]
Les quotidiens du 18 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Tolona ara-politika. Tafatsangana ny Vondron’ny Tia Tanindrazana ho an’ny fanarenana an’i Madagasikara

Tolona ara-politika. Tafatsangana ny Vondron’ny Tia Tanindrazana ho an’ny fanarenana an’i Madagasikara

FANAMBARANA

Izahay mpikambana amin’ny Birao Nasionalin’ny « Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar (CRAM) » dia manao izao fanambarana manaraka izao.

Tafatsangana tamin’ny zoma 22 septambra 2017 ny Vondron’ny Tia Tanindrazana ho an’ny fanarenana an’i Madagasikara na ny « Front patriotique pour la reconstruction de Madagascar (FPRM) ». Ny CRAM dia isan’ireo Fikambanana mpanorina izany Antoko izany.

Ny FPRM dia miara-miaiky amin’ny olom-pirenena maro an’isa fa :

* Mitaky « OLOM-BAOVAO » ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny 2018. Olom-baovao matahotra an’Andriamanitra, vonona amin’ny fanovana ny rafitra sy ny toe-tsaina, ny ady amin’ny fahantrana sy ny kolikoly avo lenta marina ary ny fametrahana firenena tsara tantana sady tan-dalàna, hanangana firenena vanona, manana vinam-piaraha-monina maty paika (projet chiffré) amin’ny fanorenana ifotony sy ny fanarenana an’i Madagasikara (refondation de l’Etat) ;

* Tena leo an’ireo mpanao politika mpamadika palitao sy tsy maty manota miverimberina eo amin’ny fitondrana. Mpanao politika nigalabona tamin’ny harem-pirenena sady mangataka « famotsoran-keloka faobe » ankehitriny ary mbola homena volabe indray izy ireo sy ny mpiray petsapetsa taminy izay lasa « gadra politika » tsy fidiny mba hanonerana ny fananan’izy ireo simba na may vokatry ny fahatezeram-bahoaka nampahantrainy izay nampindrana azy ireo ny fahefana  ary voatery nanala azy ireo teo amin’ny fitondrana nohon’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena sy ny tifitra vary raraka nataony tamin’ny mpiray tanindrazana taminy izay tsy mba nahazo fanonerana avy amin’ireo « mpanao politika galy fantsy » ireo akory ny fianakavian’ireo nanana ny maty sy nitondra takaitra tamin’izany (…).

* Taorian’ny kabary nataon’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina – Filoham-pirenena malagasy nandritra ny Fivoriambe faha 72 ny Firenena Mikambana tany New York ary ny tsy firosoan’ny fitondram-panjakana ankehitriny amin’ny « Loabary an-dasim-pirenena ho an’ny fanorenana ifotony sy ny fanarenana an’i Madagasikara » (Forum national pour la refondation et la reconstruction de Madagascar) dia mila mamadika pejy vaovao ho fiarovana ny Fiandrianam-pirenena sy ho fanarenana an’i Madagasikara ny vahoaka malagasy.

NOHO IREO ANTONY IREO DIA:

Handrotsaka kandidà tena “OLOM-BAOVAO” ny Vondron’ny Tia Tanindrazana ho an’ny fanarenana an’i Madagasikara na ny « Front patriotique pour la reconstruction de Madagascar » (FPRM).

Toy izao manaraka izao no foto-kevi-dehiben’ny FPRM amin’ny raharaham-pirenena izay harosony amin’ireo olom-pirenena hifidy izay ho Filoham-pirenena amin’ny taona 2018, dia ny:

* fanavotana ny tanindrazana iombonana amin’ny famerenana ny hasin’ny firenena sy ny firaisam-pirenena amin’ny fananganana ny Tranoben’ny Fihavanana malagasy;

* fiarovana toy ny anakandriamaso ny Firaisam-pirenena, ny Fiandrianam-pirenena , ny Soatoavina Malagasy, ny fitsinjarana ara-drariny ny harem-pirenena isam-paritra;

* fametrahana marina ny fanjakana tsara tantana sy tan-dalàna ary ho lavitry ny kolikoly avo lenta ka ho modely amin’izany ny mpitondra isan’ambaratongany;

* fitsitsiana ny volam-bahoaka amin’ny fampihenana ny isan’ny Andrim-panjakana, fametrahana ny faritra mizaka tena miisa 24, ny fanafoanana ny toeran’ny Praiminisitra, lasa 12 sisa no isan’ny minisitera, 24 no isan’ny Governoran’ny Faritra. Mitaky ny fanovana ny Lalàmpanorenana izany fanovana rafitra izany raha eken’ny olom-pirenena mpifidy ary voatery tsy maintsy hiroso amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka isika Malagasy aorian’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny 2018;

* fanajana ny tety andron’ny fifidianana isaky ny dimy taona sy ny fandraisana andraikitry ny fiaraha-monim-pirenena amin’ny fampianarana ny mpifidy sy ny fisian’ny “délégué” avy amin’ny Vovonan’ny fiaraha-monim-pirenena isaky ny birao fandatsaham-bato izay mampita ny voka-pifidianana amin’ny alalan’ny teknolojia avo lenta ka fantatra amin’ny 9 ora alina amin’ny andron’ny fifidianana ny vokam-pifidianana manerana ny Nosy mba hialana amin’ny fangalaram-bato na fanodikodinana ny vokam-pifidianana izany no hatao dia mba hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara. Raketina ao anatin’ny Lalàna vaovao mifehy ny fifidianana vaovao izany. Marihina fa ny birao fandatsaham-bato dia misokatra amin’ny 6 ora maraina ary mihidy amin’ny 4 ora hariva. Hita ao anatin’io Lalàna vaovao mifehy ny fifidianana koa ny famerana ny vola ampiasain’ny kandidà amin’ny fampielezan-kevitra, ny fanaraha-maso ny “compte bancaire” ny Antoko politika mandrotsaka kandidà, ny fandrarana ny fizarana thee short, vary, menaka, fizarana vola (…) hividiana ny vaton’ny mpividy (…).

* fanovana ny rafitra miainga amin’ny “fokonolona” fototry ny firenena, ny rafitra ara-toekarena sy ara-bola, ny rafitra ara-tafika dia ny fanafoanana ny fanompoam-pirenena (zaza vao) fa lasa fifaninanana no hidirana miaramila; ny rafitra ara-tsosialy amin’ny endriny rehetra mihitsy (…);

* famerenana amin’ny laoniny ny fandriampahalemana ka ny Tale Jeneralin’ny filaminam-bahoaka eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany no mibaiko sy tompon’andraikitra voalohany.

* fametrahana ny miaramila amin’ny toerany amin’ny fiarovana ny « toe-karena manga » sy ny tanindrazana. Raha handray anjara amin’ny raharaha politika ny miaramila iray dia mametra-pialana vonjy maika izy;

* fanohizana ny ezaka amin’ny famerenana tsy misy hatak’andro ireo Nosy Malagasy (îles éparses) izay hitoeran’ny harena nomen’Andriamanitra an’i Madagasikara mba hanarenany ny toekareny sy ny sosialim-bahoaka ka hiova endrika tanteraka ny fitakiana satria ny Filoham-pirenena vaovaon’ny Repoblika faha dimy (5) sy ny fitondram-panjakana manontolo ary ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy no miara-mientana amin’ny fihetsiketsehana goavana ho hitan’izao tontolo izao. Lavina tanteraka raha sanatria ka nety nisy fifanarahana miafina nataon’ny mpitondra nifanesy tamin’ny fitondram-panjakana frantsay satria fananana iombonan’ny Malagasy manontolo ireo NOSY MANODIDINA ireo ka ny vahoaka no masi-mandidy sady tompon’ny teny farany amin’ny fananany fa tsy ny Filoham-pirenena izay nampindramin’ny vahoaka ny fahefana akory. Tsy maintsy hifampiherana amin’ny vahoaka any ifotony ny fanampahana ny raharaha goavana rehetra eto amin’ny firenena amin’ny Repoblika faha dimy (5);

* fananganana ny “Banky Nasionaly ho an’ny Fanarenana an’i Madagasikara (BNFM);

* fanaovana “audit national” ny toeram-pitrandrahana rehetra eto Madagasikara;

* fanafoanana ny fifaninanana tsy ara-dalàna (concurrence déloyale) mianjady amin’ny mpandraharaha Malagasy;

* fanamafisana ny ady amin’ny fahantrana, ny tsy maty manota, ary ny fandravana ny kolikoly avo lenta sy ny fanodikodinana ny volam-panjakana;

* fampiharana ireo tetik’ady maty paika amin’ny “revolisiona maitso” izay handraisan’ny tanora manao fanompoam-pirenena ivelan’ny tafika anjara mavitrika sy ny “revolisiona ekolojika” mba hiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny hafanan’ny tany. Hamorona asa vaovao ho an’ny vahoaka Malagasy izany ary hiafara amin’ny fananganana indostria isam-paritra ao anatin’ny taona vitsivitsy monja. (…).

Mitaky olom-baovao tia tanindrazana, manana traik’efa sady sahy ny fanatanterahana izany andraikitra goavana izany satria ny tanjon’ny FPRM dia ho lasa “FIRENENA VANONA I MADAGASIKARA”.

Marihina fa aorian’ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny kandidà ho Filoham-pirenena hatolotry ny FPRM ny olom-pirenena hifidy amin’ny 2018 dia hisy ny fanazavana amin’ny antsipirihany ny VINAM-PIARAHA-MONINA MIARAKA AMIN’NY TAREHIMARIKA MBA HANARENANA AN’I MADAGASIKARA izay homen’ireo teknisiana mpikambana amin’ny “Vondron’ny Tia Tanindrazana ho an’ny fanarenana an’i Madagasikara” na ny « Front patriotique pour la reconstruction de Madagascar » (FPRM).

Masina ny Tanindrazana.

Andriamanitra miaro an’i Madagasikara.

Alasora, faha 25 septambra 2017

JOEL HARISON Marie René

Président Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar (CRAM)

Mis à jour ( Lundi, 25 Septembre 2017 07:23 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO