]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Madagasikara OJM. "Avereno ifotony", hoy i Jean Luc Rahaga

Madagasikara OJM. "Avereno ifotony", hoy i Jean Luc Rahaga

RAHAGA Jean Luc
FANAMBARANA

Nangina tsy niteny ny tenako raha nivoaka ny Alatsinainy 10 Novambra 2014 teo ny vokatra ofisialy izay nolazaina fa tsy azo ivalozana. Raha izay tokoa no nitranga dia tsy ho nisy mihitsy ny savorovoro. Noeritreretina tokoa fa mpanao gazety matotra no nikarakara sy nitantana iny fifidianana iny tamin’ny alàlan’ny fanendrena avy amin’ny ministeran’ny Serasera, ny Fampahalalam-baovao ary ny Fifandraisana amin’ny Andrim-panjakana. Tsy izay anefa no niseho, niarahantsika nahita izany.

Noho izany dia :
- Lavinay, izaho sy ireo mpanao gazety an-jatony maro nanohana, ny voka-pifidianana tamin’ny asabotsy 08 novambra 2014 lasa teo iny. Teo amin’ny toeran’ny Sekretera jeneraly dia elanelam-bato roa monja no nanasaraka ny mpifaninana voalaza fa voalohany sy ny tenako. Raha toa ka nisy tany ho any isam-bato folo voalaza fa hita tampoka teo amin’ny toerana ny Filoha dia azo lazaina avy hatrany fa misy vato folo hafa na maherin’izany nafenina ihany koa tany ho any izay nisafidy ny tenako.

- Takiana ny famerenana hatramin’ifotony ny fikarakarana ny fifidianana. Ny voalohany dia ny mikasika ny lisi-pifidianana izay fantatry ny manana saina mahiratra fa feno hosoka. Nampidirina tao anatin’izany lisitra izany na ny mpamafa trano na ny mpamily amin’ny orinasa sasany. Eo ihany koa ny fanapahana ireo faritra ahitĂ na ny biraom-pifidianana ("dĂ©coupage Ă©lectorale").

- Taorian’ny fametram-pialan’ny mpikambana efatra tao amin’ny komity mpikarakara dia takiana ny fametraham-pialan’ireo mpikambana ambiny. Tsy ilaina ary tsy ekena ny fitsabatsabahan’ny mpitondra fanjakana sasany amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.
« Ny mpanao gazety, olo-mendrika »

Natao teto Antananarivo, ny faha-12 novambra 2014.

RAHAGA Jean Luc
Mpanao gazety
Kandidà eo amin’ny toeran’ny Sekretera jeneraly

Mis Ă  jour ( Mercredi, 12 Novembre 2014 19:48 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...