Antananarivo, 26 Jolay 2016. KabarinâAndriamatoa Praiminisitra, Lehibenâny Governemanta, Ntsay Christian, nandritra ny fivoriana niarahana taminâireo PrĂ©fets sy Lehibenâny distrika, tao aminâny ministeranâny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ao Anosy
Tompokolahy sy tompokovavy,
Hafaliana ho ahy tokoa ny mifankahita amintsika rehetra, izay tomponandraikitra avy aminâny lafintany. Zava-dehibe tokoa ny androany, fotoana izay ahafahantsika mifampiresaka mivantana ary indrindra mifampihaino. Fotoana izay manan-danja ary apetraka eo ambaninâny fandraisantsika andraikitra eto anivonâny tany sy ny fanjakana.
Averiko ombieniombieny, fa izao governemanta izao dia tsotra, mazava ary tokana ny tanjona nametrahana azy, dia ny fanomanana ny fifidianana. Aoka hazava amintsika rehetra ny mahakasika izany, ny hevitra tera-bary, ny olona rehetra samy manana ny fahalalahany maneho ny heviny fa ny anjara asa, adidy, andraikitra miandry ny governemanta, eny ianareo koa dia ny firosoana aminâny fanomanana ny fifidianana. Ka manamafy izany ny tenako, mba tsy havilivily aminâny hevitra hafa na aminâny soson-kevitra hafa ny asa amanâandraikitra izay sahanintsika fa dia tokony havoitra ary hamafisina aminâizay tanjona iraisana izay.
Aminâizany fanomanana fifidianana izany, dia tao anatinâny fandaharanasanâny governemanta aminâny fanatanterahana ny politika ankapobenâny fanjakana dia misy teboka telo lehibe tsy maintsy ho raisintsika ho torolalana mba ahafahantsika manatanteraka izany :
Voalohany dia ny fitoniana, izay tsy anjara asanâny Praiminisitra, na ny Minisitra fotsiny fa anjara asanareo, na prĂ©fets, na chefs de district, na ireo tomponandaikitra rehetra eo aminâny lafintany rehetra manerana ny Nosy. Matetika ny zavatra henoko dia tsy mahavaha olana io Praiminisitra io. Nahoana no ny Praiminisitra irery no natao hamaha ny olona fa tsy misy fifandrombonana aminâizany? Ahoana ny ahafahanâny Praiminisitra haka fanapahan-kevitra aminâny zavatra iray raha toa ka miraviravy tanana ny mpiara-miasa aminy ary tsy mandray andraikitra? Ny fitoniana dia asa andavanandrotsika, hitantsika ny olana misy eo aminâny sehatra maro, fantantsika fa tao anatinâny roa volana lasa izay dia 31 ny dĂ©partements ministeriels izay nanana olana, satria nikatso ny raharaham-panjakana, aminâizao fotoana izao, 04 sisa. Aminâizao fotoana izao dia miisa 30 ny ministera ny dikanâizany dia 26 izany no efa voavaha ny olany. Aminâizay 04 izay dia misy anjara toerana, misy anjara asa izay tokony sahanintsika ao aminâny lafintany. Ny fitoniana izany dia tsy baranahany, fahaizantsika mifanakalo hevitra, mametraka ny atao hoe dinika sĂŽsialy, na dinika ankapobeny mba ahafahana miheno fa indrindra mijery ny vahaolana mifanandrify aminâny anjara asantsika tsirairay.
Ny zava-misy any aminâny faritra sasany, ny ankizy izay tia hanao fanadinana dia sakanana, kanefa mijery fotsiny isika tomponandraikitra. Ny arabe izay tokony hifamezivezena raha ny tokony ho izy dia bahanana, kanefa dia mijery fotsiny isika tomponandraikitra. Ny fitoniana dia fifampiresahana kanefa ao anatinâny fanajana ny didy aman-dalĂ na, ary manana andraikitra aminâizany isika rehetra izao. Satria isika izao no mametraka ny fahefam-panjakana any aminâny toerana misy antsika, nanaiky izany isika taminâny asa sahanintsika sy nanendrena antsika tsirairay.
Ny faharoa dia ny mahakasika ny fandriampahalemana, fantantsika izany fa goragora eto aminâny tany sy ny fanjakana, tsy mahamenatra ny miteny izany. Ny fahaizana mahatsapa fa izay tokoa ny zava-misy, satria rĂ Malagasy, aina Malagasy no latsaka, vokatry ny asan-jiolahy, ny asan-dahalo, ireo trafika maro isan-karazany, ao koa ny kidnapping sns. Ahoana moa no ahafahantsika mijery fotsiny ary tsy mahafantatra ny paikady tokony ho raisina mahakasika izany zavatra izany kanefa manana andraikitra isika rehetra manoloana izany.
Aminâizany fandriampahalemana izany dia zavatra efatra no tokony apetrakâisika manomboka izao :
· Tsy maintsy averina ny hasinâny fahefam-panjakana, izay miankina amintsika izao. Matoa tsy misy intsony izany hasinâny fahefam-panjakana izany, miainga any ifotony ka hatrany ambony dia manana anjara andraikitra aminâizany isika rehetra izao. Ahoana ny ahafahana mametraka izany raha ao anatinâny kolikoly sy ny tsolotra ny zavatra ataontsika aminâny andavanandro. Ahoana no ahafahantsika mametraka izany hasina izany raha tsy hita akory ny leadership-tsika satria rehefa misy ny olana dia apetratsika ho anâny mpitandro ny filaminana fotsiny ihany ny fisedrana sy famahana ireny olana isankarazany ireny. Ahoana ny hamerenena izany raha isika izao, indrindra eo aminâny fitondrantenantsika, tsy mendrika omena izany hasina izany. Ny didy aman-dalĂ na misy rehetra eto aminâny tany sy ny fanjakana dia mametraka fa ny fibaikona ary ny fandraisana andraikitra eo aminâny sehatra rehetra aminâireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana rehetra dia tokony ipetraka, manana adidy aminâizany isika rehetra ireo. Mila mampiseho isika fa tena misy tokoa izany fahefam-panjakana izany eto aminâny tany sy ny fanjakana.
· Miankina aminâny fandraisana andraikitry ny mpitandro ny filaminana, ny zava-misy matetika, raha vao miteny isika hoe tsy mandrifahalemana ny tany, ny olona tonga dia miheritreritra fa ny mpitandro filaminana no tsy manao ny asany. Kanefa isika fahefam-panjakana no tokony anontaniana voalohany aminâizany. Ny mpitandro filaminana dia fitaovana, ny rafitra rehetra misy eto aminâny tany sy ny fanjakana dia mametraka izany, fitaovana eo ampelantanantsika ary isika no mandrindra ny asanâny mpitandro filaminana, an-tanandehibe ny polisy, any ambanivohitra ny zandary ary manome tanana ny tafika. Ny zava-misy dia miasa tsirairay, âen styloâ no filazako azy, ireny mpitandro ny filaminana ireny, ny antony dia tsotra, tsy hita taratra intsony ny fandrindrantsika ny asa miaraka aminâny mpitandro ny filaminana. Manana âsystĂšme de renseignements cloisonnĂ©â daholo izy rehetra. Ary izay no mahatonga ny tsy fipetrahanâny fitokisanâny vahoaka aminâny mpitondra aminâny ambaratonga rehetra any. Isika fahefam-panjakana no tokony ho tomponandraikitra voalohany aminâizany fandriampahalemana izany. Mila âobligation de rĂ©sultatsâ isika, tsy azo ekena mihitsy izany hoe misy manampahefana aminâny toerana iray ka tsy manana statistique aminâireo asan-dahalo fa ny fahatsapanâolona fotsiny no ahafantarana fa miakatra ny tahanâny tsy fandriampahalemana. Angatahana foana ny fametrahana ny DAS sy ireo hery fiarovana isan-karazany kanefa ny omaly tsy miova ihany ny tsy fandriampahalemana, tsy misy fiovana aminâireo toerana izay anjakanâny asan-dahalo ireny. Ahoana ny hisianâireny halatrâomby sy famotsiana omby maro ireny. Misy âdĂ©lĂ©guĂ© administrativeâ eo aminâny toerana efa ho 15 â 20 taona dia tsy kitihana mihitsy izy ireny, inona ny antony? Fanontanina mipetraka amintsika daholo ireny zavatra rehetra ireny, ary matoa miseho dia misy andraikitra tsy noraisintsika tao anatiny. Inona ny olana amintsika? Fantatry ny olona rehetra zava-misy, ka maninona isika tomponandraikitra mody miseho tsy mahalala ny nahatonga izao tsy fandriampahalemana sy tsy filaminana eto aminâny tany sy ny Fanjakana izao? ny zavatra ohatranâizany tsy azoko ekena: Madagasikara tsy voatery tsy maintsy hahantra toy izao, na ho lo ny hasinâny fahefam-panjankana. Izay no mahatonga ahy hanao antso avo aminareo satria tomponandraikitra aminâizany isika tsy an-kanavaka aminâny tokony hamerenana izany.
Ny asanâny Fitsarana izay zava-dehibe tokoa. Raha toa ka te hametraka izany fandriampahalemana izany isika dia ny asanâny Fitsarana no tokony hapetraka aminâny tokony ho izy, ny fitsarana tsy tokony hitanila, tokony ho haingam-piasa mba hahafantsika manodina ny asa aminâny tokony ho izy sy ahitam-bokany.
· Fantantsika fa ny âprocureurâ dia âofficier supĂ©rieur de police judiciaireâ ary ny âofficier de police judiciaireâ dia tsy azonâny procureur baikona intson. Ny antony dia be dia be ny tsolotra, be ny tsy firaharahiana ny hasinâny vahoaka Malagasy, ka nahatonga ny olana rehetra misy eto aminâny tany sy ny fanjakana ary ny manery antsika hanorina. Izany fanorenena fototra izany tompokolahy sy tompokovavy dia manomboka aminâizany: tsy voatery hanova lalĂ mpanorenana foana isika vao hanorina ifotony. Ny fanorenena ifotony izany dia zavatra madinika ataontsika andavanandro aminâny fandraisantsika andraikitra, izay no mahatonga ahy miteny hoe raha te hanorina tena filaminam-bahoaka izany isika dia tsy maintsy manomboka aminâny fanaovana zavatra kely dia kely aminâny fanajana ny lalĂ na misy. Hitako aminâny fandaharana ataonareo ao fa mijery ny rijan-teny mba ahafahantsika miasa ao anatinâny fanajana ny didy aman-dalĂ na mifehy ny tany sy ny fanjakana. Raha tiantsika ny hisianâny fandriampahalemana maharitra mandritra izao fifidianana izao dia tsy maintsy hojerena ny fandaminana ny asa.
· Ny fitokiasana eo aminâny vahoaka, ahoana moa ny handinihina ny zavatra ohatra izao mandrindra ny roa herinandro, olona folo, olona roapolo, olona zato no mikonokonona hanafika tanĂ na dimy na enina na folo dia tsy misy olona mahalala akory anâizany toe-javatra izany. Tsy marina izany, raha eto Madagasikara dia fantatra foana ny mahakasika anâizany. Ny dikany dia efa misy ny fahaverezam-pitokisana eo aminâny vahoaka, eo aminâny andrimason-pokonolona, eo aminâireny âcomitĂ© de vigilanceâ sy ny mpitondra. Eo aminâny fitsarana ireo olon-dratsy indray, dia ny olona izay mitondra fanampim-baovao indray no tondroina satria ohatra ny hoe manahirana eo aminâny fandaminana ny asa izay tsy mety. Koa eto aho dia te-hanamafy anâizany ny hoe mila âdiscernementâ sy âengagementâ ihany koa izany, mila fahafahantsika rehetra tena handray andraikitra tokoa, hanana fahasahiana handray andraikitra aminâny toerana misy antsika satria tsy azoko atao intsony ny miteny hoe izao no zavatra atao na efa vitanay, ⊠ny zavatra tsy maintsy jerentsika manomboka izao dia inona ny vokany? Mihena ve ny asan-dahalo? Mihena ve ny asan-jiolahy? hotsaraina aminâizany ny asantsika.
Ary fahatelo, dia ny fitantanana aminâny ankapobeny dia mila fahasahiana ihany koa. Mbola ao anatinâizany fitantanana izany ny ady aminâny kolikoly, tiako ny manamafy anâizany satria ity kolikoly ity dia efa zavatra voalaza ombieny ombieny, lasa resaka fotsiny fa tsy misy fampiharana azy. Fantatsika izao fa mipetraka ny pole anti-corruption eto Antananarivo ary hipetraka tsy ho ela ny any Toamasina, ny any Fianarantsoa, midika izany fa matoa ireny fandaminana ireny natao dia mba hahafahana mamerina izany hoe tena fitantanana mahomby sy madio izany. Tsy sarotra ny miteny anâizany, hoe nahoana moa, na ny fiarantsika fotsiny aza, dia tsy sahintsika atao takelaka mena. Noheveriko fa efa nataonareo, zavatra kely dia kely, indrindra ireo Chefs de Districts sy PrĂ©fets, ho takelaka mena ny fiaranareo ireo. Ny zava-dehibe mantsy dia tsotra, ary ny zava-dehibe amiko dia tsy maintsy modely izany solon-tenam-panjakana izany, ary modely aminâny fandraisana andraikitra sy ny fahasahiana ihany koa.
Mino sy manantena aho fa ao anatinâizany lamina apetraka izany dia ho haintsika ny mandray ny andraikitra tandrify anâizany. Tsy voatery ny Praiminisitra no haka fanapahan-kevitra, ary tsy ho dila anâity volana ity ny mahakasika izany. Nomena iray volana ny olona rehetra mba hanatanteraka an-tsakany sy an-davany anâizany fanovana takelaka izany. Tapitra ny volana, dia heveriko fa mpifankatia tsy mifamarafara ka ady no hiafarany. Tsy ao an-tsaiko mihintsy ny hiady na aminâiza na aminâiza, fa ny kendreko dia ny hampanjaka ny fanombohana ny fanavaozana ny fitantanana, ka mino sy manantena anâizany aho satria solontenam-panjakana isika rehetra izao. Manaraka ny toromarika efa nomena ny any aminâny Faritra sy Distrika. Ao anatinâizany fanatsarana ny fitantanana izany dia tiako hamafisina ny zavatra efa nolazaiko ombieny ombieny, dia ny tsy fiandanianâny mpiasam-panjakana. Mazava fa tsy ekena mihintsy ny fiandanianâny lehibenâny Distrika, ny âPrĂ©fetâ ary ireo tomponâandraikitra rehetra aminâny fanomanana ny fifidianana dia milalao politika. Rehefa manao politika ianao dia miteny hoe avelao izaho hivoaka, rehefa hilalao politika ianao ao anatinâny lamina sy ny fandaminana rehetra rehetra mahakasika ny fifidianana dia tsy te-haheno anâiznay mihitsy ny tenako ary izany anisanâny antony nahatongavako aty aminareo mba hoy izaho teo hoe fitia tsy mifamarafara ka ady no hiafarany.
Izao fifidianana izao dia tarafinâny olona maro dia maro, tarafinâny Malagasy voalohany indrindra, tarafinâizay mpiara-miombonâantoka amintsika. Filalaovana politika eo anivonâny fitantanana izany dia tsy tokony ho hisy intsony, hapetrako mazava tsara ny mikasika anâizany fa indrindra indrindra ny aty aminâny atitany izay fantatrareo tsara fa tomponandraikitra isika eo aminâny fikirakirana mikasika ny fifidianana. Eo ny hahitana fa tena olona manaja ny soatovina maha â administrateur civilâ anareo ianareo, azo omena any tokoa ve ny tsy fiandanianâny mpitondra aminâny fanomanana ny fifidianana. Betsaka ny zavatra heno mikasika ny lisi-pifidianana, betsaka ireo kitoatoa na filalaovana ny fandrafetana azy io, toy ny olana aminâny fanaovana karapanondro, ho anâireo tanora feno taona. Anjaranareo no mamantatra hoe inona no zavatra nokitihina tao anatinâizany lisi-pifidianana izany, sy miantoka ny fahadiovany eo anivonâny fari-piadidinareo avy. Takiana aminareo izany satria maro ireo mpanaramaso aminâizany sehatra izany, indrindra fa ireo solontenanâny kandida, ary voafaritry ny lalĂ na izany. Ny filalaovana ny lisi-pifidianana dia hiteraka zava-doza eto anivonâny firenena.
Mahakasika ny kara-pifidianana indray, manana andraikitra lehibe koa isika, indrindra aminâny fomba hitantanantsika ny fizarana azy io. Satria efa maro ny ahiahinâny olona miainga aminâny lisi-pifidianana. Anjarantsika koa ny mijery ny mikasika izany, raha misy ny lisi-pifidianana goragora na namboamboarina, na koa karapanondro na âjugement supplĂ©tifâ namboarina. Ka fantatrareo izany ny tokony hatao satria tsy rariny ny fanodinkodinana ny safidim-bahoaka. Tokony hazava aminareo izany atao hoe fifidianana madio izany satria iankinanâny Firenentsika ary aminâny alalanâny fifidianana no ahazoana fampandrosoana sy fampivoarana.
Izay rehetra izay no natao mba haha-tomponâandraikitra sahy antsika, sahy mijoro ao anatinâny tsy fitanilĂ na sy ny mangarahara mba ho tena reharehanâi Madagasikara tokoa isika tomponâandraikitra rehetra manatrika eto androany.
Misaotra tompokolahy, mankasitraka tompokovavy