]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Madagasikara. Ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta Ntsay 3

Madagasikara. Ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta Ntsay 3

FANAMBARANA MIKASIKA NY GOVERNEMANTA VAOVAO

Nijoro ny Governemanta notarihin’Atoa Praiminisitra Christian Ntsay ny 24 Janoary 2019, napetraka niaraka tamin’ireo minisitra isantokony tamin’izany ny drafitra tsy maintsy narahin’izy ireo ao anatin’ny herintaona mba hampifanaraka ny velirano nataon’atoa Filohampirenena sy ny fandaharanasa IEM ary ny politika ankapoben’ny fitondrampanjakana. Nandritra ny enimbolana voalohany nijoroan’ny governemanta teo aloha dia narafitra hifanaraka tanteraka ireo telo tonta ireo ary indrindra narindra tsara hifanaraka amin’ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2019. Napetraka ny fanamby sy ny tanjona mifandraika amin’izany niaraka tamin’ireo minisitra rehetra nandrafitra ny goverenamanta teo aloha. Vita izay ny enimbolana voalohany, natao nandritra ny 03 andro ny dinika sy ny fandrefesana ny zavabitan’izy ireo ary ny fandaharanasa entin’ireo mpikambana ao anatin’ny goverenemanta, araka izay voafaritry ny tetikasa nataon’Andriamatoa Filohampirenena. Mbola hisy ny enimbolana faharoa entina mijery ny fahavitan’izy ireo na tsia ny andraikitra napetraka tamin’izy ireo avy araka ny efa nifanarahana hatrany amboalohany,

Koa arak’izany dia mirafitra toy izao ny Governemanta vaovao tarihin’atoa Praiminisitra Christian Ntsay :


DIDIM-PANJAKANA LAHARANA FAHA 2019-1410

anendrena ny mpikambana ao amin'ny Governemanta

NY FILOHAN'NY REPOBLIKA,

  • Araka ny Lalampanorenana,

  • Araka ny didim-panjakana laharana faha 2109-1407 tamin'ny 19 Jolay 2019 anendrena ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta;

Araka ny tolo-kevitry ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta,

DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PANJAKANA IZAO:

Andininy voalohany.- Tendrena ho mpikambana ao amin'ny Governemanta ho:

Minisitry ny Fiarovam-pirenena :

Général de Division RAKOTONIRINA Léon Jean Richard

 

Minisitry ny Raharaham-bahiny :

Andriamatoa Naina ANDRIANTSITOHAINA

Mpitahiry ny Kasem-panjakàna, Minisitry ny Fitsarana :

Andriamatoa Jacques RANDRIANASOLO

Minisitry ny Toekarena sy ny Vola :

Andriamatoa Richard RANDRIAMANDRATO

Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefàna :

Andriamatoa Tianarivelo RAZAFIMAHEFA

Minisitry ny Filaminam-bahoaka :

Contrôleur Général de Police RAFANOMEZANTSOA Roger

Minisitry ny Fanajariana ny Tany, ny Toeram-ponenana sy ny Asa Vaventy :

Andriamatoa Hajo ANDRIANAINARIVELO

Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ara-teknika ary ny Fampiofanana arak'asa :

Ramatoa Marie Thérèse VOLAHAINGO

Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka :

Professeur Julio RAKOTONIRINA

Minisitry ny Fambolena, ny Fiompiana sy ny Jono :

Andriamatoa Fanomezantsoa Lucien RANARIVELO

Minisitry ny Angovo, ny Rano sy ny Akoranafo :

Andriamatoa Vonjy ANDRIAMANGA

Minisitry ny Harena ankibon'ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika :

Andriamatoa Fidiniavo RAVOKATRA

Minisitry ny Fitaterana, ny Fizahan-tany sy ny Famantarana ny Toetrandro :

Andriamatoa Joël RANDRIAMANDRANTO

Minisitry ny Asa, ny Fampananan'asa, ny Asam-panjakàna ary ny Lalàna Sôsialy :

Ramatoa Gisèle RANAMPY

Minisitry ny Fampianarana ambony, ny Fikarohana ara-tsiansa sy ny Fanavaozana :

Ramatoa Blanche Nirina RICHARD

Minisitry ny Indostria, ny Varotra, sy ny Asa tànana :

Ramatoa Lantosoa RAKOTOMALALA

Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra :

Andriamatoa Alexandre GEORGET

Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra :

Andriamatoa Christian RAMAROLAHY

Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsôsialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy :

Ramatoa Lucien Irmah NAHARIMAMY

Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena :

Andriamatoa Tinoka Roberto Michael RAHAROARILALA

Minisitry ny Serasera sy ny Kolotsaina :

Ramatoa Lalatiana ANDRIATONGARIVO RAKOTONDRAZAFY

Sekreteram-panjakana eo anivon'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena, miadidy ny Zandarimariam-pirenena :

Général de Division RAVALOMANANA Richard

Andininy 2.- Foanana ary dia foana ireo fepetra rehetra teo aloha mifanohitra amin'izay voalazan'izao didim-panjakana izao.

Andininy 3.- Noho ny amehana, ary araka izay voalazan'nyandininy fahaefatra sy fahaenina andalana faharoa ao amin'ny hitsivolana laharana faharoa amby enimpolo tsipika, aotrairaika amby efapolo tamin'ny sivy ambinifoloseptambra taona roa amby enimpolo sy sivanjato sy arivo mikasika ny fepetra ankapobe momba ny lalĂ na ifampitondrana eto an-toerana sy ny lalĂ na iraisam-pirenena ifampitondran'ny isam-batan'olona, dia manan-kery avy hatrany izao didim-panjakana izao raha vantany vao ampahafantarina amin'ny alĂ lan'ny fampielezam-peo na fahitalavitra, ankoatry ny famoahana azy amin'ny Gazetim-panjakan'ny Repoblika.

Natao teto Antananarivo, ny 24 jolay 2019

Manao sonia

Andry Rajoelina

Filohan'ny Repoblika

Christian Ntsay

Lehiben'ny Governemanta

Mis Ă  jour ( Mercredi, 24 Juillet 2019 22:03 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety