Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Newsflash

Madagasikara Governemanta : fanambarana voinam-pirenena

FAMPITAM-BAOVAO

FANAMBARANA VOINAM-PIRENENA

Mahazoarivo, ny 24 Janoary 2020 – Manoloana ny voina izay nihatra tamin’ny faritra maromaro izay nateraky ny rotsak ’orana be loatra dia nampiantso fivoriana tsy ara-potoana ny filankevi-pirenena mikasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza amin’ny maha-filoha mpitantana io rafitra io azy ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian teto Mahazoarivo androany.


Fivoriana izay nandinihana sy namakafakana ireo fahavoazana misy ka ahafahana mamaritra paikady entina mitondra vahaolana sy fanampiana avy hatrany ho an’ireo traboina ary hanarenana farany izay haingana ny fahasimbana misy, indrindra amin’ireo Faritra fito izay tena nitondra takaitra. Raha ny tarehimarika voaray nandritra ny fivoriana dia fantatra fa manodidina ny 80.000 ny isan’ireo tra-boina, 21 no namoy ny ainy ary 20 no tsy hita popoka, tarehimarika izay mety hisy fiovana. Misy eo ankilan’izany ny fahatapahan’ny lalana maromaro, toy ny RN4, RN6, RN7, RN1 BIS, RN3A, RN34.


Noho izany dia nanao “fanambarana voinam-pirenena” na “déclaration de sinistre national”, noho ny voina nateraky ny andro ratsy izay nitondra rotsak’orana be loatra ny Praiminisitra, ka ankoatra ny fampiasana ireo fitaovana rehetra eo am-pelatanana dia manao antso avo amin’ny rehetra izy mba hifanome Tanana amin’ny vonjy aina sy ny fanarenana ny fahasimbana.

Entanina ny rehetra ho mailo ny amin’ireo loza maro mety hiseho tahaka ny fiakaran’ny rano sy ny fihotsahan’ny tany, fahatapahan’ny andrin-jiro…; ary hanaraka ireo toromarika izay omen’ireo tompon’andraikitra.

Ny Serasera

Articles similaires