]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Antsakabary: Fanambaran'ny Vovonana Mampiray ny Fanorenana sy ny Fanarenana

Antsakabary: Fanambaran'ny Vovonana Mampiray ny Fanorenana sy ny Fanarenana

FANAMBARANA

Manoloana ny habibiana tsy roa aman-tany nitranga tany amin’ireo fokontany tao anatin’ny Kaomina Antsakabary – Distrika Befandriana Avaratra dia manao izao fanambarana manaraka izao ny mpikambana ato amin’ny Birao maharitry ny « Vovonana Mampiray ny vahoaka malagasy ny fanorenana ifotony sy ny fanarenana an’i Madagasikara ».

Taorian’ny fitsanganana vavolombelona nataon’ireo Sojabe, ny Mompera any Antsakabary, ireo fokonolona niharan’ny doro-trano sy fiangonana miisa 487 sy rava fananana nohon’ny fanahiniana nataon’ireo polisy sady niteraka fahafatesana vavy antitra iray dia manameloka izany ny « Vovonana Mampiray » satria tena manitsakitsaka ny Zon’Olombelona izany fihetsika baribariana nataon’ireo polisy tamin’ny mpiray tanindrazana izany. Nofanina manokana hitandro toy ny anakan’andriamaso ny fiarovana sy ny fampiharana ny Zon’olombelona ny mpitandro ny filaminana, mandrindra ny filaminam-bahoaka, miaro ny vahoaka sy ny fananany ny mpitandro filaminana fa tsy sanatria mandoro trano fonenana sy mandrava fananana amin’izao efa fahantrana lalina mianjady amin’ny vahoaka maro an’isa izao, indrindra fa ireo fokonolona niharan’ny habibiana sy ny fampijaliana tao amin’ny Kaomina Antsakabary. Tapaka ny fianaran’ny mpianatra satria tapitra may ny fitaovam-pianarana. Aza adino fa tsy tongan’ny fiara izany Kaomina izany fa amin’ny alalan’ny moto na bisikileta na mandeha tongotra eo amin’ny 135 km mahery vao tonga any amin’ny Befandriana Avaratra.

Nalefa hisambotra ireo olona nanao « fitsaram-bahoaka » ka nahafaty ireo polisy roa ireto polisy miisa 40 mahery ireto fa tsy hanao « valy faty » sy « fitsaran’ny polisy mivantana ireo fokonolona tsy manan-tsiny » tamin’ny fokontany miisa enina izay nolalovany izay mielanelana eo amin’ny 4 sy 6 kilometatra avy. Tsy tan-dalĂ na ireto polisy ireto satria fantany tsara ny andraikiny dia ny fitondrana ireo noheverina fa meloka teo anivon’ny Tribonaly Ambaratonga voalohany tao Mandritsara na Antsohihy fa tsy nandoro trano sy nampijaly ny fokonolona mpiray tanĂ na. Inona marina ny « baiko azon’ireto polisy ireto» tamin’izao iraka izao !

Mankahery ireo fokonolona sady maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakaviana niaram-boina izahay.

Na nihoam-pefy na tsia ireto polisy nalefa namita iraka tany Antsakabary ireto dia ny fanjakana no tompon’andraikitra feno voalohany ka miantso ny fitondrana izahay handray andraikitra amin’ny fanonerana tsy misy atak’andro ireo tsy manan-tsiny niara-boina isan-tokan-trano ary handray fepetra hentitra amin’ireo izay nahavanon-doza toy izao mba ho ohatra velona ho an’ireo mpitandro filaminana hafa mety hihoam-pefy ka tsy hiverenan’ny toe-javatra mampalahelo toy izao intsony eto amin’ny firenena. Tsy loza ara-boajanahary izao tranga izao ka apetraka ho andraikitry ny BNGRC sy ny tsipaipaika (TĂ©lĂ©thon) ataon’ny mpiray tanindrazana fa tena endriky ny « Fanjakana tsy tan-dalĂ na » izao ka mitaky fandraisana andraikitra maika sy fanovana ny toe-tsaina mifanilika adidy. Tsy mila miandry fitoriana akory ny mpitondra manoloana izao heloka be vava izao fa avy hatrany dia mampiseho ny fahadisoany ny mpitondra fanjakana ka mitondra ny fialan-tsiny sy fifonana ary fiaraha-miory ampahibemaso. Endriky ny «Fanjakana tsara tantana » izany.

Ny « Vovonana Mampiray » dia mitsipaka marin-drano sady manameloka ny « fitsaram-bahoaka » satria tsy mifanaraka amin’ny Soatoavina malagasy izany sady tsy manaja no manitsakitsaka ny lalĂ na manan-kery sy ny fanjakana tan-dalĂ na, ny Zon’Olombelona sy ny Lalana iraisam-pirenena.

Tsy tongatonga ho azy anefa ny « fitsaram-bahoaka » satria tsy mahatoky intsony ny rafitra sy ny fitondram-panjakana ary ny fitsarana ny vahoaka nohon’ny kolikoly, ny fanaparam-pahefana ataon’ny mpitondra izay nampidramin’ny vahoaka ny fahefana isan’ambaratongany ao anatin’ny fotoana voafetra araka ny voafaritra ao anatin’ny LalĂ m-panorenana, ny firaisana tsikombakomba amin’ireo vahiny lazaina fa « mpandraharaha » ka lasa « tompony mangataka atiny ny vahoaka », ny fitsinjarana tsy ara-drariny ny harem-pirenena, ny fisian’ny « dahalo » izay mampandry tsy lavo loha ny vahoaka isam-paritra, ny fandraisana anjaran’ireo mpitandro filaminana sasany amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo jiolahy ka mampirongatra ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy, ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena izay fananana iombonan’ny malagasy, ny fifangongon’ny fahefana eo anivon’ny foibem-pitondrana,
 Mitarika amin’ny « fampahatrana hatrany ny vahoaka » izany tranga rehetra izany.

NOHO IREO ANTONY IREO DIA:

Mitaky vaha-olana maika izany rehetra izany satria efa eo anoloan’ny « hantsana mangitsokitsoka » ny raharaham-pirenena ary ho « rava ny firenena » raha tsy miara-mientana isika rehetra handinika sy hamakafaka izao olana goavana mangeja ny tanindrazantsika;

Manao antso avo amin’ny Filoham-pirenena sy ireo mpomba ny fitondrana ankehitriny, ny mpanohitra, ny fiaraha-monim-pirenena, ireo mpitandro ny filamianana (polisy – zandary – miaramila), ireo olom-pirenena tsotra tia tanindrazana ny «Vovonana Mampiray » mba hifanatona sy hiray hina ary hiaraka hanomana ny « Loabary an-dasy nasionaly ho fanorenana ifotony sy ny fanarenana ny firenena » mialohan’ny fifidianana ny Filoham-pirenena mba hisorohana ny korontana izay mety hitranga eto Madagaikara mialoha na aorian’izany fifidianana izany.

Ny fanorenana an’i Madagasikara dia mifototra amin’ny fanorenana ara-panahy sy ara-moraly, ny fanovana ny rafitra sy ny toe-tsaina, ny famolavolana ny Satan’ny Fihavanana Malagasy na ny “Charte des valeurs sur le Fihavanana” ka hiverina eo anivon’ny FOKONOLONA FOTOTRY NY FIRENENA ny hasina, firaisam-po, firaisankina, fifanampiana, fifampitokisana, fifankatiavana, teny ieràna, fifanajana amin’ny samy Malagasy izay hatratrarana ny tanjona ara-toekarena dia ny fampandrosoana lovan-jafy eto Madagasikara.

Marihina fa ato ho ato ny « Vovonana Mampiray ny vahoaka malagasy ny fanorenana ifotony sy ny fanarenana ny an’i Madagasikara” dia hitondra fanazavana feno momban’ny tena mampiavaka ny “Loabary an-dasy nasionaly ho fanorenana ifotony sy fanarenana an’i Madagasikara” raha ampitahaina amin’ireo Fivoriana samihafa teo aloha ho an’ny mpiray tanindrazana sy ny Vondrona Iraisam-pirenena.

MASINA NY TANINDRAZANA

ANDRIAMANITRA MIARO AN’I MADAGASIKARA

Natao teto Antananarivo, androany faha 06 marsa 2017


Arlette RAMAROSON

Filohan’ny Vovonana Mampiray

Mpitsara Iraisam-pirenena teo aloha

Mis Ă  jour ( Lundi, 06 Mars 2017 12:46 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...