Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Newsflash

Madagasikara: Manohana tanteraka ny MAPAR ny mpitolona any Frantsa

FANAMBARANA

Izahay Delegasiona Naman’i Filoha mpitari-tolona, mamim-bahoaka Andry RAJOELINA aty Frantsa, izay nandray anjara feno tamin’ny fanohanana ny kandida Hery Vaovaon’i Madagasikara nandritra ny fampielezan-kevitra dia manao an’izao fanambaràna izao :

– Manoloana ny savorovoro politika nateraky ny fihetsiky ny mpitarika ny HVM sy ireo mpiara-dia aminy, dia maneho ny tsy fankasitrahanay ny fanilikilihana ny MAPAR izay angady nanànana sy vy nahitana izao fitondrana izao.

– Noho izany, manaraka an-kitsipo ny toromarika politika avy amin’ny Filoha mpitari-tolona Andry Rajoelina. Ary manohana tanteraka ireo Depiote MAPAR sy izay miara-dia aminy, ary koa mankasitraka ny fanoloran’ny MAPAR ho Praiministra an’i Haja André RESAMPA.

Antananarivo, faha 23 febroary 2014

Ireo mpikambana ao amin’ny Delegasiona:

Tinah RAVELOMANANTSOA

Organes RAKOTOVAO

David RAZANANTSOA

Michel RAMAHARAVO

Michel ANDRIANAIVO

Hilarion RASAMIMANANA

Picard LOUIS

Joseph RAKOTOVAO

Adrien RAKOTONIRINA

Dolatina RANDRIAMAHAFALY

Articles similaires