]
Les quotidiens du 05 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Andry Rajoelina tao Antsirabe: tena nahoraka

Andry Rajoelina tao Antsirabe: tena nahoraka

VIDEO ETO

KABARIN’NY FILOHA ANDRY RAJOELINA TAO AMINY AKADEMIA MIARAMILA ANTSIRABE

16 OKTOBRA 2012


Tompokolahy sy Tompokovavy,

Tafahaona eto indray isika miara manome voninahitra ny famindram-pahefana eto amin’ny AKADEMIA MIARAMILA. Koa voalohan-teniko dia misaotra ny Jeneraly RASOLOFONIRINA BĂ©ni Xavier, Komandin’ny Sekoly teo aloha, noho ny zava-bitany rehetra nandritry ny fotoana nitantanany ny Sekoly ; ary mitsodrano feno ny Kolonely RAKOTONIRINA LĂ©on Jean Richard, izay voatendry ny fitondram-panjakana hisolo azy. Feno 45 taona ihany koa moa ity Sekoly ity izay reharehan’ny Firenena Malagasy koa dia manantitra ny arahaba ihany koa izahay amin’izany tsingerin-taona izany.


Kolonely RAKOTONIRINA LĂ©on Jean Richard

Manana ny lanjany eto amin’ny tantaram-pirenena ny AKADEMIA MIARAMILA. Nandray ny andraikiny hatrany eo amin’ny fiainam-pirenena ireo manamboninahitra voaofana tamin’ity toerana ity ary nanamarika hatrany ny fitiavan-tanindrazana. Koa dia manainga etoana izahay ny hanohizana ny ezaka efa vita amin’ny fanofanana manamboninahitra eto amin’ity toerana ity.

Tompokolahy sy Tompokovavy,


Fantatsika rehetra ny fivoarana sy ny fiovàna misy ankehitriny eo amin’ny tontolo stratejika iraisam-pirenana. Raisintsika ohatra amin’izany, ny tsy filaminana ao avaratry ny Ranomasimbe Indianina ka anjakan’ny asan-jiolahy andranomasina, izay manohitohina ny fandriampahalemana eo amin’ny fari-dranomasina avaratr’I Madagasikara. Tsy latsan-danja amin’izany ny asa fampihorohoroana, ny asan-dahalo sy ny asan-jiolahy isan-karazany, izay manohintohina ny filaminam-pirenana.


Noho izany rehetra izany dia manainga ny Minisiteran’ny Foloalindahy izahay, mba hifantina tsara ireo mpianatra ho manam-boninahitra eto amin’ny AKADEMIA MIARAMILA, na ara-batana na ara-tsaina, mba ho tena sangany, afaka hiatrika ireo tranga samihafa ireo, ka hanome ainga vao ny Sekoly, ary mba hahazoan’izy ireo fampianarana ara-miaramila tena feno sy mahomby, mba ho manamboninahitra matianina, ho manamboninahitra manana etika sy deontolojia, ho manamboninahitra antenaina fa ho afaka hampitraka an’ity Firenena ity anaty fitiavan-tanindrazana, ary ho manamboninahitra mavitrika sy tomady ara-batana.



Noho izany indrindra no antony nahatonga anay, nanorina sy nametraka eto amin’ny AKADEMIA MIARAMILA, foto-drafitr’asa fitaizam-bàtana, toy ny DOJO sy ny SALLE DE MUSCULATION tena marara-penitra, miaraka amin’ireo fitaovana ara-panatanjaha-tena.

Fantatsika tsara ihany koa, ny fiovàna eran-tany noho ny fivoarana ara-teknolojia, ka hiezaka arak’izany ny fitondram-panjakana amin’ny fampitaovana ny Foloalindahy, mba hanatsarana ny fomba fiasa. Ohatra iray amin’izany ny fampiasàna ny “GPS”, raha toa ka mbola “BOUSSOLE” no eo am-pelatanana hatramin’izay ; ary indrindra ny “HELICOPTERE”, izay ho vidintsika mba hahafahanareo manao “Filatsahana anelon’aina”.


Koa amin’izao fitsingerenan’ny Faha-45 Taona nijoroan’ny AKADEMIA MIARAMILA izao, izay azo lazaina fa efa feno fahamatorana tanteraka, dia tsy maintsy mitondra fanovàna eo amin’ny fampianarana ara-miaramila isika mba hampifandrindra izany amin’ny toetr’andro.

Mino izahay fa tsy atoro voanjo hadina ny Komandin’ny Sekoly vaovao amin’izany fanitsiana ny fomba fampianarana izanyka hitondra vina sy paik’ady vaovao eo amin’ny fanofanana mpianatra ho manamboninahitra eto amin’ny AKADEMIA MIARAMILA, izay hisahana ny fiarovana ny Firenena sy ny tombotsoan’I Madagasikara hampandry fahalemana hatrany, ny tany sy ny Fanjakana.

Tompokolahy sy Tompokovavy,


Mamporisika anareo Tompon’andraikitra sy ny Miaramila tsy ankanavaka izahay, indrindra fa ny ato amin’ny AKADEMIA MIARAMILA, izay fitaratry ny Foloalindahy amin’ny ankapobeny, mba hitondra fanavaozana hita maso eo amin’ny fahaiza-manao ara-miaramila, ho fitandroana ny fiandrianam-pirenena sy ny fahatoniana eo amin’ny Vahoaka, ka hiverina indray ny hasin’ny Foloalindahy, ho voninahitry ny Firenena sy ho tanteraka tokoa ny teny filamatry ny AKADEMIA MIARAMILA hoe : “HO AN’NY TANINDRAZANA”.

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.

===========================================================

FAMPITAM – BAOVAO

Filoha Rajoelina Andry Nirina tao Antsirabe : Fiahiana

famindram-pahefana sy fitokanana trano fianarana haiady

tao amin’ny Sekoly Miaramila momba ny fiofanana Manamboninahitra.

Ary Nitafa nivantana tamin’ny vahoakan’Antsirabe sy nanolotra

Fiarabe mpitaona fako ho an’ny Kaomina Ambonivohitra


Tonga niahy sy niatrika ary nanome voninahitra ny famindram-pahefana teo amin’ny lehiben’ny Sekoly Miaramila momba ny fiofanana Manamboninahitra ao Antsirabe, androany 16 oktobra 2012, ny Filohan’ny Tetezamita sady Filoha Faratampon’ny Foloalindahy, Rajoelina Andry Nirina. Tao amin’ny Akademia Miaramila no natao izany lanonana famindram-pahefana teo amin’ny Jeneraly Rasolofonirina BĂ©ni Xavier lehiben’ny Sekoly teo aloha sy ny Kolonely Rakotonirina LĂ©on Jean Richard hisahana izany andraikitra izany. Nitarika izany lanonana izany ny Lehiben’ny Etamazaorin’ny Tafika Malagasy, ny Jeneraly Ndriarijaona Jean AndrĂ©.

Nandritra izany lanona ara-Miaramila izany no nilazan’ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy fa : “ny Didim-panjakana laharana faha : 2012-789, tamin’ny 22 aogositra 2012, tapaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra notarihin’ny Filoha Rajoelina Andry Nirina no nanendrena ny Kolonely Rakotonirina LĂ©on Jean Richard ho Lehiben’ny fibaikoina ity Sekoly Miaramila ity”. Taorian’ny famindram-pahefana ara-Miaramila dia Matso lehibe no namaranana izany.


Raha nandray fitenenana ny Lehibe vaovao ny Sekoly Miaramila dia nanambara fa :”isaorana manokana ny Filohan’ny Tetezamita, Rajoelina Andry Nirina nanome fitokisana ny tenako tamin’ny nanankinana amiko ny fibaikoina ity Sekoly Miaramila ity”. “Raisiko voninahitra sy adidy ny hisolo toerana anao. Namatana zava-bita tsara aho tamin’ny fananganana fotodrafitrasa vitanao sy ny fanatsarana ny fiofanana ara-Miaramila”, hoy kosa izy raha nankasitraka ny Jeneraly Rasolofonirina BĂ©ni Xavier. “Ao anatin’ny tsingerin-taona faha-45 taonany amin’izao fotoana izao ny Sekoly Miaramila eto Antsirabe. Rariny raha hifantoka amin’ny raharaha Miaramila ny fanofanana sy ny fanazarantena. Ny tanjona dia ny hanofana manamboninahitra manana ny fahaiza-manao tsaratsara kokoa, afaka miatrika sy misedra ireo mety hanohitohinana ny fiandrianam-pirenena”. Ny Jeneraly Rasolofinirina BĂ©ni Xavier kosa votendry Lefitra faharoa ny Lehiben’ny Etamazaorin’ny Tafika Malagasy.

Raha nandray fitenenana kosa ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Rakotoarimasy AndrĂ© Lucien dia nilaza fa : “naneho ny fahavononany hatrany nanatsara ny Sekoly ny Jeneraly Rasolofonirina BĂ©ni Xavier nandritra izay telo taona nitondrany izay. Indrindra teo amin’ny lafiny fotodrafitrasa sy ny fanofanana ary ny fampidirana ny vehivavy ho fanajana ny Miralenta. Izaho kosa mitso-drano an’ny Kolonely Rakotonirina LĂ©on Jean Richard amin’ity andraikitra vaovao sahininy ity”.


Rehefa nandray fitenenana ny Filohan’ny Tetezamita, Rajoelina Andry Nirina dia : “nisaotra ny Jeneraly Rasolofonirina BĂ©ni Xavier noho ny zava-bitany ary nitso-drano an’ny Kolonely Rakotonirina LĂ©on Jean Richard hahaleo hahalasa amin’ity andraikitra vaovao sahaniny ity. Feno 45 taona ankehitriny ny Sekoly Miaramila eto Antsirabe ka miarahaba ny mpianatra sy ny mpitantana.Manana ny lazany manokana ary nandray andraikitra hatrany ary nampiseho fitiavan-Tanindrazana ny Sekoly Miaramila rehefa tojo fahasahiranana ny Firenena. Fantatrareo tsara ny fivoaran’ny teknolojia amin’izao fotoana izao, indrindra eo amin’ny lafin’ny stratejikia momba asa fanakorontanana ataon’ny olon-dratsy. Ohatra amin’izany ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana any amin’ny tapany avaratry ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Toy izany koa ny fampihorohoroana sy ny asan-dahalo. Miantso ny Foloalindahy mba hifantina tsara ireo olona raisina hianatra amin’itony toerana itony mba ho sangany afaka hiatrika izany (
).”


Taorian’izay lanonana ara-Miaramila rehetra izay dia nisy ny fitokanana ny efi-trano lehibe (Dojo, Salle de musculation) fianarana haiady sy fitaizam-batana izay nampanantenain’ny Filohan’ny Tetezamita fa havaozina tanteraka ary hasiana fitaovana manara-penitra tamin’ny fandalovany tao amin’ny Sekoly Miaramila Antsirabe ny taona 2011.

Tanteraka ny talata 16 oktobra 2012 izany ary narahana fanehoana fahaiza-manao teo amin’ireo mpiofana manamboninahitra, amin’ny fampiasana ireo fitaovana ireo izany. Nisy ihany koa ny fampanantenan’ny Filohan’ny Tetezamita ny hanangana Fiangonana (Chapelle militaire) ho an’ny Sekoly Miaramila. Tsy ho ela dia hanomboka ny fananganana izany. Ny Filoha Sekoly Miaramila ao Antsirabe.

Fanolorana fiarabe mpitaona fako


Ny tolakandron’ny talata 16 oktobra 2012 indray dia nitafa mivantana tamin’ny vahoakan’ Antsirabe teny Ivory, toerana misy ny foibe teknika misahana ny fanadiovana ny tanàna (Voirie) eo anivon’ny Kaomina Antsirabe Ambonivohitra. Nandritra izany no nanolorany ny fiarabe mpitaona fako ho an’ny Fiadidiana ny tanànan’Antsirabe. Vahoaka marobe no tonga nanotrona ny Filoha Rajoleina Andry Nirina sy ireo mpiara-dia aminy nandritra izany na dia tsy nisy fampahafantarana mialoha aza izany. Tomefy olona ny arabe, manoloana ny Voirie, mihazo ny lalan’i Betafo nandritra izany fotoana izany.


Raha nandray fitenenana ny filohan’ny delegasion’ny Kaomina Antsirabe, Razafindrainony Lala BĂ©ryl fa :”mandray 7 volana amin’izao fotoana izao no nitantanany ny Kaomina. Natao ezaka sy fanamby ny fanadiovana ny tanĂ na. Tratra 80 isan-jato izany ankehitriny. Niarahana nisalahy tamin’ireo mpiasan’ny Kaomina miisa 550 izany. Misy Fokontany 360 ao anatin’ny velarantany 170 kmÂČ ny Kaomina Antsirabe. Mahatratra 180 km ny halavan’ny lalana ao anatin’ny Kaomina. Ny 20 isan-jaton’izany ihany no azo handehanana mandavan-taona. Noho izany mangataka fanomezan-tanana amin’ny Fitondrana foibe izahay”. Isan’ny fangatahan’ny Lehiben’ny Faritra, Vakinankaratra, Razanakolona Paul ny “hananganana OniversitĂ© ao Antsirabe ary efa nisy ny fijerena ifotony ilay mijoro ao Ambohitsilaozana - Ambatondrazaka ny fombafomba ahafahana manangana izany. Nisy ihany koa ny fifampiresahana tamin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Siantifika ka nangatahany fanampiana tamin’ny Filoha Rajoelina Andry Nirina”.


“Na dia tsy nisy aza ny antso natao tamin’ny : allĂŽ allĂŽ dia tonga maro ianareo”, hoy ny Filoha Rajoelina Andry Nirina, raha nandray fitenenana manoloana ireo vahoaka marobe tonga teny Ivory-Antsirabe izy. “Tonga eto aho amin’ny maha-mpinamana. Rehefa misy ny manahirana dia eo foana ny namana. Tonga eto aho hamaha ny olana. Hilazako tsiambaratelo ianareo : izaho dia teraka teto Antsirabe. Ianareo ireo dia zanaka, zandry, anabaviko ary rahalahiko noho izany. Andao isika hiara-hiasa hampandroso sy hanao an’Antsirabe ho fankatahaka. Hajoro eto Antsirabe ny OniversitĂ©. Tonga eto aho hanolotra fiarabe mpitaona fako iray ho anareo”, hoy ihany izy nanohy ny teniny.

Nisy avy eo ny fampanantenana nomeny ny vahoakan’Antsirabe ny hanamboarana ireo daba-pako miisa 50 ao an-tanàna ho fanomezan-tanàna amin’ny fanadiovana.

Nampanantena ny hanome “Camion benne” iray hafa ihany koa izy. Hatsangana ao Antsirabe, eo anivon’ny Kaomina Ambonivohitra, ny Sampan-draharahan’ny Vonjy Voina na ny “Pompier” ka hanome fiarabe ho amin’izany ny Filoha Rajoelina Andry Nirina. Amboarina koa ireo lalana feno lavadavaka ao Antsirabe. Raha ny hetahetan’ny Filohan’ny Tetezamita dia orinasa any an-toerana ihany no hanatontosa izany asa fanamboarana izany. Teo am-pamaranana ny kabariny ny Filoha Rajoelina Andry Nirina dia nilaza fa : “hitsidika matetika an’Antsirabe ary tsy ho ela izy dia hijery ny toerana sy ny drafitr’izany Oniversite ary hametraka ny vato fehizoro izany miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny Prezidansa”.


Niara-dia tamin’ny Filoha Rajoelina Andry Nirina tamin’izao fiahiana famindram-pahefana tao amin’ny Sekoly Miaramila sy ny fanomezana fiarabe ny Kaomina Antsirabe Ambonivohitra izao ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Rakotoarimasy AndrĂ© Lucien, ny Minisitry ny Filaminana Anatiny, ny Jeneraly Razafindrazaka ArsĂšne, ny Minisitry ny Serasera Rahajason Harry Laurent ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Jeneraly Randrianazary. Nanotrona azy ireo tamin’izany ireo manamboninahitra sivily sy Miaramila eo anivon’ny Tafika Malagasy, ny Polisim-pirenena ary ireo tomponan’andraikim-panjakana isan-tsokajiny ao Antsirabe.

Antananarivo faha, 16 oktobra 2012

Ny Mpiandraikitra ny Serasera

eo anivon’ny Fiadidiana

ny Filohan’ny Tetezamita

Mis Ă  jour ( Jeudi, 06 Juillet 2023 16:34 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

PrĂ©sident Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – VƓux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2ù Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60Ú Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo HonorĂ©. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection prĂ©sidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piĂ©tine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la SouverainetĂ© appartient au peuple" et non Ă  sa plateforme de bras cassĂ©s politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO