]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Madagascar: 07.02.2009-07.02.2014. Tsy adino mandrakizay

Madagascar: 07.02.2009-07.02.2014. Tsy adino mandrakizay

 

Kianjan'ny 13-Mai, ny 7 Febroary 2009 maraina. Nanontany tsara ny PM Monja Roindefo hoe : " Mila birao ny Praiministra, ka rahoviana no ho any ? ". " Izao dia izao ! ", hoy ny vahoaka manontolo. Loza ny tohiny... mitovy ny tamin'ny "Diaben'ny Fahafahana" ny 10 Aogositra 1991, notarihin'ny Profesora Zafy, teny akaikin'ny Lapan'Iavoloha. Ny namana Ando Ratovonirina, cameraman (RTA) toy ny nataoko io amin'ny sary ambony io, no maty voatifitra teo amin'ny tendany io 7 Febroary 2009 io.

+++++++++++++++++++++++++++


++++++++++++++++++++++++++++++

Dimy taona lasa izay.

Afaka mamela eloka fa tsy hanadino mandrakizay ny vahoaka Malagasy !

Le people malagasy peut pardonner mais n’oubliera jamais !

The Malagasy people can forgive but will never forget !

TSINDRIO ETO

Teo amin’ny Tantaran’ny tolona teto amin’ny Firenena Malagasy, mba inona, hono, ny mba nataon’ireo manodidina akaiky an’Ingahy Hery Rajaonarimampianina, ka nahatonga azy ho Filoha voalohan’ny Repoblika faha-efatra? Ary mba taiza, hono, izy rehetra ireo tamin’ny tolona namaivay niainana teto amin’ny Firenena ? Tolona izay namoizana ain’olona daholo ? Tsy hita tabilao na tamin’ny taona 1972, na 1991, na 2002 na 2009. Toa zary fanomezana ho an-dry zareo iny nahalany an’Andriamatoa ministry ny vola tao amin’ny Tetezamita, ny 20 Desambra 2013 iny…

Ny marina, marina ihany ary ny marina tsy ho faty naoviana naoviana, ary tsy afaka miandry zato andro hampahatsiahivina izany toe-javatra misy izany. Samia manontany ny manodidina azy hoe: efa mba hitanareo teny amin'ny 13-Mai ve ireo olona "nahazo" fahefana ireo ?


Ka tena fantany tokoa va re ny fahorian’ny vahoaka Malagasy tsy maintsy nitraotra, niady amin’ny jadona sy ny tsy rariny sy tsindrio fa lavo izay toa hiverina tanteraka atsy ho atsy, raha ny fomba amam-panaon’ireo no tarafina dieny izao manomboka izao ? Samia ho velon’aina fa fohy izany hoe dimy taona izany eo amin’ny fiainam-pirenena iray manontolo: ny mpitondra mandalo fa ny Firenena -izay vahoka ao anatiny- dia mitoetra mandrakizay. Ary ny tolona dia mitohy ary hitohy foana satria hiadivana izany fahafahana izany fa tsy fanomezana velively.

Tena diboky ny afaliana ianao teo, fa iray volana sahady no lasa, Andriamatoa minisitry ny Tetezamita lasa Filoham-pirenena voafidy.

Ilay Filoha vaovao aloha mety hahataty tsikera ihany, fa ireo manodidina azy ? Haveriko eto ho azy ireo (maro ny mahalala aho amin'izy ireo, fa tsy te-halala intsony satria "tafita"..., nefa ny fahaizana tsy mankaiza fa mangala-tahaka eny ihany, tsy misy maha Malagasy azy intsony...) f’efa nitolona aho tamin’ny 13 May 1972; natao takalon’aina aho ny taona 1991, niaina ny tsy fisiana tanteraka ny taona 2002 ary saika maty teo Antaninarenina io 7 Febroary 2009 io. Fitiavana ny Tanindrazana daholo izany. Fa ry zareo “nahazo” fahefana ireo ?

Handaza any amin’ny “Filoha hajaina” fa izaho indray ny ”Fahavalo” fa tsy ny fahantrana mianjady amin'ny vahoaka atao tsinontsinona foana ?

Efa nalaina tahaka ny kabarin'ny Filoha frantsay Sarkozy, dia izao indray dia ny "site officiel"-ny "Maison-Blanche"-ny Filoha Obama indray no nalain-tahaka. F'aiza ilay maha-Malagasy ary aiza ilay fahaizana mamorona e ? Tsy afaka natao an-tsisiny, ohatra, ilay Lapa eo ampovoany ? Taratry ny peta-toko daholo izany ka misy azy indray ny eso eso ho hita ao amin'ny tranon-kala. Marina e ! Tsy fiarovana ny Filoha izany fa fanambaniana azy io ala-tahaka lava io. Efa mety manova ry zalahy izao fa ireo aloha no nisy, hijanona ho an'ny Tantara. Tsara ny miheno fanakianana fa tsy ny olona makakiana aminy ara-dĂ lana no enjehina. Sasa-poana ihany izay manao izany, Tompoko...

Tsy manompo na manompa olona aho, Tompoko, fa manompo ny Firenena izay hilevenako, ary anisan'ny vahoaka aho alohan'ny hoe mpanao gazety. Tadidio mandrakariva izany alohan’ny hanaotao foana, atsy ho atsy, ka hanenina làlan-dava aoriana ao (hamerina sivana tampoka, ohatra satria tsy hahataty ny "la vérité blesse"). Satria manomboka mitaraina ireo vahoaka ireo, fa ny manodidina anao mbola jamban'ny kajikajin'izy samy irery, amin'ny anaranao. Izaho no tena akaikin'ny vahoaka fa tsy ireo velively akory. Mila olona tena tia tanindrazana ianao, Andriamatoa Filoha, fa tsy olona tia fahefana na tapohiny nahazo izany nefa tsy niadivany akory. Eo ny tena lesoka goavana. Farany: tsy "médiabolique" akory ny www.madagate.com nanomboka ny 15 Febroary 2001 -15 taona lasa izay-, fa mampita vaovao mipetraka eo amin'ny zava-misy sy notrandrahana lalina. Tsy manely tsao koa ary tsy mamorona vaovao, hanatsara na hanaratsy zavatra ary na dokam-barotra aza tsy misy eto aminay hatreto. Tsy manao ary tsy hanao toan'ny MIDI MADAGASIKARA (etsy ambany) ka nampihetsika tampoka ny minisitra Harry L. Rahajason na ny namana Rolly Mercia. Satria ao anaty ara-dàlana tokoa Madagasikara izao.

Jeannot Ramambazafy – 4 Febroary 2014


Mis Ă  jour ( Jeudi, 06 FĂ©vrier 2014 01:55 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety