekena ny jadona. Marina sa tsy marina ? Tsy ekena ny fanaparam-pahefana. Marina sa tsy marina ? Tsy ekena ny famoretana tsy afahana maneho ny hevitra ! Tsy ekena ny fanagejana ny haino aman-jerim-pankajana. Satria dia fanta-tsika tokoa ankehitriny fa sarotra dia sarotra no miditra amin’izany Tvm izany. Tsy maintsy ataon-tsika izay ahatafidiran-tsika amin’izany Tvm izany, Tompokolahy sy Tompokovavy ! Ho hita-tsika eo anie androany raha mba tsy aseho izao zavatra miseho eto Ambohijatovo izao e ! Mba ho hitan’i Madagasikara. Mangataka am-panajana isika fa rehefa tsy misy valiny dia isika izao no hiaraka hitaky izany, Tompokolahy sy Tompokovavy ! [Sambany fa ny Alahady 18 janoary teo dia nalefan'ny Tvm ny ampahan'ny fitokanana ny Kianjan'ny Demokrasia tao amin'ny fandaharana tamberin'ny herinandro].

Boeing 737-700 : 60 millions de dollars nefa ny vahoaka Malagasy mitsipizipozy

Tsy ekena ny fampihorohona amin’ny endriny samihafa. Misy miteny ny Ben’ny Tanànanareo hoe “terroriste”. Iza no “terroriste” eto amin’ity tany sy fanjakana ity ? Iza no managadra olona eto amin’ity tany sy fanjana ity ? Iza no manatampi-bava ny vahoaka ? Aiza hoe izy izany ? [Nitodika teny Faravohitra daholo ireo olona maro dia maro teto] Any ilay izy ! Mangataka ny fialan’ny « ministre des finances » aho (fangatahana izay nataon’i Roland Ratsiraka ny 16 janoary). Satria nahoana ? Satria, rehefa voalaza fa nividy raopilanina tsara dia tsara ny Filoham-pirenena dia voalaza fa ny antsasany dia volam-panjakana no nividianany izany. Ny tena mahatsikaika anefa dia ity : tsy voasoratra ao anaty teti-bolam-panjakana izany. Barofo amin’ny volam-bahoaka izany, Tompokolahy sy Tompokovavy ! Koa mangataka izahay mba averina ny volam-bahoaka ary amidy ny “Force One” ! Volanareo, volan-tsika io ! Ekena sa tsy ekena ? Ny vidin’izany « Force One » izany, Tompokolahy sy Tompokovavy, izay voalaza fa “60 millions de dollars” na 540 milliards fmg. Isariako ny sain-tsika fa raha hividianana “4L” izany dia mahazo 36.000 4L, Tompokolahy sy Tompokovavy !

Ahazo “4L” daholo ny fianakaviana [promesse présidentiel io] raha amidy ny “Force One”. Raha hividianam-bary indray izany dia mihinam-bary isika, mihinam-bary ny vahoaka malagasy, farafahakeliny mandritra ny 5 taona. Ka mampalahelo hoe inona ny laharam-pahamehana eto Madagasikara ho an’ny mpitondra amin’izao isika miteny izao ? Ny tombontsoam-bahoaka ve sa ny tombontsoan’olo-tokana ? Inona no tokony ho takian-tsika ? Ny tombontsoam-bahoaka no tokony jerena. Satria izaho dia mahatsapa, rehefa midina eny amin’ny tanàna eny : vizana isika, noana isika, tsy misy mijery isika ! Ary mampalahelo ny teo-javatra ohatr’izany. Tsy eken-tsika intsony ny jadona, ny fanaparam-pahefana sy ny fitiavan-tena. Milaza ombieny ombieny aho hoe : ny fitiavana dia mahavita zavatra betsaka; mahavita manova zavatra betsaka. Fa ny mampalahelo dia vitsy ny olona mpitondra/mpitantana manana fitiavana eto amin’ny tany sy ny firenena ity. Izany zavatra izany dia tsy ekena. Ary afatra tiako apetraka ho an-tsika tsirairay avy : mijoro aho Tompoko, mijoro aho, Tompokolahy sy Tompokovavy, satria tiako ianareo ary ianareo tia ahy. Tsy matahotra ahy satria manana ny Tompo ary manana anareo. Ny filazako ny marina teto androany dia midika fa tsy firaisana tsikombakomba mihitsy amin’ny mpitondra fanjakana. Ka eto aho dia miantso amin’ny mpitondram-panjakana na ny minisitra na ny depiote : misy fitakiana tian’ireto vahoaka atao ! Voalaza fa ny fitakianan’ny vahoaka dia tsy maintsy tanterahina (…)

Ato misy miteny hoe Viva. Mba mangataka koa izahay hatramin’ny asabotsy, mba sokafana ny Viva ! Ny tena mampalahelo dia ity : afenina amin’ny vahoaka ny marina. Ka izay no mahafinaritra ity Kianjan’ny Demokrasia ity mba afahan-tsika miteny. Fa izao : tsy ny Viva ihany no ho sokafana fa ny “radios”’ rehetra izay nakatona. Mangataka koa izahay mba averina ny “Karajia” [émission suspendue sur la radio Don Bosco]. Misaotra indrindra, Tompokolahy, mankasitraka, Tompokovay, izaho andrinareo, ianareo tokiko !

Andry Nirina Rajoelina
Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra

Nadray feo sy namadika ho soratra : Jeannot Ramambazafy

 

 

 
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety