]
Les quotidiens du 07 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Andry Rajoelina : l’année 2011 sera « l’Année du Défi et du Développement »

Andry Rajoelina : l’année 2011 sera « l’Année du Défi et du Développement »

CLIQUEZ SUR LA PHOTO POUR VOIR ET ENTENDRE LA VIDEO

C’est le soir du 31 décembre que le Président de la Transition de Madagascar, Andry Rajoelina, a prononcé son discours à la Nation malgache, à la veille du nouvel an 2011. Voici le texte intégral en malgache, suivi de la traduction intégrale également.

Ry Malagasy namako mpiray Tanindrazana rehetra,

Isaorantsika Andriamanitra nitantana ny diantsika nandritra iny Taona 2010 iny. Taona 2010 nisehoan'ny fisedràna maro satria lalan-tsarotra ary be fandripandrika tokoa no nodiavina.

Tsy hay ny tsy hankasitraka ary haneho fisaorana ny vahoaka Malagasy izay nanaporofo ny finoany, ny fitokisany ary ny fitiavany.

Tao anatin'ny fotoana mavaivay saika nahakivy no nipoiran'ny hery, fanantenana ary fomba fijery vaovao ka niarahantsika nanorina sy nandrafitra miaraka ny lamim-piaraha-monina vaovao ho an'I Madagasikara vaovao.

Ary dia teraka ny Repoblika faha-efatra izay nanamarika ny tantara, nametrahan'ny Vahoaka Malagasy ny fanantenany iray manontolo. Matoky ho avy mamiratra ho an'I Madagasikara ny tenako rehefa miaraka aminao sy ampianao.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ny sedra mafy nolalovantsika nandritran'izay iraiky amby roapolo) volana lasa izay dia tsy maintsy hiteraka vokan-tsoa. Satria tao anatin'ny fotoana tena sarotra isika no nahay nifankahery sy niray hina hatrany am-boalohany ary mila hamafisintsika izany hatramin'ny farany.

Na teo aza ny fitsapana sy ny sakana samy hafa dia tanteraka soa aman-tsara tao anatin'ny filaminana sy ny mangarahara ny fitsapankevibahoaka. Tanteraka izany tamin'ny hery sy ny fitaovana teo am-pelatanantsika. Tafapetraka ilay teny filamatra hoe : “ambom-po pirenena sy fitiavan-tanindrazana” tao anatin'ny firaisan-kina.

Ary na dia tsy nisy aza ny famatsiam-bola avy any ivelany dia mbola vitantsika ihany koa ny nanefa ireo trosa rehetra nobaben'ny firenena Malagasy.

Tsy nanao findramam-bola koa isika ary tsy namorona vola tsy misy antoka (na atao hoe “planche à billets”).

Tsy nitontongana ny sandam-bola Malagasy fa voatazona ny heriny raha hoarina amin'ny sandam-bola vahiny.

Napetraka ny pôlitikan'ny fitsitsina eo anivon'ny kitapo-bolam-panjakana ary namafisina ny fitantanana mba tsy hisian'ny gaboraraka intsony sy ny fandanim-poana.

Ohatra amin'izany dia nahantona ny fivezivezen'ny ankamaroan'ireo tompon'andraiki-panjakana mankany ivelany mba hanafoanana ny fandaniana mihoa-pampana.

Teo ny fanenàna ny teti-bolam-panjakana amin'ny akapobeny hatrany amin'ny 44% izay tsy nanakana ny fametrahana foto-drafitrasa maro.

Mba hitandrohana ny tsy isian'ny fiatraikany ratsy amin'ny fiainam- bahoaka dia vitantsika koa ny nitazona ny vidin'ny solika.

Tao aorian'ny fametrahana ny pôlitikan'ny fitsitsina sy ny ezaka amin'ny fahaiza-mitantana dia efa hita taratra ny fandrosoana.

Ao ireo fotodrafitrasa maro izay ho tanterahina toy ny “trano mora”, ny fanamboarana “hopitaly manara-penitra”, ny “tramway”, ny petra-bola manokana enti-manampy amin'ny famoronan-kasa ho an'ny tanora, ireo lapa sy kianja ara-panatanjahantena, ary ny sehatra natokana ho an'ny kanto eny Antsonjombe izay anisan'ny lehibe indrindra aty amin'ny ranomasim-be indianina.

Eny na dia teo aza ny ezaka sy ny vokatra tsara azo tsapain-tànana dia mbola betsaka ny miandry antsika. Singaniko manokona amin'izany ohatra ny fitandroana ny fandriam-pahalemana an-dRenivohitra ka hatrany ambanivohitra, ny ady amin'ny kolikoly sy ny famoronana asa.

Teo andanin'izay dia nisy koa anefa ireo fitakiana tsy nanaraka ny zava-misy izay nanakoron-tana ny fandehanan-draharaham-panjakana araka ny tokony ho izy. Sarotra tokoa ny manova ny fitondran-tena sy ny fomba fisainan'ny tsirairay avy.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Tokony hiaraka hitady ny fomba rehetra hampandrosoana an'ity Firenena mamintsika ity isika ary hitsinjo ny ho aviny.

Tokony hifanaja isika ary hatsahatra ny fihetsika sy ny fiteny mandratra ary ny fiantsiana.

Aoka izay ny “fifandrafiana”. Ampy izay ny “fifanenjehena”.

Tokony hiezaka hifampieno isika. Azo atao tsara ny mifanatona ao anatin'ny fifanajana baikon'ny fahendrena maha-Malagasy.

Aoka tsy hisy intsony ny hampizarazara na hampiady ny samy Malagasy fa mba hiray saina sy hiray fo isika.

Ka ny “fifandeferana” sy ny “fifanakalozan-kevitra tsy misy ambadika na fiatsarambelatsihy” no hibaiko ny tsirairay.

Efa noekentsika tany amin'ny fihaonam-be-pirenena ny fananganana ny governementa iraisana hahafahana miatrika ny fifidianana rehetra izay ho tanterahina ny taona ho avy satria ho “taonan'ny fifidianana” ihany koa ny taona 2011.

Ry Malagasy namana,

Eto aho dia mitodika manokana amin'ireo marofo, ireo marary, ireo kamboty, ireo matsiaro tena fa tsy misy mpiahy ary koa ianareo Malagasy namako rehetra. Amafisiko fa hitsinjo hatrany ny fanatsarana ny fiainan'ny tsirairay avy aho ary hanome ny hery rehetra hampandrosoana ny firenena.

Hiroso isika, hiara-hanatanteraka ilay fanamby napetratsika dia ny hanorina Madagasikara vaovao, mitraka, mandroso, ho reharehan'ny Malagasy rehetra.

Betsaka ireo tetikasa miandry antsika, ary na inona na inona mety ho asarotan'izany, dia ho “taonan'ny fanamby sy ny fandrosoana” ny taona 2011.

Raisiko ho adidy miaraka aminareo Malagasy namako izany fanamby izany ary ho vitantsika izany.

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana,

Mirary raha mirary ny soa sy ny tsara indrindra ho an'ny isam-batan'olona sy ny ankohonona tsirairay avy amin'izao ankatoky ny taom-baovao izao ny tenako.

Mitsodrano antsika rehetra manerana ny Nosy hitsena ny Taona Vaovao 2011 ao anatin'ny “Fahasalamana”, “Fandriampahalemana” sy “Firavoravoana”!

Hanjaka eto amin'ny firenena anie ny fitiavana izay ao anatin'ny filamatry ny Repoblika.

Matoky ny “ho Avy” isika ary matoky ny “fitahian'Andriamanitra” !

MASINA NY TANINDRAZANA !

Misaotra Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy !

Andry Rajoelina

Président de la Transition de Madagascar

31 décembre 2010

------------------------------------------------------------------------------------------------------

TRADUCTION


Malagasy mes amis et compatriotes,

Louons le Seigneur de nous avoir guidés tout au long de cette année 2010 qui s’achève. Ce fut un an parsemé d’épreuves et d’embûches que nous avons parcouru.

Tous les remerciements reviennent au peuple malgache qui a prouvé sa Foi, sa Confiance et son Amour.

C’est dans des moments difficiles amenant au bord du désespoir que sont apparus la Force, l’Espérance et une nouvelle vision qui nous ont permis de planifier et d’édifier ensemble un nouveau projet de société pour un nouveau Madagascar.

Et c’est ainsi qu’est née la quatrième république, qui a marqué l’Histoire, sur laquelle repose tous les espoirs du peuple malagasy.

J’ai confiance en un avenir brillant pour Madagascar tant que nous cheminerons côté à côte et que nous nous entraiderons.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Toutes les rudes épreuves que nous avons endurées le long de ces vingt-et-un derniers mois nous apporteront des bienfaits. Car c’est dans ces pires moments, et depuis le début, que nous avons prouvé notre soutien mutuel, notre endurance et notre solidarité que nous devons consolider jusqu’au bout.

Malgré toutes sortes de dénigrements et de crocs-en-jambes, le referendum a pu être organisé dans le calme et la sérénité. Et cela, grâce à nos ressources propres et aux moyens que nous avons eu à portée de mains. Ainsi le slogan : « Fierté nationale et Patriotisme » est devenu une réalité vraie dans un inébranlable esprit de solidarité.

Par ailleurs, malgré la carence de financements extérieurs, nous avons également réussi à nous acquitter du lourd fardeau des dettes contractées par l’Etat malagasy.

Nous n’avons fait aucun emprunt et nous n’avons jamais utilisé la planche à billets.

La monnaie malgache n’a pas été dépréciée et a toujours gardé sa valeur vis-à-vis du taux des devises extérieurs.

La politique d’austérité a été de mise au niveau des finances publiques et la pratique de la bonne gouvernance a permis de limiter la gabegie et les dépenses inutiles.

Pour donner un exemple, les déplacements extérieurs des responsables de l’administration publique ont été suspendus. Ce, dans le but d’éradiquer les dépenses extravagantes.

Nous avons également réussi à diminuer le budget administratif jusqu’à 44% mais cela n’a affecté en rien la réalisation de nombreux projets.

Enfin, afin d’amoindrir les impacts négatifs sur le quotidien de la population, nous avons réussi de maintenir un équilibre stable du prix des carburants à la pompe.

A la suite de la politique d’austérité et de nos efforts de bonne gouvernance, des avancées palpables vers le développement sont tangibles.

D’autres projets sont déjà en cours de réalisation comme les « Trano mora » (habitations en location/vente) ; la construction de centres hospitaliers répondant aux normes requises ; la mise en circulation de « tramway » ; le fonds spécial de créations d’emplois pour les jeunes ; l'Hôtel de Ville (d'Antananarivo); les complexes sportifs et l’Espace des Arts d’Antsonjombe qui sera le plus grand du genre dans cette sous-région de l’océan Indien.

Toutefois, malgré ces efforts et les réalisations concrètes, il reste beaucoup à faire. Particulièrement dans le domaine de la sécurité publique en milieu urbain jusqu’en milieu rural ; la lutte contre la corruption et la création d’emplois.

D’autre part, nous avons également été confrontés à des revendications irréalistes qui ont perturbé la gestion des affaires de l’Etat. Tant il est vrai qu’il est si difficile de changer de comportement et la manière de penser de tout un chacun.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ensemble nous devons chercher tous les moyens pour développer notre pays bien-aimé et nous devons anticiper son avenir.

Nous devons nous respecter mutuellement et cesser d’utiliser des gestes et paroles blessantes ainsi que les provocations.

Il est temps que s’arrêtent les suspicions et les chassés-croisés.

Nous devons nous efforcer de nous écouter mutuellement. Nous pouvons parfaitement nous rapprocher dans le respect dicté par la sagesse ancestrale bien malagasy.

Que plus rien ni personne ne cherche à diviser ou même à faire se confronter les Malagasy. Nous devons penser avec le même esprit, avoir le même cri du cœur.

Humilité et échanges de points de vue sans arrière-pensée ni hypocrisie : voilà ce qui doit guider tout un chacun.

Lors de la Conférence nationale, nous avons accepté la mise en place d’un gouvernement d’union (d’ouverture) pour l’organisation de toutes les élections qui devront avoir lieu l’an prochain. Car l’année 2011 sera bien une année d’élections.

Ry Malagasy namana,

Ici, je me tourne particulièrement vers les faibles, les malades, les orphelins, ceux qui n’ont personne pour les protéger mais aussi à vous tous Malagasy mes amis. Je raffermis ma volonté d'œuvrer pour améliorer la qualité de vie de tout un chacun et je concentrerai tous mes efforts pour développer la Nation.

Ensemble nous irons de l’avant pour réaliser le défi que nous avons relevé : celui de ériger un Madagascar nouveau, qui dresse la tête, développé, pour être la Fierté de tous les Malagasy.

Beaucoup de projets nous attendent. Quelles que soient les difficultés qui peuvent survenir pour les entraver, l’année 2011 sera « l’Année du Défi et du Développement ».

Je fais de ce défi un devoir que nous accomplirons ensemble et que nous réussirons à concrétiser, Amis Malagasy.

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana,

A la veille du nouvel an, je vous souhaite à tous, à vous et à vos familles respectives, ce qu’il y a de bien et de meilleur. Que tous nous puissions accueillir ce Nouvel An 2011 dans la Santé, la Sérénité et l’Allégresse !

Que l’Amour -inscrit dans la devise de la république- règne sur notre Nation.

Nous avons confiance en l’Avenir et nous avons confiance en la bénédiction de Dieu

LA PATRIE EST SACREE !

Misaotra Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy !

Traduction : Jeannot RAMAMBAZAFY

Mis à jour ( Lundi, 03 Janvier 2011 08:45 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO