]
Les quotidiens du 18 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Marc Ravalomanana: tsy nisy resaka Robinson mihitsy, fa «izaho» ihany

Marc Ravalomanana: tsy nisy resaka Robinson mihitsy, fa «izaho» ihany

Aza matahotra ianareo fa totohotra fiakarako foana e !

Efa manomboka sady izany ny fizahozahoana ataon’ingahy Ravalomanana, filoha teo aloha nitsoaka ao Afrika atsimo ao, ary tsy afaka miala ao satria ilain’ny fitsarana ao an-toerana. Niditra nivantana tamin’ny alalan’ny telefaonina toa ny fanaony izy, ny asabotsy 2 Novambra teo, ka dia tsotra: tsy niova ny lehilahy fa toa izy mihitsy no kandida filoham-pirenena ka tsy nisy resaka momban’i Jean Louis Robinson mihitsy fa fandresany manokana mihitsy no nandraisan’iny fiodinana voalohany iny.


Teo Andohotapenaka, taona 2009: Aza matahotra ianareo fa “raha mbola misy tany totofana any dia mbola ho totofako”. Dia hitohy indray izany io “fampandrosoana” io… TSINDRIO ETO

“Aza matahotra ianareo fa hanome toromarika vaovao aho mba hampahomby antsika”, hoy izy, mikasika ny fiodinana faharoa. Tsy nanakana azy mbola nandrebireby tamin’ny hoe “raha toa misy izany”. Ary dia nakarina avo dia avo ny Amerikana “niarahaba fa voasakana ny mpanongam-panjakana”, ka nanome toky mihitsy ny tenany fa “tsy maintsy miverina ny fandriampahalemana, ny mpamatsy vola mba hahafan’ny olona misy fidiram-bola, mampianatra ny zanany. Izay ny fepetra NAPETRAKO tamin’ny mpamatsy vola, raha manampy AHY ianareo” (io ianareo io moa dia ireo gasy kely hifidy ilay dokotera vazaha be tsy misy hazon-damosina. Izany hoe atao totohotra fiakarana fotsiny ny gasy kely tsy ampy fahalalàna ka mora rebirebena amina kabary tsara lahatra). Ary dia i Neny no tena nankasitrahany fa tsy ilay kandida faha-33, Jean Louis Robinson. Adino sahady ity dokotera mba manana ny maha izy azy…


Kandida 33. Nilaza tamin’ireo mpanao gazety vahiny mihitsy ity kandida laharana 33 ity -izay mizaka zom-pirenena frantsay ihany koa- fa mpikambana ao amin’ny antoko sosialista frantsay. Iza no fetsy (ratsy)? Izy sa i Dada Ravalo? Vazaha be frantsay sa gasy amerikana be fika?

Inona no dikan’izany rehetra izany? Lehilahy 90 kilao lasa saribakoly tokoa ingahy judoka raha izany fa vava be fotsiny (“Herim-boatay”) ireny tao aminy Tv Plus ireny ! I Neny amin’izany dia efa mangalatra “départ”. Satria hoy ny vadiny: “Amin’izao isika miresaka izao dia any Antsirabe izy manomboka manao sahady ny fitsidihana sy ny mijery ny zava-misy any an-toerana”. Tsy misy afaka manakana azy tokoa satria tsy kandida mivantana i Lalao Ravalomanana. Na izany aza dia toa diso mahatoky tena loatra ingahy Dada Ravalo. Efa tsy voatanisa intsony ilay hoe: “hody aho, hiverina aho”. Anjaran’ny tsirairay ny mieritreritra fa ity manaraka ity ny tsiahin’ny tantara.


Ny Profesora Zafy Albert (sy ny satroka penjiny), filohan’ny HAE izay niala avy tamin’ny tolon’ny Hery Velona. Iza no niteny fa mpanongam-panjakana izy, tamin’izany fotoana izany?

1991 (22 taona lasa sahady izay): niakatra teo amin’ny fitondra ny Profesora Zafy Albert. Tsy nisy na iray aza nilaza fa mpanongam-panjakana izy sy ny HAE (“Haute autorité de l’Etat”), nitarika ny tolom-bahoaka tamin’izany fotoana izany, ary voafidy ho filoham-pirenena izy ny taona 1993. Fa tratry ny “empêchement” izy ary niverina indray ny Amiraly Ratsiraka, ny taona 1996, tamin’ny alalàn’ny fifidianana.


1996: niverina i Deba dia nivarina ny firenena malagasy

Fa izao ny zava-nisy: raha niverina ny Amiraly dia NIVARINA tanteraka ny firenena. Niafarany ? Iny nanaovan’i Ravalomanana amboletra tamina “premier tour dia vita” ny taona 2002 sy ny tsy fanajana ireo fifanarahana tao Dakar. Ny Tantara, hono, miverimberina foana. Raha lany eo izany ilay saribakoly be dia hiatrika ny fanenenana sahady ny gasy kely. Fa amin’ity indray mitoraka dia mipetraka ny fanontaniana: amin’ny fomba ahoana tokoa ingahy Ravalomanana no mino tanteraka fa hanaraka ny baikony tokoa ity Jean Louis Robinson izay mizaka zom-pirenena frantsay. Lafrantsa izay fahavalon’ny Ravalomanana satria, hono, taorian’ny fanonganana azy.

TANDREMA ARY FA TADY HIVERINA TOKOA NY TANTARA. ADILAHY POLITIKAN'OLON-DROA FOANA FA NY FIRENENA TSY HANDROSO MIHITSY

Dia hisy izany ny “empêchement” afa kely ka i Dada mihitsy no hikotroka izany hafahany misolo mivantana an’io dokotera tafalatsaka lalina ity? Dia ho sahiny tokoa ve ny hampamono azy (vakio ny lahatsoratra etsy ambany)? Ny valiny ? Eo am-pelatanan’ny gasy kely tokoa ny hoaviny…

Jeannot Ramambazafy – 3 Novambra 2013

*************************************


LA GAZETTE DE LA GRANDE ILE, Lundi 21 Octobre 2013

Jean Louis Robinson: Hovonoin-dRavalomanana ?

Tsy maintsy maloto ve ny vontoatin’ny politika ? Izany no mby an-tsaina, ary toa manamarina ny fandraisan’ny olona sasany ny antsoina hoe “Politika”, raha vao nandre ity vaovao iray ity

Ny antony nahatonga an-dRavalomanana ho nanapa-kevitra tampoka fa hanohana ny kandida Jean Louis Robinson amin’ny fifidianana filohampirenena izao dia ny tetika hiverenana haingana tsy amin’ny alalan’ny fifidianana eo amin’ny familiana ny raharaham-pirenena.

Voalohany aloha dia tampoka ny fanapahan-kevitr’ingahy Ravalomanana hanohana an’i Jean Louis Robinson satria niaraha-nandre ny antso an-tariby nataony avy any Afrika Atsimo fa “tsy handray anjara amin’ny fifidianana raha vao nolavina ny firotsahan-kofidian’i Lalao Ravalomanana”.

Kepoka tsy nahenoam-peo avokoa ny mpiara-dia tamin’ny ankolafy Ravalomanana raha nandre an’izay satria nanantena ny maro fa hanolotra olona hofidiana hisolo an-dRtoa Ravalomanana Lalao amin’ireo nitarika ny hetsik’ity ankolafy ity ingahy Ravalomanana raha vao nolavina ny firotsahan-kofidian’Ii Lalao ravalomanana. Nanantena ny mpiara-dia amin’izy ireo fa raha tsy i Botozaza Pierrot dia mety ho i Mamy Rakotoarivelo na i Guy Rivo Randrianarisoa no hatolotra.

Tampoka teo anefa dia i Jean Louis Robinson no hoe hotohanana.

Voalohany aloha, vokatr’izay fanapahan-kevitra izay dia hita fa somary nanepoka ny maro amin’ireo fahita ho lohandohan’ny mpisorona ao amin’ity ankolafy ity, ary voalohany amin’izany ireo anarana telo notsongaina etsy aloha ireo.

Faharoa, ny antony nanapahan-dRavalomanana ny hanohana an’i Jean Louis Robinson, dia satria fantatr’ingahy Ravalomanana fa manana aretina mitaiza azy ity kandida avy amin’ny antoko Avana ity, ka mety tsy hateza eo amin’ny fitondrana raha ho lany.

Talohan’ny fanapahan-kevitr’ingahy Ravalomanana hanohana an’i Jean Louis Robinson mantsy dia nisy fandidiana fo natao tamin’i Jean Louis Robinson tao Afrika Atsimo tao, ary fantatr’ingahy Ravalomanana ny ho akon’izay fandidiana izay. Izy sy ny Dr Jean Louis Robinson rahateo nifanaraka fa hampody an-dRavalomanana raha lany, ary tsy vitan’ny fampodiana fotsiny fa hotendrena ho loholon’i Madagasikara mihitsy ingahy Ravalomanana, ary hokendrena ny hahalasa filohan’ny Antenimierandoholona azy. Ny dikan’izany dia tsy maintsy ny fiandrandrana ny toeran’ny filohan’ny Repoblika avy hatrany no efa masaka ao antsain-dRavalomanana. Handrasany kendry tohana izany ny ho fihetsehan’ny aretim-pon’i Jean Louis Robinson mba tsy ho afaka misahana ny asan’ny filohampirenena izy, ka ingahy Ravalomanana no hiakatra avy hatrany hiandraikitra ny asan’ny filoha amin’izay fotoana.

Fa ny mety halehan’ny fisainan-dratsin-dRavalomanana koa dia mety tsy hiandry ny ho fitrangan’ny krizim-pahasalaman’i Jean Louis Robinson izy fa hikaroka hevitra ny hamoriana an’ity kandidan’ny antoko Avana ity mihitsy dia vita ho azy ny resaka rehetra

Misy sehatra mampahazo vahana izay resaka izay izao tamin’ny faran’ny herinandro teo iny ka dia hiaraha-mahita eo ny ho fivoaran’ny raharaha e !

Mis à jour ( Dimanche, 03 Novembre 2013 04:41 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques