Tale lefitry ny CEDS (Centre dâĂ©tude diplomatique et stratĂ©gique) ity manamboninahitra miaramila avy any Atsimo atsinanan'ny Nosy ity, nandalo tao amin'ny ACMIL ("AcadĂ©mie militaire d'Antsirabe") toa Thomas Sankara ("La Patrie ou la mort, nous vaincrons"). Saingy, indrisy, lavitry ny afo ny kitay...
Efatra taona mahery be izao no nambotrinâny fitondrana Hvm ilay firenena malagasy. Efatra taona mahery ny vahoakany no niharitra, niandrandra fifidiana madio, marina sy andraisanâny rehetra anjara. Tsy nety anefa ilay filoha Hery raha tsy nikitikitika ny lalĂ na hafahany mangala-bato ara-dalĂ na. Tsy misy maha voalaza ny kolikoly avo lenta be nividianana 50 tapitrisa ariary (12.000 euros) isany ireo solombavambahoaka nandany izany lalĂ na tsy nampahafantarana ny vahoaka mpifidy akory, toa ny mahazatra nandritra izay efatra taona mahery izay.
Rehefa nitsangana ary ireo solombavambahoaka miisa 73 (aminâireo mitontaly 150 satria mbola tsy nisy nandimby Itompokolahy Abdillah), mba hanao tatitra aminâny vahoaka eo aminâny Lapanâny TanĂ nanâAntananarivo, dia nosakanana ka niafara taminâny fitifirana Malagasy. Roa no fantatra fa maty (be noho io isa io no tena marina), maro ireo naratra. Ny 21 avrily 2018 io vononâolona io nahazoana baiko avy aminâilay filoha Hery, Lehibe fara-tamponâny hery mpitam-piadiana, izay nilefy tany ivelany roa andro talohanâio vononâolona toa taminâny 13 May 1972, 10 Aogositra 1991 ary 7 Febroary 2009. Ny harivanâio 21 Avrily io ihany dia nanao fanambarana ny PrĂ©fet de police, ny Jeneraly Angelot fa najanony ny baiko nomeny hanakanana ny mpitolona (satria efa nisy maty) ho eo aminâny Lapanâny TanĂ nana izay niverina ho Kianjanâny 13 May. Ary dia nilaza izy fa tsy afaka mametra-pialĂ na izy satria tsy manana lefitra fa miandry ny fotoana handroahana azy izy.
Ny ampitsony Alahady 22 Avrily 2018, mbola tsy nigadona teto an-tanindrazana akory izy dia nanome baiko ny miaramila andrakotra ny arabenâny Fahaleovantena, tsy azoana, na Malagasy iray aza, mandeha eo aminâny Lapanâny TanĂ na. Nakotakana ho fotoam-pivavahana fanomezam-boninahitra ho anâireo maritiora voatifitra anefa io Alahady io. Tampoka teo anefa -nolatsahinâny fanahy masina angaha ireo Lehibenâireo hery mpitam-piadiana ?-, dia niala sahala aminâny tsy teo ireo miaramila, zandary ary polisy nandrakotra ny arabe ao Analakely. Tontosa ihany izany ny fanomezam-boninahitra ny maty.
Ny ampitsonâio andro io ihany koa dia nanao fanambarana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena fa tsy natao ho herim-pamoretana ny miaramila, zandary sy polisy ary ny olana politika dia resaka politika ihany no mahavaha azy ka ny asany dia hitandro filaminana sy hiaro ny vahoaka ary ny fanananâizy ireo. Velombolo ny Malagasy iray manontolo izay nangataka ny fialanâi Hery Rajaonarimampianina izay mihosin-drĂ ny tanĂ ny toan-dRatsiraka sy Ravalomanana nilaza ihany koa fa tsy hiala kanefa samy nandositra niala anâity Madagasikara ity. Nanomboka ny 23 Avrily 2018 ary dia nizotra am-pilamianana hatrany ny fihetsiketsehina notarihinâireo Solombavambahoaka 73 ho anâny Fanovana. Ary dia nitandro ny filaminana sy niaro ny olona sy ny fananany tokoa ireo hery mpitam-piadiana ka nihitatra any aminâny faritra ny tolona vaovao.
Tsy nanaiky ny heloka bevava, nitranga ny 21 avrily 2018, anefa ingahy filoha Hery teo aminâny fandraisam-peonâny Radio France internationale fa toa ny maty indray no voalatsa ary namaivaniny tsy nasiany teny fiononana na iray segondra aza fa izy, hono, ny rainâny firenena voafidina vahoaka an-tapitrisany. Odoie, hoy ny hira fahiny tsy tontanâny ela izayâŠ
Ary dia nahazo hery indray ny asanâny maizina aminâny alĂ lanâny vola. Tsy mila porofoina izany fa jereo manomboka izao ny fomba fiainan-dry zalahy, ny fitondran-tenanyka hipoitra aminâny tsy ampoiziny ny marina. Taorianâny filaharambe tsy nanam-paharoa niseho ny 1 Mey 2018 dia tsy nitana ny teny nomeny ilay Jeneraly be kintana be (« GĂ©nĂ©ral de Corps dâArmĂ©e ») fa dia nanao fanambarana feno fandrahonana tsotra izao.
Tsara tsipihina an-tsoratra eto, ho anâny Tantara -satria ny soratra mitoetra- fa ny namaky ny fanambarana dia ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, Jeneraly Rasolofonirina BĂ©ni Xavier, izay natrehanâny minisitry ny Filaminam-bahoaka, Andrianisa Mamy Jean Jacques, ContrĂŽleur gĂ©nĂ©ral de police, sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, Jeneraly Randriamahavalisoa R. Girard ankehitriny ary ireo manam-boninahitra ambony maromaro toa aminâireny tany miady atsy Afrika atsy. Tsy olom-boafidy ireo fa notendrenâny Filohanâny repoblika izay lehibe faratamponin-dry zareo araka ny lalampanorenena efa maty hasina voahosihosy tanteraka
Ka tsotra ny valinteninay mpanao gazety eto aminy madagate, Andriamatoa Jeneraly BĂ©ni Xavier Rasolofonirina : ho jeren-tsika eo iza marina no ho tsarainâny Tantara ? Izahay mpanao gazety mandra-maty ve sa ianareo tenditendrena izay tiana ary roahina izay tiana koa? Mino ve ianareo fa tsy ho lasa saina ireo miaramila, zandary ary polisy ho baikonareo fa tsy nandray vola amina miliara ianareo, ka firy ny anjarany aminâizany kanefa ry zalahy no hamono mpiray tanindrazana satria tadidinareo tampoka teo ireo lalĂ na notanisaina amina feo mira mompera ireo? Eto dia averiko fa ny manao soa tsy mba mahafaty antoka, fa ny manao ratsy ho enjehin'ny nataony ary ny hery tsy hahaleo ny fanahy na oviana na oviana. Efa resy ny tahotra eo aminâireo Malagasy an-tapitrisa nampahantrana tao anatinâizay efatra taona izay.
Manomboka eto izany dia tsy ny mpanao kolikoly, tsy ny mpivarotra tanindrazana sy ny dahalo ambony latabatra izany ny fahavalonareo hery mpitam-piadiana malagasy fa ny vahoaka tsy mandady harona tsy mahalala izay lalĂ na akory ary ny olo-marina eto aminâny firenena sy ny mpanao gazety efa amam-polo taonany toa anay. Mazava ka alefaso ary ka firy ny ho gadraina sy ho vonoina indray vao ho tonga saina fa tsy voavidy vola ny fahafatesana ?Tsy vao ianareo ireo anie no nanao io ramatahora io e!? Nitondra aizy nankaiza ny "Tsy hiala aho!", nizingizin'i Didier Ratsiraka, ny taona 1991? Ahoana tokoa moa no niafaran'ny tranon'ny Jeneralyy Tsaranazy, ny taona 2002, ary nitondra an'i Marc Ravalomanana aiza ny "tsapao aloha ny herinareo vao mitsapa ny aty", ny taona 2009? Niditra amin'ny kilaodaoka ianareo sady vonona hamono olona satria hoe manaja lalĂ na. Misy, tompokolahy isany ny hoe "crimes de sang" sy "gĂ©nocide" enjehin'ny lalĂ na iraisam-pirenena. Ka mba haontanio ihany ny mpitsara Marcel Ranjeva e! Io mantsy ny zavatra hitranga satria tsy ho voafehinareo ireo miaramila ambany grady toa ireo Frs nitifitra anay mpianatra ny 13 Mey 1972. Inona anefa no niafaran'i Philibert Tsiranana? Ny maty maty izy nitsingidina tamin'ny toerany nefa voafidy 98% mahery ny volana Janoary 1972. Mibaribary fa tsy mahalala ny Tantaran'i Madagasikara ianareo nomena galona be ireo fa jamba tanteraka amin'ireo vola adala tompo izay ireo ihany no hitsara anareo, toa ny nahavoa an'i Jodasy.
Farany, aza adino fa 99 andro ho anâny mpangalatra ary 1 andro ho anâny tompony. Toa 90 andro izay no lasa fa miomana daholo, na ny hitifitra, na ny ho faty na ny higadra na ny sisa tavela. Ary aza mihevitra nâinona nâinona fa manana mpandika teny daholo ny masoivoho miasa eto mamaky ity rakitry ny Tantaranâi Madagasikara ity. Tompon'ny baoty sy ny basy maro vava ianareo fa tsy ho tompon'ny fahefana velively! An'ny vahoaka ny fahefana araka ny savaranonandon'ny Lalampanorenana malagasy hoe:
Le peuple malagasy souverain (Ny vahoaka malagasy andriamanjaka),
Affirmant sa croyance Ă Andriamanitra Andriananahary (Mibaribary fa tsy matahotra an'Andriamanaitra ianareo be kintana ireo ary tsy mino koa fa ny tody tsy misy fa ny atao ihany no miverina. Ny fehiny: vonoy daholo izay manelingelina an'i Hery sy Voahangy Mivady fa efa nanozon-tena ianareo ireo ary hanangatra ny maty tsy hampatory anareo ary tsy hiy fiainana hilamina hatramin'ny taranakareo fara aman-dimby. Raha tsy izao dia mifoana sy mamerim-bola. Mbola tsy tara...
Raha ny vola no maha rangaha, ny fanahy kosa no maha olona. Safidy io. Fa io fanambarana nataonareo io dia vao mainka hampitombo ny alahelom-bahoaka ary hampiakatra ny atezerany. Sa izay ilay tadiavina hafahana handripaka azy? Dia avy eo? Satria hisy foana ny avy eo rehefa tsy eo intsony Hery sy Voahangy Mivady fa dila any... andilambato. Avelao y maty maty ihany fa baiko no notanterahina dia hifona? Ity lahatsoratra ity dia natao tsy hanadinoina indrindra ny adalana be nanaonareo omaly 2 Mey 2018, toa mpitsara nanameloka ho faty ny Tanindrazana iombonana iray manontolo, avela horobain'ny vahiny be vola be.
Jeannot Ramambazafy - Antananarivo, 3 Mey 2018
^^^^^^^^^^^^^^^^^^