]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Madagasikara 7 novambra 2018. Andron’ny fifidianana filoham-pirenena

Madagasikara 7 novambra 2018. Andron’ny fifidianana filoham-pirenena

IREO KANDIDA HO FILOHAM-PIRENENA ARAKA NY LAHARANA NATAO AN-TSAPAKA

TONTOSAO NY ADIDINAO, AZA ARIANA NY ZONAO

MAHAIZA MISAFIDY VAO MIFIDY FA TSY MANDATSA-BATO FOTSINY IHANY

AZA ADINO NY MIJERY IREO SONIA ROA AO AMBADIK'IALY BILETA TOKANA VAO MANDROTSAKA AZY AO ANATY VATA MANGARAHARA

RAHA AZO ATAO MITONDRA STYLO MAINTY SATRIA MISY MIKASA NY AMPIASA STYLO MAHAGAGA VITA AVY ANY ROSIA, KA MAMPANJAVONA NY SAFIDINAO. RAMALINA AZA NIFEHY HAZO TOKANA

Tonga ihany ity ilay andro nandrasan’ny mpifidy malagasy maro an’isa, andro izay notadiavin’ny sasany akisaka noho ny antony tsy dia tena mazava marina sy tsy naharesy lahatra ny maro an’isa satria peta-toko be... Ny atao an-tsain’ny tsirairay aloha dia ireto zavatra manaraka ireto. Dieny am-boalohany tsy hiteny mihitsy aho, eto, hoe i Anona na i Anona no fidiana. Tsia ! Efa samy manana ny kandida ho fidiana isika tsirairay avy taorian’iny iray volana lasa izay, nafahan’ireo kandida miisa 36 nampiseho ny maha-izy avy tsirairay.

Ny tsara tsiahivina eto dia tsotra : na tsy nisy aza iny famonoan’olona tamin’ny 21 avrily 2018 iny, vokatry ny tsangan-tanàn’ireo depiote maty eritreritra nandany lalam-pifidianana tena mamoehatra, dia tsy maintsy natao izao fifidianana filoham-pirenena izao.

Ny antony dia mazava, ary voasoratra eo amin’ny savaranonandon’ny Lalampanorenana malagasy fa « ny vahoaka Andriamanjaka » (« Le peuple souverain ») no manapaka farany isaky ny dimy taona raha toa ka isaky ny fito taona tamin’ny andron’i Philibert Tsiranana. Io fe-potoana nafohezina io moa dia mbola nalaina tahaka tamin’ny repoblika frantsay ihany e…

Averiko eto indray fa izaho tsy afaka hiteny anao io mamaky io hoe i Anona na i Anona no fidio, fa mametraka ireto fanontaniana roa ireto aminao kosa aho : teo anelanelan’ny taona 2014 sy ity volana novambra 2018 ity ve, mba nety sa tsia ny fiainanao ankapobeny ? Inona no mba andrasanao mahatonga anao hifidy an’i X.

Raha mikasika ny fangalaram-bato, tompoko, dia misy olona tena mahita raha tokoa. Satria eran’ny Afrika tsy misy afa-tsy ny kandida-mpanjakana ihany no afaka manao izany. Mbola maro ny rafitra eo am-pelatanany, eny na dia nametra-pialàna aza ilay filoham-pirenena voafidy tamin’ny 20 Desambra 2013.

Izay no voalaza ka dia ireto avy ny kandika miisa 36. Ny iray amin'izy ireo ihany no ho fidianao. Olom-pirenena malagasy marina ve ianao sa tsia ? Efao ary ny adidinao, ary aza ariana ny zonao. Marina fa tsy voatery hifidy ianao kanefa vato iray anie mety hanova zavatra be dia be e ! Fotoanany koa androany no afahanao mampiseho fa ianao no tena maha firenena ny firenena. Ka dia anao ny safidy, araka ny tenin’i Jean-Louis Rafidy fahizay.

Ny laharan’ireo kandida hitanao eto ambany dia vokatry ny ankitsapaka natao tao amin’ny foiben’ny Ceni, ny 25 Aogositra 2018, ka ireo laharana ireo ihany no hita ao amin’ilay biletà tokana. Tandremo tsara ity : jereo fa tsy maintsy misy sonia roa aorian’io biletà tokana io izay vao atsofokao ao anatin’ilay vata mangarahara. Farany dia farany : raha azonao atao, mitondra « stylo » mainty, na dia misy aza ao amin’ilay trao kely. Ny antony dia ity : mandeha be ny feo fa misy hikasa ampiasa « stylo mahagaga » vita avy any Rossia izay mampanjavona ny safidinao (lakroa) afaka enina ora. Aza adino fa Ramalina aza nifehy hazo tokana…

 

 

1. RASOLOFONJOA Haingo Andriakajamalala

2. RAKOTOFIRINGA Richard Razafy

3. TABERA Randriamanantsoa

4. RASOLOFONDRAOSOLO Zafimahaleo dit DAMA Mahaleo

5. JULES ETIENNE Rolland

6. RATSIETISON Jean-Jacques Jedidia

7. ANDRIANTSEHENO Lalaoarisoa Marcellin

8. RABARY Andrianiaina Paul

9. RABEHARISOA Saraha

10. RADAVIDSON ANDRIAMPARANY Benjamin

11. RAFALIMANANA Ny Rado

12. RAJAONARIMAMPIANINA RAKOTOARIMANANA Hery Martial

13. RAJOELINA Andry Nirina

14. BEZAZA Marie Eliana Pascaline Manasy

15. ANDRIANOELISON José Michel

16. NARISON Stephan

17. RAJAONARY Erick Francis

18. RAMAROSON Arlette

19. BERIZIKY Jean Omer

20. RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin

21. RATSIRAKA Didier Ignace

22. MAHAFALY Solonandrasana Olivier Jocelyn

23. RADILOFE Mamy Richard

24. ERNAIVO Fanirisoa

25. RAVALOMANANA Marc

26. IMBEH Serge Jovial

27. RAVELONARIVO Jean

28. RANDRIAMORASATA Solo Norbert

29. ZAFIVAO  Jean Louis

30. RASOLONJATOVO Falimampionona

31. RAKOTOMAMONJY Jean Max

32. RABARIHOELA Bruno

33. RATSIRAKA Iarovana Roland

34. MAILHOL André Christian Dieu Donné

35. ROBIMANANA Rivomanantsoa Orlando

36. RASOLOVOAHANGY Roseline Emma

Mis à jour ( Jeudi, 08 Novembre 2018 09:52 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety