]
Les quotidiens du 20 Feb 2018
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Madagascar. Les tous premiers «Gasy Mahasaky Awards» décernés

Madagascar. Les tous premiers «Gasy Mahasaky Awards» décernés

Communiqué de presse

Le 31 janvier 2018, au centre Arrupe de Faravohitra, s’est tenu la première édition des «Gasy Mahasaky Awards», un label destiné à honorer les citoyens méritants ayant contribué à l’avancement et à la défense du soa iombonana (intérêt général) à Madagascar.

Chevalier de l’Ordre National

Cette distinction honorifique est remise à Haingoarison RANDRIANOMENJANAHARY, président de la SIF, pour ses deux décennies au service du développement rural, et spécialement du foncier, pour que l’ensemble de la population malagasy, particulièrement les paysans, jouissent de leurs droits fonciers.

Depuis la création de la SIF ou «Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany»/Solidarité des Intervenants sur le Foncier, son Président en tant que membre fondateur n’a eu de cesse de plaider la cause des couches vulnérables, étant à la tête d’une organisation qui arrive à influencer deux fois de suite en 10 ans, la réforme de la politique foncière, pour une meilleure gouvernance du foncier.

Le Prix du Courage Citoyen 2017

Ce Prix rend hommage au courage des militants et des communautés de base qui se sont levés contre l’accaparement de nos terres et le pillage de nos ressources forestières et minières. Ils ont été arrêtés, emprisonnés, condamnés et/ou fait l’objet de poursuites officielles, certains y ont même perdu leur vie et leur famille.

Le Prix a été remis par la Diaspora Gasy Réunion et un collectif d’organisations de la société civile et de mouvements citoyens désireux de soutenir les efforts citoyens en faveur d’un meilleur Madagascar, à savoir: ROHY (Rindran’ny Olompirenena Hiarovana ny Iaraha-manana), SIF (Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany), AVG (Alliance Voahary Gasy) et WUM (Wake Up Madagascar).

Les récipiendaires du Prix sont:

· ATTOUMANY Alily, COBA Ambilobe Diana (à titre posthume)

· MAROZAFY Armand, COSAP Masoala, Coalition Lampogno, Maroantsetra

· RALEVA, membre de Justice et Paix et de l’Observatoire indépendant des droits économiques, sociaux et culturels à Madagascar (OIDESCM), Vohilava

· RAZAFIMALALA Clovis, Coordonnateur de la coalition Lampogno, Maroantsetra

· SAROVY Augustin, Masoala Analanjirofo

· TSIMANIRY Pascal, Toamasina Atsinanana

· Les militants de la communauté de Soamahamanina, à savoir Pierre ROBISON Gendarme retraité, ANDRIANONY Andriamanantsihoarana, conseiller communal; RANDRIAENDRIKARIVO Fenohasina, étudiant; RATSIRINIAINA Jean Augustin, RANAIVOARIVELO Augustin, ANDRIARAJONIAINA Tonona Guillaume, tous paysans.

En plus d’objets symboliques, les récipiendaires ont bénéficié d’un soutien financier de la part de la Diaspora Gasy Réunion d’un montant global de 5.000 euros.

Le prix « Soràty ny Demokrasia » 2017

Depuis 2013, Liberty 32 à travers son programme WYLD (Women and Youth’s League for Democracy) organise chaque année un concours national de rédaction sur la démocratie, ouvert à tout citoyen malgache de 15 ans et plus. Les meilleurs textes sont primés pour encourager l’expression citoyenne et la créativité. L’édition 2017 du concours a été soutenue par la Friedrich-Ebert-Stiftung (FES) et les lauréats sont:

· 1er prix: RAZAFIMAHEFA Ny Aiko Nomenjanahary (Antananarivo)

· 2e prix: RAJOELIMBOLOLONA Maryo Sébastieni (Antsiranana)

· 2e prix ex aequo: RABENANTOANDRO Elodie (Antananarivo)

· Prix spécial du jury: BOUDI Evelyne Vanina (Toamasina)

Pour célébrer le cinquième anniversaire du concours, un recueil des 27 textes primés depuis 2013 a été édité avec le soutien de la FES.


CHEVALIER DE L’ORDRE NATIONAL

1. Haingoarison RANDRIANOMENJANAHARY

Haingoarison RANDRIANOMENJANAHARY dia teraka ny voalohan’ny volana aogositra 1962 tao Antsirabe, manambady izy, ary manan-janaka telo mianadahy. Mamboly vary eo amin’ny tany mirefy 17 hektara izy, ary miompy trondro amin’ny fomba matihanina amina tany mirefy 2 hektara sy tapany no asa fivelomany. Anisan’ny namorona ny fikambanana AJEA (Association des Jeunes Entrepreneurs Agricoles) izy tamin’ny 1993. Izy ihany koa dia anisan’ny nanorina ny fikambanana Vombo (Vovonan’ny Mpamokatra Bongolava na Fédération d'organisations paysannes du Bongolava) tamin’ny 2000, ary mbola filohan’izany fikambanana izany amin’izao fotoana izao. Ankoatr’izay dia mbola Mpikambana mavitrika ihany koa izy ao amin’ny FIFATA na Fikambanana Fampivoarana ny Tantsaha hatramin’ny 2004. Sekretera Jeneralin’io fikambanana io izy ankehitriny.

Tsy adino ihany koa fa filohan’ny filakevi-pitantanan’ny Formagri izy hatramin’ny 2006 ary filoha mpitarika ny fikambanana sady firaisamonim-pirenena mitondra ny anarana SIF na Sehatra Iombonana hoan’ny fananantany izy nanomboka ny taona 2010 ka hatramin’izao fotoana izao. Ny SIF dia mampivondrona fikambanana maro samihafa miisa roapolo eo ho eo, izay anisan’ny mpikambana ny federasionan’ny tantsaha lehibe indrindra eto Madagasikara. Nanomboka tamin’ny 2003 ny SIF no niantsehatra tamin’ny resaka fananantany raha nahita fa be ny olana mianjady amin’ny tantsaha, izay ny ankamaroany dia mpikambana ao. Manampy ny Malagasy amin’ny fiarovana ny zo amin’ny fananantany izy, singanina amin’izany ny tantsaha, raha tsy hiteny afatsy ny fiadiana amin’ny fibodoana tany ataon’ireo orinasa vaventy malagasy sy vahiny. Betsaka ny sosokevitra nentiny manoloana ny olana amin’ny resaka fananantany hatramin’ny niforonan’io vovonana io, ary dia niafara tamin’ny fanovana ny politikan’ny fananantany mihitsy izany tamin’ny 2005 sy 2015.


PRIX DU COURAGE CITOYEN 2017

 

2. ATTOMANY Alily, Ambilobe

ATTOMANY Alily dia isan’ny mpitandro ny filaminana ao CLB FIZAMITI ao Ambanja. Tamin'ny 20 Jolay 2016, izy sy ireo mpikambana dimy hafa ao amin'io vondrona io dia nandeha tany amin'ny ala honko (mangroves) Antsahampano mba hijery ny fisian'ny mpitrandraka arintany (charbon) ao amin'ilay toerana. Rehefa niverina izy ireo dia nahatsikaritra ny fisian'ny vondron'olon-tanora iray izay nanantona azy ireo avy hatrany, ary nanipy zava-maranitra azy ireo. Nandositra tany amin'ny kirihitr'ala izy ireo, ary i ATTOMANY Alily dia tsy tafiaraka tampoka tamin’ireo mpiaradia aminy. Tsikaritr’ireto vondrona tanora mpanenjika azy izy ka noenjehiny ary novonoiny, ny farany dia maty noho ny ratra nahazo azy izy. Rehefa nametraka fitarainana momba ny vono olona ny fianakaviany sy fikambanana misy azy dia nanao fanadihadiana ny zandary ary nisambotra olona marobe. Rehefa natao ny fitsarana, izay tsy natrehin’ny mpitory noho ny antony tsy fampilazana dia novotsorina noho ny fisalasalana (bénéfice du doute) ny rehetra. Ny iray tamin'izy ireo dia hita fa meloka tamin'ny famongorana hazo tsy nahazoana alalana ary voaheloka am-ponja. Rehefa nampiakatra ny raharaha tany amin’ny Cour de cassation ny CLB dia mbola tsy nahazo rariny ihany.

Raha ny resaka nifanaovan’ny fianakaviana tamin’ny mpisolovava dia mbola afaka atao ny manao fanoherana ny didy nivoaka, ka mandefa fehiteny eny amin’ny Fitsarana Tampony.


3. MAROZAFY Armand

I MAROZAFY Armand dia teraka tamin'ny 19 desambra 1965 tao Maroantsetra, mpitarika ny mpizaha tany izy ary mpino katolika. Zanaka vehivavy tantsaha avy amin'ny foko Betsimisaraka avy any avaratra atsinanan'i Madagasikara ny tenany ary niofana ho mpitantana tao amin’ny CNTEMAD. Ny taona 1995 ka hatramin’ny 2003 dia nifantoka tamin’ny tontolon’ny fizahantany izy ary dia nahazo ny carte professionnelle amin’ny maha guide touristique. Ny taona 2010 dia lany ho filoha ny COSAP Masoala (Comité d’Orientation et de Soutien d’Aires Protégés de Masoala) izy ary nanomboka niaraniasa tamina tourista amerikanina izay nanao tournage horonantsary mahakasika ny fitrandrahana sy fivarotana antsokosoko ny andramena tao amin’ny alabe AGNENA ANANDRIVOLA. Ny taona 2014 dia lasa mpandrindra lefitra ao amin'ny fiarahamonim-pirenena LAMPOGNO izy. Izany dia miasa amin'ny ady amin'ny fanondranana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary ao amin'ny faritra MAMABAIE. Mpanatrika mavitrika ny adihevitra maro sy atrikasa momba ny famongorana ny fanondranana tsy ara-dalàna ny dalbergias eto Madagasikara koa izy. Ny taona 2015 dia nosamborina izy satria nanameloka ireo mpivarotra an-tsokosoko harena voajanahary. Nomelohin’ny Fitsarana Voalohany tao Maroantsetra izy ary nahazo sazy an-tranomaizina enim-bolana ary sy onitra 12 tapitrisa Ariary. Dimy volana taorian'ny nigadrany tany am-ponjan’i Maroantsetra, ny Fitsarana Ambony tao Toamasina dia nampihena ny sazy an-tranomaizina ho efa-bolana, fa ny onitra dia mitovy ihany.

Mandrak’izao izy dia anisan’ny mavitrika tamin’ny fanamafisana ny ady amin'ny fanondranana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary amin'ny alàlan'ny fiaraha-miasa amin'ireo fikambanana miaro ny tontolo iainana sy ny zon'olombelona (toy ny Alliance Voahary gasy, CNIDH, CNPE, Amnesty International ......).

Nanampy ny mponina ao Ambanizana sy ny ESF amin'ny fanatanterahana ny tetik'asa fanentanana ho an'ny olona miisa 1300 izy.

4. RALEVA

I Raleva dia mpikambana ao amin’ny Justice et Paix sy ao amin’ny Observatoire indépendant des droits économiques, sociaux et culturels à Madagascar (OIDESCM) izay anisan’ny fikambanana tohanan’ny CCFD-Terre Solidaire. Mpiaro ny zon’olombelona amin’ny resaka tontolo iainana i Raleva. Ny antony nanenjehana azy dia ny fijoroany ho mpiaro ny zon’ny olombelona sy ny tontolo iainana manoloana ny fitrandrahana volamena izay voamarika fa tsy nanara-dalàna. Nitaky ny taratasy fanomezan-dalana itrandraka tamin’ny orinasa Mac Lai Sime Gianna izy ka dia voagadra tsotra izao ny 27 septambra 2017 tao Vohilava, ary dia nentina nafindra tany Mananjary izay nitazomana azy vonjimaika nandritran’ny dimy andro. Naiditra am-ponja izy ny 03 oktobra eo am-piandrasana ny fitsarana azy. Ny 26 oktobra 2017 dia nandeha izany fitsarana izany, ary dia voapanga roa taona an-trano maizina sazy miantona izy.

Ny 31 desambra 2017 dia nidin’ny Police des Mines ny toera-pitrandrahan’ny orinasa Mac Lai Sime Gianna volamena ao Vohilava, distrikan’i Mananjary, Faritra Vatovavy Fitovinany. Izany, dia noho ny fitokonan’ny mponina any ifotony nandritran’ny herinandro maromaro ary ny fitakiana ny rariny mahakasika ny mpiaro ny zon’olombelona sy ny tontolo iainana. Ny sazin-dRaleva kosa anefa dia mbola voatazona soamantsara.

5. RAZAFIMALALA Clovis [1]

Rain-jazakely roa, i RAZAFIMALALA Clovis dia miady amin'ny fivarotana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary, anisan’izany ny andramena. Mpandrindra ny fiarahamonimpirenena Lampogno izy, mpikatroka miaro ny tontolo iainana ary manameloka indrindra ny fifamoivoizan’ny andramena izay mitranga ao amin'ny nosy lehibe. Nahazo fandrahonana ho faty izy ary nisy nandoro mihitsy aza ny tranony tamin'ny taona 2009. Imbetsaka izy no nisy nanolotra vola - izay nolaviny – raha tokony ho takalony amin'ny fampitsaharana ny ady izay nataony amin’ny fiarovana ny ala atahorana aty Madagasikara izany. Ny varotra andramena, izay naondrana tany Chine, dia iharan'ny faneriterena iraisam-pirenena. Saingy mbola mitombo hatrany ny varotra maizina izay mitondra vola dolara aman'arivony maro. Noho ny tsy fahombiazan'ny Fanjakana eto Madagasikara dia tsy vitany ny miady amin'ny mpitrandraka antsokosoko ny andramena, ary lasa ataony fahazarana ny mampiditra am-ponja ireo rehetra izay mpiaro ny tontolo iainana. Tamin'ny volana septambra 2016, i A/toa Clovis dia naiditra tany am-ponja vonjimaika noho ny filazana sy fanendrikendrehana tamin’ny fandraisana anjara amin'ny hetsi-panoherana mahery setra any Maroantsetra any amin'ny morontsiraka avaratra atsinanan'i Madagasikara. Manamafy ny Vavolombelona fa tamin'izay fotoana izay tao amin'ny trano fisakafoanana iray no nisy ilay mafàna fo, saingy ny fitsarana natao tao Toamasina, 400 km miala ny fonenany, dia tsy naheno na oviana na oviana nandritra ny fanadihadiana.

Ny volana Jolay 2017, Clovis Razafimalala dia nahazo sazy miantona higadra dimy taona an-tranomaizina noho ny fiampangana azy. Mety hisambotra azy amin'ny fotoana rehetra ny Fitsarana.

6. SAROVY Augustin [2], Masoala

Ny mafia misehatra amin’ny ala sarobidy dia nanao hazalambo nandritran’ny volana maro an’i SAROVY Augustin. Izy dia fantatra amin’ny resaka ady amin’ny tontolo iainana izay nanamarina ary nanaporofo ho re tany ren-danitra mahakasika ny fanondranana antsokosoko ny andramena tao amin’i Masoala (Faritra Analanjirofo) eto Madagasikara izay niarahany tamin’i Alexander VON BISMARCK. Ankehitriny izy dia lasa mpitsoa-ponenana iray any Eoropa mba handosirana ny fandrahonana.

I SAROVY Augustin dia mikatsaka ny satan'ny mpitsoa-ponenana ara-tontolo iainana ary te hiady amin'ny fiarovana ny ala eto Madagasikara.

7. TSIMANIRY Pascal, Toamasina

Teraka tamin’ny 22 marsa 1960 tao Toamasina II, ary monina ao Toamasina I, Dépôt Analakininina, Parcelle 2344, i TSIMANIRY Pascal dia filohan’ny Fikambanana Miady amin’ny Tsindryhazo Lena (FMTL) ary fakitera no asa fivelomany ao Toamasina. Mivoy ny fiarovana ny « zon’ny tsirairay ny hanan-trano iray sy hanan-tany iray hipetrahana ary ho Malagasy tompon’andraikitra » ny fikambanana ka i TSIMANIRY Pascal dia anisan’ny mpitolona miady mafy ho an’ireo fokonolona.

Ny taona 2002 dia nisedra olana goavana ny mponina teo amin’ny parcelle 2344- Carreau 13 Toamasina ka niady mafy niaro ny zon’ireo mponina ny filoha ary nampigadra azy in-telo (3) tany am-ponja izany. Nandritry ny fotoana naharitra no nipetrahan’ny fokonolona teo amin’io toerana io ary nandritr’izany fotoana izany dia voalaza fa tsy misy titra ny tany nipetrahana. Taty aoriana dia nisy didy nanambara fa manan-tompo ny tany araka ny didim-pitsarana jugement n° 133 ny 09 aprily 1998. Araka io zava-nitranga io dia niaro ny tany ho an’ny fokonolona izay efa nitoetra teo ny FMTL, fikambanana notarihiny. Dingana maro no nolalovana tamin’izany fiarovana ny zon’ny fokonolona izany ka anisan’izany ny fanamarinana ity didim-pitsarana izay nivoaka ity teny anivon’ny fitsarana, niarahanatamin’ny Huissier iray tao Toamasina. Araka ny fanamarinana izay natao dia voalaza fa tsy misy ity didim-pitsarana voalaza teo aloha teo.

Ny taona 2002 dia voasambotry ny manam-pahefana i TSIMANIRY Pascal noho ny fiarovana ny fokonolona izay nataon’ny teo amin’ny Carreau 13 Toamasina I. Nihidy efatra (4) andro tao amin’ny fonjabean’ny Toamasina izy rehefa navoaka andro vitsivitsy ary nosamborina indray avy eo ka nogadraina efapolo (40) andro tao amin’ity fonjabe ity ihany.

Ny taona 2013 dia nosamborina indray izy noho ny antony izay tsy fantany ka dimy ambi-efapolo andro no nogadrana tao amin’ny fonjabean’ny Toamasina tamin’izany.

Ny taona 2018 ka hatramin’izao dia mbola mijoro ny fikambanana FMTL izay mbola tarihan’i TSIMANIRY Pascal, ary mbola mitovy ihany ny filamatrany.

8. ROBISON Pierre, Soamahamanina

 

Teraka tamin’ny 27 janoary 1960, A/toa Robison Pierre dia manambady ary manan-janaka efatra mianadahy. Zandary no asany teo aloha. Rehefa nisotro ronono izy dia nanori-ponenana tao Soamahamanina. Rehefa tonga nitrandraka volamena tany amin’io toerana io ny sinoa dia anisan’ny nanohitra izany izy, satria tsy an-drariny loatra ny natao azy sy ny mponina tao. Tsy nisy ny fifampiresahana fa tonga dia tiana noroahina tsotra izao teo amin’ny taniny zareo. Rehefa nikomy aza izy, dia voasambotra ary voaheloka tamin’ny fiarovana ny tanindrazana. Voalaza fa nitarika vahoaka hitokona tsy nahazoana alalana, nanimba ny fananam-panjakana, nandoro tanety, nanongam-panjakana ihany koa izy (7 ny fiampangana nihatra taminy), ka vokatr’izany dia nampidirina am-ponja nandritran’ny iray volana sy tapany ny tenany mandra-piandry ny fitsarana. Nahazo sazy mihantona heritaona an-tranomaizina izy tao aorian’ny fitsarana tamin’ny 2 novambra 2016.

Rehefa tafavoaka soamantsara ny fonja izy, dia tonga nijery ifotony ireo rehetra manana olana amin’ny fananantany ka mampahery azy ireo ary manoro hevitra azy ireo hahalala ny zo tokony hifandraika amin’izany. Rehefa taty aoriana dia lasa namana niara-nitolona tamin’ny SIF izy ny mba hisitrahan’ny Malagasy tsivakivolo ny taniny.

9. ANDRIANONY Andriamanantsihoarana, Soamahamanina

Teraka tamin’ny 1978 tao Mahajanga, manambady, ary mananjanaka mianadahy, monina sy mivelona ao Soamahamanina, dia mpanolotsainan’ny tanàna. Izy no faharoa tamin’ireo voasambotra mahakasika ny raharaha fitokonana manoloana ny fitrandrahana volamena nataon’ny Sinoa tao Soamahamanina. Efa nisehatra tamina resaka fiarovana ny tanàna izy ny taona 1992, resaka fitrandrahana volamena ihany ny tamin’izay, fa kosa Malagasy mpiray tanindrazana no nitrandraka.

« Amin’ny maha mpanolontsaina ny tanàna no nahatafiditra ahy tao anatin’ity tolona ity. Teo amin’ny andraikitra nosahaniko io no nahalalako ny resaka Sinoa ho avy hitrandraka volamena teto Soamahamanina », hoy izy. Teo amin’ilay resaka fandoroana tanàna no tena nanenjehana azy, ary rehefa nosamborina ka nentina tany amin’ny Brigadin’ny zandarmaria izy dia nilazana fa nisy basin’ny zandary very ka izy no anisan’ny ahiahiana amin’izany. Nisy mponina nahita anefa io basy io ary nateriny tany Ankadilalana, voaporofo amin’ny alalan’ny lettre de restitution izany. I Pierre ROBSON sy i Andriamanantsihoarana ANDRIANONY no voasambotra roa voalohany tamin’izy enina voaheloka herintaona sazy miantona tao Soamahamanina, ary milaza izy fa raha mbola ilaina dia tsy maintsy arovany mandrakariva ny tanindrazany na ahoana na ahoana.

10. RANDRIAENDRIKARIVO Fenohasina, Soamahamanina

Teraka tamin’ny 07 febroary 1996 tao Miarinarivo, i Fenohasina RANDRIAENDRIKARIVO dia zanak’i RAKOTONIRINA Christophe sy RAVOLOLOMIHANTA Christine, ary mbola mpitovo.

Mianatra eto Antananarivo izy, ary tsy nisy nidirany manokana tao anatin’ny hetsika fitokonana natao tao Soamahamanina hatramin’ny février 2017. Indray andro izy sendra nidina tany an-toerana hitsidika ny ray aman-dreniny mandritran’ny fotoana elaela. Ny alakamisy voalohany nahatany azy, andron’ny tsena, dia tsy mbola voasambotra izy raha efa nosamborina kosa ireo namany roa hafa, dia i Tsihoarana sy Robison. Ny alakamisy manaraka anefa, ny 27 septambra 2017, dia nosamborina izy noho ny antony hoe nitondra takela-tsoratra.

Tsy nanana eritreritra n’inona inona izy nefa dia io nentin’ny mpitandro filaminana io. Nankany Miarinarivo aloha, dia avy eo niakatra Antananarivo avy hatrany, miaraka amin’ny mpiray tanàna azy iray. Be ny vono nahazo manelanelana ny nanamborana azy sy ny nanapangana azy tany amin’ny tribonaly, fa dia paracétamol plaquette tokana no azony. Namela takaitra izany ary dia mbola entiny hatramin’izao isika miteny.

Toy ireo namany dimy hafa dia nahazo sazy miantona herintaona izy. Mafy ny nanjo azy, fa kosa, mbola vonona hiady hoan’ny tanindrazana izy raha ilaina izany.

11. ANDRIARAJONIAINA Tonona Guillaume, Soamahamanina

Teraka ny 17 Aogositra 1995 tao Arivonimamo izy ary mbola mpitovo. Izy dia anisan’ireo nilanja takelatsoratra mitaky ny tsy hampiasan’ny Sinoa ny taniny. Rehefa raikitra ny tora-bato sy ny tariny dia nanomboka nanipy baomby mandatsa-dranomaso ny mpitandro filaminana ary nisambotra izay tratrany. Anisan’izany voasambotr a izany i ANDRIARAJONIAINA Tonona Guillaume, ary avy dia nampidirin-dry zareo tany anaty fiarany, izay efa nisy namany hafa voasambotra tao. Maty vono izy tao raha hihazo an’i Miarinarivo hatrany Antananarivo iny, miampy latsa sy ompa. Notazomina tao Fiadanana aloha izy sy ny namany, ary nalefa tany Antanimora eo am-piandrasana ny fitsarana izay tonga ray volana taty aoriana.

Toy ireo namany dimy hafa dia nahazo sazy miantona herintaona izy ary nanova zavatra be dia be teo amin’ny fiainany iny tranga iny.

12. RANAIVOARIVELO Augustin, Soamahamanina

Teraka tamina 1958, teto Soamahamanina, manambady ary manan-janaka fito, monina sy mivelona ao Soamahamanina, i RANAIVOARIVELO Augustin dia nosamborina tao antranony raha nisakafo hariva izy mianakavikely. Nolazain’ny mpitandro filaminana izy fa tadiavin’ny lehiben’izy ireo mahakasika ny fitokonana manoloana ny fitrandrahana volamena ataon’ny Sinoa ao an-toerana. Nentina avy hatrany niakatra any Antananarivo izy miaraka amin’ny mpiray tanàna aminy iray. Toy ireo mpitolona hafa tao Soamahamanina, dia notazomina dimy andro tao amin’ny violon izy, vao nalefa niandry fitsarana teny Antanimora. Arak’izany dia mitovy amin’ireo hafa ny sazy azony, ray taona sazy miantona.

13. RATSIRINIAINA Jean Augustin, Soamahamanina

Teraka tamin’ny 28 may 1981 tao Soamahamanina, manambady ary manan-janaka telo mianadahy, i RATSIRINIAINA Jean-Augustin dia anisan’ireo mponina voasambotra tamin’ny raharaha Soamahamanina.

Fahadimy tamin’ireo nosamborina. Maty vonon’ireo mpitandro filaminana teny an-dalana izy rehefa nosamborina ka nentina niakatra tany Antananarivo. Rehefa hita fa voa mafy izy tao amin’ny violon tao Fiadanana dia nalefa tany amin’ny Toby Ratsimandrava hotsaboina. Tsy naka sarotra ny tao fa dia nasainy nandeha nitsabotena aloha. Rehefa nivezivezy eran’io karazana toera-pitsaboana io izy dia voalaza fa mila niditra hopitaly fa mila arahina akaiky ny fahasalamany. Ary dia noraisin’ny Clinique Ankadifotsy ka nijanona roa volana tao. Marihina fa nianto-tena izy tamin’ny fitsaboana natao taminy rehetra ary tsy nandeha tany am-ponja noho izany anton’ny tsy fahasalamany izany. Tafiditra tao anatin’ny fitsarana foana izy ary dia toy ny rehetra, voaheloka herintaona an-tranomaizina sazy miantona. Fehiny, mihatra hatrany ny sazy mahakasika azy araka ny lalàna velona na tsy nifonja tany Antanimora aza.

Raha ny resaka itovizan’ny rehetra dia tsy hilefitra hatramin'ny farany izy ireo ary mitohy ny tolona, na dia mbola mitatao hatrany aza ny sazy mihantona.

Mis à jour ( Vendredi, 02 Février 2018 12:30 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Toliara. Insécurité: Ankililoaka II dit «non» au «Dinabe»

 

« Pedy » Razafindratsira. Une référence de la botanique malgache s’est effacée !

 

France. Houcine Arfa a porté plainte contre la ministre malgache de la Justice

 

La Réunion. Héritage du théâtre en partage avec la Cie malgache Landyvolafotsy

 

Madagascar-Chine. Actions d’un Rakotovoavy Frédéric déterminé

 

Andry Rajoelina: «Adidy ny mitondra sy manolotra vahaolana ho an’i Madagasikara»

 

Madagascar. HP informatique: Blog Nexthope certifié pour la 2è fois consécutive

 

Hery Rajaonarimampianina. 2018 à 2030 : forcing illusoire pour deux autres mandats

...

 

Ambaranjana INSPNMAD. Rentrée universitaire 2018