]
Les quotidiens du 06 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Andry Rajoelina tao Fascène : « Ballon d'or no entiko aty Nosy Be »

Andry Rajoelina tao Fascène : « Ballon d'or no entiko aty Nosy Be »

Zoma 30 Novambra 2012. Tonga dia nigadona tao Nosy Be ny Filoha Andry Rajoelina ka teo amin'ny seranam-piaramanidin'i Fascène izy no nanao lahateny izay tafiditra ao anatin'ny fametrahana ny vato fehizoron'ny fanitarana ny « piste d'atterrissage ».

.

KABARIN'NY FILOHA RAJOELINA TAO FASCENE -VIDEO ETO-

« Ny asa fanitarana izao seranam-piaramanidina izao, dia hisy akony lehibe eo amin'ny sehatry ny fitaterana anabakabaka sy ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar manokana. Satria dia afaka handray fiaramanidina lehibe isika, toa ny Airbus A-340, na koa ny Boeing 777 izany.

Midika avy hatrany izany fa dia hitombo ny fifamezivezena eto anatin'ny Nosy na avy any ivelany ihany koa, ka hiteraka akony tsara sy hisy fiatraikany mivantana amin'ny rehetra. Araky ny kabary nifandimby teo dia ny hoe : tsy ho an'ny olona mandeha fiaramanidina ihany akory no ahazo tombony amin'izany fa ao ny fitaterana an-tanety na ni taxis, na ireo mampanofa fiarakodia ihany koa ; ao ny trano fisakafoanana sy ny fandraisam-bahiny maro samihafa.

Raha niteny ianao Andriamatoa Sefon'ny Distrika hoe : mba omeo « top but » izahay dia tsy « top but » no entiko fa « ballon d'or » mihitsy no entika aty Nosy Be. « Ballon d'or » satria ny tenako manokana, araka ny efa fantatrareo, anisan'ny tena mankafia ary mandeha matetika aty Nosy Be. Ka amin'izay fifankatiavana sy fifamatorana eo amintsika izay dia masahy milaza aminareo aho fa dia miasa andro aman'alina, mieritreritra andro aman'alina, na araka ny fiten'ny tanora hoe : miketriketrika hoe atao ahoana moa ity Nosy Be ity.

Izaho dia resy lahatra fa ny resaka fizahan-tany no fanoitra lehibe hafahana mampandroso ny firenena sy mampandresy ny fahantrana eto Madagasikara. Ary ity Nosy Be ity no toerana ataontsika hoe nomen'Andriamanitra, nomen-Janahary antsika afahana manao tetik'asa lehibe. Mila ampitomboina ny toerana fizahan-tany, na ny fandraisam-bahiny. Ny marimarina kokoa izany dia misy ny ezaka ataaon'ny fitondram-panjaka mba afahana manamora an'ireo mampiasa vola na ireo « investisseurs » ho avy eto Nosy Be.

Efa betsaka ny tetik 'asa nambarako toa ny hoe fanaovana ny « Résidence de résidents » na ny fahazoan'ireo mipetraka sy mividy trano eto Nosy Be. Izany zavatra rehetra izany dia hiteraka asa ho an'ny olona rehetra satria mba azoazon-tsika an-tsaina fa raha ohatra ka 10.000 fotsiny ny isan'ny trano haorina, na handraisam-bahiny io, eto Nosy Be, dia farafahakeliny dia hiteraka asa 20.000 « emplois directs » ho an'ny mponina rehetra eto Nosy Be.

Betsaka ny ezaka efa natao, anisan'izany, ohatra, ny tsy fandoavana sy ny fanafoanana ny haba na ny hetra aloha amin'ny « visas », izay inoako fa nampisy tombony manokana mba hampitombo ny fizahan-tany eto Nosy Be. Ka no izany dia hanomboka izao tetik'asa izao isika. Tetik'asa izay hisy vokany. Vokatra manokana ho an'ity tanànan'i Nosy Be ity na amin'ity faritra Diana ihany koa».

Nandika ny feo : Jeannot RAMAMBAZAFY

Sary : Harilala RANDRIANARISON

Mis à jour ( Mercredi, 05 Décembre 2012 02:41 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO