Marc Ravalomanana : mitaraina toa zazakely sisa ve e ?!

Ndry ! Dia tsy mahomby intsony izany ny fomba fiasan’ireo mpanolo-tsainy (na Malagasy na vahiny), ka dia izy mihitsy izao no mirotsaka miaro fatratra ny tenany. Fa hono hoy aho, leiretsy : angaha mbola Filoham-pirenena izy moa ka afaka manoratra amin’itony taratasy misy ny fitombokasem-panjakana Malagasy sy ny “titre” hoe : Prezidan’ny Reoblika ? Asa fa ho an’ny Vazaha dia « usurpation de titre » no dikany io. Satria Filoha teo aloha izy araky ny Tondrozotra ihany.
Dika teny malalaka
Taratasy avy any amin’ny Filoha Marc Ravalomanana ho an’ny Troïka SADC, – 12 Septambra 2012
Tompokolahy mana-kaja isany,
Voatery mizara aminareo ny trangan-javatra niseho vao aingana izaho, izay sady mifanipaka amin’ny Tondro zotra, no koa fitadiavana hevitra hanakanana tsy hiverina any Madagasikara, araky ny fanapaha-kevitry ny SADC, tamin’ny fivorian’ny SADC tao Maputo, ny 17 sy 18 Aogositra 2012. Ampiarahako amin’ity taratasy ity ny fanambarana ambany fanianana napetrak’i David Erleigh, teny amin’ny fitsaran’ny “procureur”, ny 7 Septambra 2012. Tsy iverenako eto ny vontoatin’ilay fanambarana ao anatin’io taratasy io. Ny any tiako ambara [aminareo] dia ny hoe : fanàlam-baraka mahamenatra, lavitry ny fahamarinana tanteraka tsotra izao ny mirakitra ao.
Ilay fanambarana dia milaza fa izaho, izay mipetraka aty Afrika Atsimo, dia toa hoe nanao fandikan-dalàna idiran-doza: mamporisika na mitetka hamporisika olona ao Madagasikara hamono hahafaty an’Andriamatoa Andry Rajoelina sy olon’ambony Malagasy sasantsasany.
====================
NB : marihina fa tsy misy sonia ity taratasy ity (jereo ery ambony amin’ny teny anglisy).
Ndrô mahavariana ! Izy Ravalomanana marina ve no nanoratra an’io taratasy io ? Araky ny fiteny dia mipetraka ny fanontaniana hoe: dia laza zazakely tokoa ve I Dada ka any amin’ireo Dadaben’ny SADC no mitaraina fa ampijaliana foana izy izay anjely latsakan-tany satria vao tsy ela dia “voafidy” ho Filoha Lefitry ny FJKM ? Ny Tantara aoriana no hanambara ny tena marina, ry zanalo isany. Amen.
Jeannot RAMAMBAZAFY – 12 Septambra 2012
=================================
Nisy tohiny kay ilay resaka.Satria tsy tapitra teo akory ilay taratasy fa dia olona asa loatra no namita-tena nandefa azy taty amiko. Fa dia i Dada tokoa no niditra an-tsehatra mivantana, misalotra io hoe : The President of the Republic » ery ambony ery. Jereo :

Ary nobaikony Ingahy Brian Currin (mpisolovavany) hanao izay mety e. F’angaha dia tsy aninona tsy aninona mihitsy i Me Hanitra Razafimanantsoa ?