]
Les quotidiens du 05 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Madagascar : lutter contre la malnutrition en pratiquant l’agriculture, avec le Ministère de la Population et des Affaires sociales

Madagascar : lutter contre la malnutrition en pratiquant l’agriculture, avec le Ministère de la Population et des Affaires sociales

Plutôt que faire la queue pour attendre  la "distribution" du PAM, les villageois plantent du manioc

Je ne le répèterai jamais assez : la démarche du PAM ne sera jamais que de la colonisation par le ventre. La ministre de la Population et des Affaires sociales, Nadine Ramaroson, l’a compris depuis belle lurette. Il faut donner des moyens matériels (outils et semences) aux Malgaches du Sud et non pas des surplus américains collectés à travers l’Usaid et distribués par le PAM pour se donner bonne conscience d’aider les « pauvres malgaches ».Le problème de la région Androy, ce que j’ai appelé royaume du Kéré, n’est pas un problème d’eau mais d’irrigation à partir des cours d’eau environnants. Combien de dollars ont été dépensés pour la collecte, l’envoi et la distribution de ces graines de maïs qui ne dureront que quelques mois ? Et combien de dollars coûterait la pose de pipe-lines pour drainer cette eau ? Ce qui permettrait aux populations de là-bas de pratiquer l’agriculture de manière pérenne ? L’article qui suit a été rédigé intentionnellement en malgache.

Les enfants écoutent attentivement les responsables du ministère de la Population
et des Affaires sociales

Si vraiment le peuple américain -que le PAM met à contribution- veut aider les Malgaches à s’en sortir par eux-mêmes, qu’il fasse traduire ce texte par les volontaires du Corps la Paix. Mais les photos parlent d’elles-mêmes.

Fambolena niarahan’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy sy ireo mponina any amin’iny Faritra Atsimo Atsinanana sy Androy ary Atsimo Andrefana iny mba ialana amin’ny tsy fahampiana ara-tsakafo.


Les responsables du ministère de la Population donnant l'exemple

Ratsy ho an’i Madagasikara ny rotsak’orana tao anatin’ny telo taona nifanesy, raha ny fanadihadiana natao tamin’ireo tantsaha tamina Faritra telo dia : ny Faritra Atsimo Atsinanana sy Androy ary Atsimo Andrefana. Tao no be loatra ny rano vokatry ny andro ratsy (« cyclone »), ny firongatry ny valala, ny bibikely mpanimba voly, teo ihany koa ny tsy fahampian’ny orana… Tsy ampy arak’izany ny sakafo sy ny masomboly izay hitsinjovana ny taona manaraka. Samy nanao izay ho afany ireo sehatra maro samy hafa tandrify izany ; isan’ireo namporisika sy nanampy ireo mponina ny Ministeran’ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy ka tamin’ny alalan’ny fanampiana ireo tantsaha hamboly sakafo haingam-pitombo sy mora ambolena mba ahazoana vola sy sakafo toy ny vomanga, voazavo (« pastèque »), lomotra (« algues »), voantsoroko, raketa malama, mangahazo,… Anjaran’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy niantoka ireo fitaovana ilaina sy ny masomboly ampiasaina. Ireo fikambanan’ny tantsaha (“associations de villageois”) no miantoka ny tany sy mikajy ny masomboly (tabiry) ilaina amin’ny taona ho avy manaraka ary mampitombo ny velara-tany volena rehefa vokatra ireo karaza-tsakafo izay volen’izy ireo. Misy ihany koa ny mpiara-miasa ara-teknika izay manampy amin’ny toro-hevitra ireo tantsaha. Afa-po ireo vahoaka amin’izany tosika atao amin’izy ireo izany na dia amin’ny ampahany ihany aza no afaka ny fahasahiranan’izy ireo ; maniry ny hitohizan’ny fiaraha-miasa ireo mpahazo tombontsoa. Tsy adinon’izy ireo ny misaotra ny fitondrana tetezamita sy ny Ministeran’ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy.

Les femmes sont les plus actives dans la culture du manioc

Toy izao fanampiana nomen’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy ireo mponina sy ny toerana niasana ary ny vokatra efa azo momba ity fambolena voalaza etsy ambony ity :

* VOANTSOROKO : Masomboly milanja 800 kg no nozaraina ho an’ireo mponina ao amin’ny Distrikan’i Betioky (kaominina : Maroarivo, Ankazomanga) ka velaran-tany mirefy 200 Hektara, no nambolena izany. Isan’ny voa madinika haingam-pitombo satria 3 volana dia vokatra ny voantsoroko. Ho tolorana angadin’omby ihany koa ireo tantsaha. * VOAZAVO : Masomboly milanja 400 kg no nozaraina ho an’ireo mponina ao amin’ny Distrikan’i Betioky (kaominina : Betioky,Maroarivo, Ankazomanga, Soaserana, Marosavoa, Soamanonga) ka velaran-tany mirefy 500 Hektara, no nambolena izany. Notomboka tany Betioky niaraka tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana tao an-toerana ny fambolena izany ny 23 Desambra 2010, efa nirotsaka rahateo ny orana 2 andro mialohan’ny nambolena izany karazan-tsakafo izay isan’ny foto-tsakafon’ireo mponina mandritran’ny tsy fisian’ny sakafo izany. 45 andro ka hatramin’ny 90 andro dia efa ahazoana voany izany voazavo izany. * LOMOTRA : notoloran’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy fitaovana toy ny tady, latabatra fanamainana vokatra, masomboly ary tohana ara- teknika ireo mpamboly lomotra, velara-dranomasina mirefy 10 Ha no anaovana izany, milanja 17.743 Kg ny vokatra efa azo, nanodidina ny 100 ka hatramin’ny 200.000 Ariary isa-tapa-bolana eo ho eo ny olona iray, 113 no mahazo tombontsoa, heverina hampitomboana avo roa heny ny velaran-dranomasina iasana sy ny olona hiasa amin’ny taona 2011 ho avy io. * VOMANGA : 14.000 Taonina no fitambaran’ny vokatra azo tao anatin’ireo Faritra telo (Faritra Atsimo Atsinanana sy Androy ary Atsimo Andrefana), ka ny Distrikan’i Bekily (Faritra Androy) dia nahatratra 2.700 (taona 2009), 4.600 Taonina (taona 2010), miisa 8 ireo kaominina mpahazo tombontsoa ary ahitana olona miisa 3038 tamin’ity taona 2010 raha 1.800 tamin’ny taon-dasa, angadin’omby miisa 360 sy angady 3600  no natolotra ireo mponina iasany, ankoatra ireo taho efa nampitomboina tamin’ny 2009. Nampitomboina hatrany isan-taona ny velaran-tany ambolena. * RAKETA MALAMA : Tany 100 Ha no anaovana izany ao Andranovory (distrikan’i Toliara II), omen’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy katsaka 3 Kg isan’andro ireo mpiasa mandritra ny fambolena ka 180 no  manatanteraka ny asa ao anatin’ny iray volana, ankoatran’ny masombolo Voantsoroko 5 Kg isan’olona. Ny kaominina sy olona malala-tanana no nanome ny tany. Ireo mponina rehetra ao anatin’ny Kaominina Andranovory no tompon’ny vokatra. Any amin’iny Faritra Androy (Ambovombe-Amboasary) no alaina ny tahona raketa. * MANGAHAZO : Isan’ny foto-tsakafon’ireo mponina ihany koa ity mangahazo ity saingy fotoana ela (8 volana ka hatramin’ny 1 taona sy tapany), tsy ampy rahateo ny taho, ho an’ny Distrikan’i Betioky ohatra dia any amin’iny Faritra Androy (Ambovombe-Amboasary) no alaina ny taho-mangahazo. Tany mirefy 350 Ha no hanombohana ny asa ka ny Distrikan’i Betioky (Kaominina : Beantaky, Ambatry, Masiaboay); Distrikan’i Toliara II (Kaominina Andranovory, Fokontany : Ankilimalangy); Ejeda, no ahazo tambontsoa. Mpamatsy ny taho ny Ministeran’ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy, manome ny tany ireo Kaominina sy ny mala-tanana. mponina mivantana no misitraka ny vokatra.

Jeannot RAMAMBAZAFY

Photos : Andry RAKOTONIRAINY

Mis à jour ( Lundi, 27 Décembre 2010 07:50 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO