]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Rolly Mercia. Mpanjakan’ny mpanao gazety mpandainga

Rolly Mercia. Mpanjakan’ny mpanao gazety mpandainga

Ny Hasina Andriamanjato, Andry Rajoelina ary Rolly Mercia izay namadika fotsiny izao ilay eo afovoany nanendry azy minisitry ny Serasera. Toerana nijanonany 4 taona

Eo anatrehin’ny fahazaran-dratsin’ity Harry Laurent Rahajason ity dia tena fahotana mahafaty tokoa ny tsy miteny. Satria ilay asa fanaovan-gazety mihitsy no ataony fitaovana andaingana ary eo amin’ny sehatra avo lenta tokoa. Tsy iza moa ity Harry L. Rahajason ity fa i Rolly Mercia izay miandraikitra, amin’izao fotoana izao, ny gazety rehetra ao amin’ny « Groupe RLM Communication » izay tsy iza fa i Mbola Rajaonah no tompony.

Niara-namoaka ilay « vaovao » norohitin’ity Rolly Mercia efa amam-bolana tokoa mantsy ny gazety rehetra ao amin’ny, ny zoma 14 Desambra 2018, dia « Le Citoyen », « La ligne de mire », « La Dépêche », « Triatra » izay mampiasa ny teny Malagasy. Ka dia io fa hoe « nampanantsoin’ny tribonaly frantsay i Andry Rajoelina ». Satria, hono, « voarohirohy amina afera fanadiovana vola maloto nividianana trano be » ka efa « akaiky ny fisamborana azy ». Ka noho izany, hono, « tsy tokony ho filoham-pirenena io mpanongam-panjakana io ». Ary dia eo amin’ny pejy voalohan’ireo gazety telo ireo araka ny hitanareo eo amin’ny sary mitambatra ireo ambony indrindra ireo.

Efa sangy mihoatra ny loha kosa ka tsy ilay voatonona no namaly -izay koa mantsy no nandrasan’i Rolly Mercia hanohizan’ny tantara valamatiny- fa dia ny masoivohon’ny firenena frantsay no namaly ny andron’io zoma 14 desambra io ihany. Raha adika sy fintinina ilay fanambarany io ambony io dia izao :

Manoloana ny vaovao sasany mampiditra ny firenena frantsay dia manao izao fanamarinana izao ny Ambasadin’ny Lafrantsa : araka ny fahafantaranay dia tsy misy kandida na iray asa voakasika ana raharaha am-pitsarana frantsay. Miangavy ny kandida ny Ambasady frantsay mba hifantoka ep amin’ny adihevitra fotsiny ihany ny fanaovana propagandy.

Izao izany ilay hoe mbola sarona indray ny fomba ratsy nafindran’i Rolly Mercia ao amin’ny « Groupe RLM Communication ». Fa maninona no hoe « mbola » ? Satria tsy vao izao io « mpanao gazety » notendren’i Andry Rajoelina (2011-2014) sy Hery Rajaonarimampianina (2017-2018) ho minisitry ny Serasera io no namoaka vaovao tsy marina ary mahakasika olona manana maha izy azy.

Ny 13 aogositra 2014, fony i Rolly Mercia notendren’i Mamy Ravatomanga ho Tale jeneralin’ny gazetin’ny vondrona Sodiat dia nanoratra lahatsoratra izy nilaza fa nitsaoka nandositra an’i Madagascar i Eric Wong, Chargé d’Affaires amerikana. Nataony tao akaikin’ny sarin’i Marc Ravalomanana ny sarin’ity Eric Wong ity, ary nolazainy teo amin’ny pejy voalohan’ny gazety « La Vérité » fa jiolahy raindahiny izy roalahy (« criminels notoires »).

Tsy naka sarotra mihitsy i Eric Wong, namaly an’i Rolly Mercia niaraka tamin’ny sarin’ilay gazety fa nilaza tamin’ny alalan’ny twitter fa : « tsy marina (ilay gazety) ny marina. Ary aza manahy fa mbola misy herinandro vitsy vitsy no hijanonako Chargé d’Affaires fa mba amarino kely ny zava-misy aza fady ». Toa tsy nisy ny fiala-tsiny avy any amin’i Rolly Mercia…

Tsy mpanao gazety tsotra i Rolly Mercia tao amin'ny Sodiat fa napetrak'i Mamy Ravatomanga ho Tale Jeneraly mihitsy. Saingy efa zatra ny tombontsoa azo fony izy minisitra

Inona moa no tiana ambara amin’izany fomba hita fa tena mamohehitra manimba ny asa fanovan-gazety eto Madagasikara ity ? Izay olona rehetra novadian’ity Rolly Mercia ity dia amoronany tantara mitohy daholo ary ny tena mahatsiravina dia ity : io Rolly Mercia izay tena niady tamin’i Marc Ravalomanana -niaraka tamin’i Fidèle Razara Piera- tamin’ny 2009 indray no « miaro » an’io hoe Dada io ! Efa teo akaikin’i Andry Rajoelina anie i Rolly io fony i Andry lany Ben’ny tanànan’Antananarivo e !

Fantany tsara mihitsy ny tena toe-tsain’ny namorona ny orinasa Injet. Fa izao : io namorony tantara mitohy niala tamina gasy petaka iray (« Un citoyen ») monina any Andafy nandefa tany amina tribonaly any Frantsa hoe toa misy an’izao sy izao momban’i andry Rajoelina. Dia iny no nalaina i Rolly Mercia am-bolony (kapoaka tokoa io) ka niafara tamin’ny fitsanganan’ny masoivohon’i Lafrantsa. Aza manantena fialatsiny koa aloha.

Ingahy Rolly Mercia io anie efa Mpitondra tenin'ny vondrona Mapar ihany koa fa nofirany e!

Manoloana izany rehetra izany dia tsy manampy velively an’i Mbola Rajaonah tena « patron » izany fomba ratsy nafindran’i Rolly ao amin’ny « groupe RLM » iray manontolo. Satria, mitodika any aminy na tiana na tsia ny mason’izao tontolo izao. Hasahy ilaza ve izy fa tsy misy idirany izay soratan’ny mpanao gazety ao aminy ? Sarotra ny hino izany. Fa raha iverenana kely ity Rolly Mercia ity dia « mahavariana » ny làlana nodiaviny satria nivadihany daholo ireo nanasoa azy : Andry Rajoelina nanendry azy ministry ny Serasera (2001) ; Hery Rajaonarimampianina nenjehiny toa inona nefa nanendry azy ministry ny Serasera ihany koa (2017) vao nitodiany lamosina avy eo tamin’ny propagandin’ny fiodinana voalohany.

Izao dia mirona hanao izay hahalany an’i Marc Ravalomanana satria, efa nanao fampihavanana, hono, izy sy i Dada. Dia efa fanta-tsika izany hoe iza indray no hovadiany atsy ho atsy. Ny tànana zatra mivonkona tsy afaka mitsotra intsony. Amin’izao fasahirana manjo an’i Mbola Rajaonah izao dia tokony mailo ihany izy amin’ity Rolly Mercia ity, ary mampanontany tena mihitsy hoe : iza marina no mibaiko an’iza amin’izy mianaka ireo ? Sa, sanatria, voan’inona ilay kely io ?

Fa ny ahy aloha dia tsotra : tsy tiako mihitsy ny fanimbana ny asa fanaovan-gazety ataon’i Rolly Mercia mpanjakan’ny mpanao gazety mpandainga. Ka ho an’ireo mpanoratra tanora miaraka aminy ao amin’ny « Groupe RLM Communication » dia izao no lazaiko : efa tamin’izy tao amin’ny gazety « Madagascar Tribune » izy no nanao io fomba mamoehatra io nazahoany vola… Aza taitra fa afaka porofoina izany, satria tsy ny vavolombelona no tsy misy.


Ireo gazety, radios sy Televiziona mandrafitra ny "Groupe RLM Communication"

Farany izay tsy kely dia ny nanendren’i Hery Rajaonarimampianina an’i Rolly Mercia ho mpanolo-tsaina manokana, ny 6 Septambra 2018, iray andro alohan’ny nametrahan’ity filoha alam-bahoaka ity fialana. Ary dia nasainy notazomin’i Rivo Rakotovao amin’io toerana io i Rolly. Ny voalohany moa dia filoham-panjakana vonjy maika fotsiny ihany nefa toa mihao-pefy izay tsy izy.

Tokony mamerina mamaky matetika ilay Avis n°07-HCC/AV navoakan’ny HCC ingahy Rivo Rakotovao izay araka ny fantatry ny tontolon’ny fanaovan-gazety fa tsy dia mifankahazo loatra amin’i Mbola Rajaonah. Nefa ny tontolon’ny politika eto Madagasikara moa tsy manaraka lojika sy etika fa izay misy ny vola ihany. Raha tsy izany ve tsy olona nogadrainy i Marc Ravalomanana indray izao no miaraka aminy ? Tsy atao mahagaga raha milaza fa leo an’ireto mpanao politika ireto.

Tokony misaina ihany i Rolly Mercia satria anisan'ireo mpanongam-panjakana tenenin'i Dadabe K25 isakin'izay mahatsiahy anie izy e !

Miampy izany rehetra izany? Ny an'i Rolly dia tsy zakany ny naha minisitra azy. Nanjary te-hitovy amin'i Andry Rajoelina izy, avy eo te-hitovy amin'i Mamy Ravatomanga ka iza no milaza an'i Mbola Rajaonah fa tsy te-hitovy aminy koa io Rolly io? Mila mitandrina ianao tovolahy fa sao voan'ny fandraikiraikena ka mailo ihany e... Izao no ataovy voalohany ao an-tsaina: ny maha mersenera ny mersenera dia ny vola. Kanefa io ataony io dia tsy hanampy anao satria na visa ho any Frantsa aza mety tsy hahazo intsony ianao. Fantaro tsara manomboka izao ny hoe "propagation de fausses nouvelles" sy "diffamation publique". Ary tsy olo-tsotra no voakasika fa firenena anankiray sy kandida ho filoham-pirenena.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Lundi, 17 Décembre 2018 18:22 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety