]
Les quotidiens du 20 Sep 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Fiangonana Loterana Malagasy. Hampiasa ny tolotra Paositra Money

Fiangonana Loterana Malagasy. Hampiasa ny tolotra Paositra Money

Nandritra ny valan-dresaka natao ny Filoham-pirenena, Andriamatoa Andry Rajoelina, tao amin'ny TVM ny 03 mey 2020, dia anisany dingana lehibe tratrarina ny fidirana ao anatin'ny "digitalisation". Tomponandraikitra voalohany amin'ny fanatanteraha izany ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampiroboroboana ny Haitao ra-kajy Mirindra.

Ny Alatsinainy 04 mey 2020 dia efa nisy fifanaovan-tsonia ny fifanaraha-mpiara-miasa teo amin'ny Foibe Loterana Malagasy -FLM- izay nosoloin'i Pastora Dr Rakotonirina David tena sy ny Paositra Malagasy tamin'ny alalan'ny Tale Jeneraly, Andriamatoa Ranarison Richard, teny amin'ny Foiben'ny Loterana eny Isoraka.

Tafiditra anatin'izao fifanarahana izao ny hampiasan'ny FLM manerana ny Madagasikara ny tolotra Paositra Money amin'ny fandraharahana ara-bola rehetra ataon'izy ireo. Isan'izany ny Vatsin'ny Pastora, ny Fampandehanan-draharaha. Marihana fa efa mahatratra 600 mahery ny kaonty efa misokatra. Ny tanjona dia ny hatratrarana hatrany amin'ny 2000 mahery ka hahazo anjara amin'izany ireo Pastora sy mpianatra teolojia.

Nisongadina nandritran'ny fifanaovan-tsonia ihany koa ny mahakasika ny fitaterana entana amin'ny alĂ lan'ny tolotra Paositra Rapida ao amin'ny Paositra Malagasy ary ny hafahan'ny FLM manerana ny Nosy ho tonga "distributeur" an'ny Paositra Malagasy.

Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana teny an-toerana, ny Ministry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, Andriamatoa Ramaherijaona Andriamanohisoa ; ny Filohan'ny Filan-kevim-pitantanan'ny Paositra Malagasy, Andriamatoa Rabemananjara Elire ; ny Fianakaviam-ben'ny Paositra Malagasy ary ireo solotena avy amin'ny Foibe Loterana.

 

Soratra : Andry Rakotonirainy – Sary : Harilala Randrianarison

Mis Ă  jour ( Lundi, 04 Mai 2020 23:48 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024

 

« LA TRAVERSEE DES VALLEES MA.FA.NA », UN PROJET DE MA.FA.NA ANTANANARIVO POUR LES VALLEES MANAGNANO – FAROGNY - NAMOROGNA

 

ALAIN DELON. DECEDE CE 18 AOUT 2024 A L'AGE DE 88 ANS

 

ROMI VOOS ANDRIANARISOA. LA VERITE VRAIE ET OFFICIELLE SUR LE CAS DE CETTE FRANCO-MALGACHE

 

Toamasina, 26 juillet 2024. Journée mondiale contre le travail des enfants à Madagascar

 

Madagascar : Application des lois. Un jour viendra le Développement, si…, par Jeannot Ramambazafy

 

Madagascar. Justin Tokely, élu Président de l’Assemblée nationale