]
Les quotidiens du 26 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Mialy Rajoelina, 28 Avrily 2020. Nanolotra Vatsy Tsinjo

Mialy Rajoelina, 28 Avrily 2020. Nanolotra Vatsy Tsinjo

VIDEO ETO

Amin'izao fidiran'ny mpianatra mpanala ny fanadinana izao, dia tonga nanome ny Vatsy Tsinjo ho an'ireo mpampianatra ny teo anivon'ny Fikambanana Fitia. Nahazo izany ny mpampianatra avy amin'ny CEG Nanisana, ny LTP Ampasampito, ny EPP Ankorondrano ary ny Lycée Analamahitsy.




Nanatanteraka ny fizarana izany tamin'ireo toerana ireo ny Filohan'ny Fikambanana Fitia, Ramatoa Mialy Rajoelina. Nanomboana izany, ny Talata 28 Aprily 2020 ny teny amin'ny CEG Nanisana, misy mpampianatra miisa 140.


« Antom-pisian'ny Fikambanana Fitia dia ny mitsinjo hatrany ny mpiara-belona, ary seha tra manokana iasana ny eo anivon'ny fampianarana. Mahatsapa tena izahay mànana adidy mandray andraikitra mba anohana anareo mpampianatra mpanabe, satria ianareo no mikolokolo ny zanantsika », hoy Ramatoa Mialy Rajoelina nandritra ny lahateny nataony fanolorana ny vatsy tsinjo.


Nozaraina « pack » tsirairay avy ireo mpampianatra izay misy : Fonosana Covid-Organics ho an’ny fianakaviana, vary 5 kg, voamaina 2kg, menaka, ronono, siramamy, moringa (voanambo), sira, tantely, arovava roa avy amin’ny Fikambanana Fitia ary gel hydroalcoolique fanasana tanàna.


Nampirisika hatrany ny asa makadiry izay iantsorohan'ireto mpampianatra ireto ihany koa ny Fikambanana Fitia. Nasiana fanazavana ihany koa ny momba ny fampiasana ny fonosana Covid-Organics izay sahaza ho an'ny fianakaviana iray : ampangotrahana amin'ny rano roa litatra dia arotsaka ao anaty rano mangotraka ny fonosana iray, dia avela mangotraka mandritra ny roa minitra. Esorina avy eo ambony afo dia avela hilona mandritra ny 15 minitra. Tsy azo haverina hafanaina fa tsy maintsy sotroina ka taperina ao anatin’ny iray andro.


Momban’ny fisotroana azy ho an'ny ankizy dia 33 cl in-telo mandritra ny herinandro, mifanelanelana iray andro. Izany hoe raha nisotro androany alatsinainy, dia tsy misotro raha tsy aminy alaobia. Ho an’ny lehibe indray dia 33 cl in-droa isan'andro mandritra ny herinandro. Marihana fa ireo zaza izay efa nisotro tany ampianarana dia tsy nisotro an'ity fonosana vao nozaraina ity, fa ireo tsy mbola nisotro no misotro azy ity.


« Mitondra fahavitrihana ho an'ny mpampianatra ny fanampiana toy izao », hoy ny tale ny CEG Nanisana, Ramatoa Andrianasolo Fanjatiana. Ho an'ireo ankizy mpianatra izay tsy te hisotro ity Covid-Organics ity dia tsy terena fa manana safidy izy ireo. Tao amin’ny CEG Nanisana dia miisa 24 ireo tsy misotro, misy amin'izy ireo no efa nisotro teny anivon'ny fokontany ka tsy misotro intsony any an-tsekoly.


Ary dia nitovy amin’izay fizotrany tao amin’ny Ceg Nanisana izay ny zava-niseho sy notontosaina tany amin’ny LTP Ampasampito, ny EPP Ankorondrano ary ny Lycée Analamahitsy fa ny isan’ny mpianatra sy mampianatra no samihafa. Marihina fa mpianatra hanala fanadinana ihany ireo mpianatra niverina nianatra ireo.

Andry Rakotonirainy

Mis Ă  jour ( Mercredi, 29 Avril 2020 13:22 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety