Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Madagate affiche

OJM Madagasikara. Voafidy ho Filoha ara-dalàna i Monica Rasoloarison

FAMPITAM-BAOVAO

Ny Voamiera itambarana misahana ny fikarakarana ny fifidianana ny birao maharitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, dia miarahaba ny mpanao gazety nahatontosa ny fifidianana izay natao ny sabotsy 16 oktobra 2021teo, manerana ny Nosy.


Maneho etoana ny fankasitraha antsika mpanao gazety rehetra manerana ny Nosy ary mankasitraka manokana ireo mpikamban’ny Voamiera teny anivon’ny faritra izay niandraikitra arak’izay voalazan’ny didy aman-dalàna nybiraom-pifidianana teny amin’ny faritra.

Toa io manaraka amin’ny sary io ny vokatr’iny fifidianana iny, arak’ireo fitanana an-tsoratra :


Ireto indray kosa ny antsipirihiny isam-paritra :


Arak’izany, ny Voamiera itambarana misahana ny fikarakarana ny fifidianana sy ny Birao maharitra ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM), dia manambara fa voafidy ho mpikambana ao amin’ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara ny lisitra tarihin-dRamatoa Rasoloarison Harimbola Monica.


Ho fampitahana dia ampahafantarina amintsika fa tamin’ny taona 2014 dia mpanao gazety 557 tamin’ireo 2013 voasoratra anarana no tonga nifidy. Izany hoe : 46,30% ny taham-pandraisana anjara. 376 no nifidy ny Filoha Gérard Rakotonirina tamin’izany. Izany hoe : 31,26%-ny mpanao gazety ary ny fotoam-piasany dia tapitra tamin’ny taona 2017. Kanefa tsy nikarakara fifidianana vaovao mihitsy ny OJM hatramin’io 16 Oktobra 2021 io.

Ampahan’ny lahatsoratro tamin’ny 13 Desambra 2014, efa ho fito taona lasa izay

Izany hoe,teo anelanelan’ny taona 2017 sy 2021 5mandat iray izany) dia Filoha vonjimaika fotsiny ihany Atoa Gérard fa ny fampandehanan-draharaha ihany no nosahaniny. Ny fanontaniana mipetraka izany dia ny hoe : iza no nanolotra an’i Marc Antoine Klimchand ho mpisolo ny mpanao gazety malagasy eo anivon’ny CENI ?

Jeannot Ramambazafy

Articles similaires