]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Madagasikara Asan-gazety: Nitsangana ny FOTM

Madagasikara Asan-gazety: Nitsangana ny FOTM

Raharahan’ny samy Malagasy izy ity ary mahakasika ny hoavin’ireo zandry handimby rahatrizay ka dia amin’ny teny malagasy no nanaovana ity fampitam-baovao ity.

FIOMBONAMBEN’NY ORINASAN – GAZETY TSY MIANKINA

ETO MADAGASIKARA (FOTM)

Fifandraisana : 034 05 570 70 – 034 05 503 69

N 002/14-FOTM/BV

FAMPITAM-BAOVAO

Fitsanganan’ny « Fiombonamben’ny Orinasan – gazety

Tsy miankina eto Madagasikara »

Manoloana ireo savorovoro isan-karazany, vokatry ny fitsabahan’ny Fanjakana amin’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara sy ny fisian’ny teritery samihafa, mivantana na an-kolaka, eo amin’ny fitrandrahana sy famoaham-baovao atao amin’ny mpanao gazety, dia tafatsangana, ny Asabotsy faha-14 Novambra 2014 lasa teo, ny «Fiombonamben’ny Orinasan-gazety Tsy miankina eto Madagasikara» (FOTM) na ny «ConfĂ©dĂ©ration des Media PrivĂ©s de Madagascar» (CMPM).

Ivondronan’ireo Tompona gazety, tomponandrakitra eo anivon’ny gazety ary mpanao gazety tsy miankina amin’ny Fanjakana ity « FOTM » ity.

Ireo asa goavana ho tanterahiny dia:

* Hiaro ny orinasa sy ny asa fanaovan-gazety tsy miankina amin’ny Fanjakana, avy amin’ny fampiasana ireo didy aman-dalàna ampiarina eto amin’ny Firenena ;

* Hitsangana ho fahefana ara-moraly ka hanao izay hipetrahan’ny «dĂ©ontologie» sy «éthique» bebe kokoa eo anivon’ny asa fanaovan-gazety tsy miankina.

Niraisan’ny rehetra feo arak’izany fa ireto olona, voalaza manaraka ireto, no itantàna ny Birao vonjimaika:

1- Rolly Mercia (Tale Jeneraly «Groupe de Presse Sodiat»)

2- Lola Rasoamaharo (Filohan’ny « La Gazette de la Grande Ile »)

3- Franck Ramarosaona (Talen’ny Famoahana «Groupe de Presse Ultima MĂ©dia»)

4- Lalatiana Rakotondrazafy (Mpanorina-Talen’ny Famoahan’ny Radio «Free Fm»)

5- Rocco Rasoanaivo (Talen’ny Famoahan’ny «La Nation»)

6- Tiana Rakoto (Talen’ny Famoahan’ny «Inona no Vaovao»)

7- LepĂȘcheur Araffat (Talen’ny Famoahan’ny «Ino vaovao Faritany»)

8- Jeannot Ramambazafy (Talen’ny Famohana sy Tonian’ny Fanoratana ao amin’ny Gazety mailaka «Madagate.com»)

9- Michel Ralibera (Tonian’ny Fanoratana-Mpamakafaka ara politika ao amin’ny Radio «Ny Antsiva»)

10- Heriniaina Andrianirina (Mpanao Gazety ao amin’ny «Gazetiko»).

Ny «FOTM» dia hanao ho vaindohan-draharaha, amin’ny asa sy hetsika rehetra izay hataony, ny fanamafisan’orina hatrany ny firaisan-kina sy ny fivondronan’ireo Orinasa sy ireo Mpikirakira rehetra asa fanaovan-gazety tsy miankina eto amin’ny Firenena.

 

Nandritra io fotoana io ihany koa no nanaovan’ny «FOTM» fanambarana voalohany, izay toy izao ny votoatiny:

* Manoloana ny fitsabahan’ny Fanjakana tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany izay ho Filoha sy ho Mpikambana handrafitra ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara, izay niteraka savorovoro sy fampisaraham - bazana eo amin’ny samy mpanao gazety , ny «FOTM» dia miantso ny mpanao gazety rehetra, tsy an-kanavaka manerana an’i Madagasikara, mba tsy handatsam-bato amin’ny fifidianana fihodinana faharoa izay kasaina hatao amin’ny Alarobia faha 19 Novambra 2014 hoavy izao ;

* Raha mbola misy ihany anefa ny fikasana hanao bodongerona ka hanaovana izany fifidianana izany, dia milaza mazava ny «FOTM» fa tsy mankatoa velively izay Birao vaovaon’ny Holafitry ny Mpanao Gazety mety hitsangana eo.

Antananarivo, faha 16 Novambra 2014

Ny Birao vonjimaika

Mis Ă  jour ( Lundi, 17 Novembre 2014 00:24 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...