]
Les quotidiens du 25 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Vehivavy vao avy niteraka. Ny loto no tena mahatonga ny sovoka

Vehivavy vao avy niteraka. Ny loto no tena mahatonga ny sovoka

Matetika rentsika amin’ny haino vaki-jery ny fanentanana momba ny fampinonon-jaza, izay mahasalama fitombon’ny zaza. Tsy diso velively ireny fa tena ilaina tokoa ny torohevitra nomen’ny mpampivelona sy ny mpitsabo dia manamafy fa tsaratsara kokoa raha toa ka ny nonon-dreny irery ihany no omena zaza mandritra ny faha-enim-bolany.

Ny eo amin’ny maternité Marie Stops manokana dia misy teny filamatra «Mama manabe haizana ny mampinono zaza». Izany hoe : mandritra ny enim-bolana dia ny nonon-dreny irery ihany no omena ny zaza. Ny fikarakarana ny zaza dia mihainga hatrany amin’ny fanarahana ny fahasalaman-dreny amin’izy mitondra vohoka iny mandram-piterahana, araka ny fanazavana nomen’i mpampivelona RANDRIAMIARANTSOA Hasina Fanambinana.

Mandritra ny fizahana ny fihetsehan’ny zaza no ahitana ny toe-pahasalamany, ny fahazakan’ilay zaza eo ampiterahana ary ny fitempon’ny fo. Ny tsy fanarahana ireo pitsopitson’ny fahasalaman’ny Reny sy zaza ambohoka matetika no mahatonga ny fahatesan’ny zaza na ny Reny eo am-piterahana. Olana ihany koa anefa ny tsy fahampian’ny hoenti-manana ka zary sakana tsy hanatonana ny toeram-pitsaboana rehefa hiteraka, fa aleon’izy ireo miteraka any an-trano.


Ny vokany dia indraindray tsy ara-dalàna ny fizahana ara-pahasalamana atao amin’ilay Reny ka mety hahafaty ny reny na ilay zaza. Mahatonga fahafatesana ihany koa ny fahatarana manatona toeram-pitsaboana izay efa sarotra fampiterahana vao mandeha. Raha hiteraka amin’ny toeram-pitsaboana mantsy indrindra fa ny tsy miankina dia ilaina ny fanomanana izay farafa-keliny telo hetsy ariary, izay tafiditra amin’io fandidiana raha toa ka saro-piterahana ilay reny.

Ny fiterahana ara-dalàna indray dia mety mahatratra 160.000 ariary ny lany. Io anefa dia arakarakin’ny efitrano ilain’ilay olona amin’ny toeram-pitsaboana izay misy sarany ihany koa. Raha ny tena izy anefa dia tena zava-dehibe ny fanaraham-pahasalamana atao amin’ilay vehivavy mandritra fitondrana vohoka.

Ao anatin’izany ny fisafoana, satria manomboka eo dia efa mba fantatra mialoha ny toe-pahasalaman’ilay reny hiatrika ny fiterahana sy hafahana manomana mialoha ny vola ilaina. Izay marihana fa mety ho hisy fanafody ilaina amin’ny fotoana fiterahana.


Aorinan’ny fiterahana dia maro ireo vehivavy no mifana mandritra ny iray volana mahery. Io dia antony iray izay tena hatahoran’ny olona mifana satria hoe sao voan’ny sovoka. Araka ny fanazavana anefa dia ny loto no mahatonga ny sovoka. Torohevitra nomen’ny mpampivelona ho an’ireo tera-bao : ny tsara atao rehefa avy teraka ny vehivavy dia atao mifanaraka amin’ny toe-andro ny akanjo hanaovana.

Izany hoe, raha mafana ny andro dia akanjo manifinify fa tsy voatery mafana. Tsy tsara ihany koa raha iray volana sy tapany vao miharina eo am-pandriana, satria ny vehivavy rehefa matory maharitra eo am-pandriana dia lasa misy fiforonan’ny vainga-dra any amin’ny ranjon-tongotra ary miakatra tsikelikely ka manentsina ny avokavoka ary mety mahafaty tampoka.

Noho izany dia ilaina ny madio lalandava, mandro sy misasa mba ialana amin’ny loto izay mahatonga ny sovoka. Tsy mijanona ela am-pandriana fa raha azo atao dia mandehandeha eraky ny trano. Aorian’ny adin’ny enina hiterahana ny vehivavy, dia efa afaka mandray ny fiainany mahazatra izy, saingy tsy mahazo manao vizaka be.

Andry Rakotonirainy

Mis Ă  jour ( Vendredi, 04 Septembre 2020 15:31 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety