COMMUNIQUE
Atelier pour la restructuration de l’Armée Malagasy
Mahazoarivo, le 20 janvier 2020 – Le Premier ministre, Chef du gouvernement, Christian Ntsay, a honoré de sa présence l’ouverture de l’Atelier pour la restructuration de l’Armée Malagasy, organisé par les hauts responsables de l’Armée, et qui s’est tenu aujourd’hui au CCI Ivato. L’atelier a eu pour objectif principal l’application des stratégies de réforme au niveau de l’Armée Malagasy, et a vu la présence des membres du gouvernement dont les attributions sont concernées par la sécurité.
Le Premier ministre a affirmé que dans le cadre des défis et des objectifs fixés suivant les directives du Président de la République, nous devons inexorablement opter pour la mise en place de nouvelles stratégies au niveau de l’Armée Malagasy, et ce, pour satisfaire les nécessités du pays en la matière.
« Aucune forme de développement n’est envisageable sans la stabilité en termes de sécurité », a déclaré le Premier ministre. Mais, toutefois, cette optique exige la prise de responsabilité de la part des forces de l’ordre, surtout en milieu rural. Pour cette affirmation, il a pris exemple de la surveillance des zones maritimes et des côtes de Madagascar, en avançant que nous sommes actuellement en phase de promotion de l’économie bleue. Aussi, a-t-il ajouté, y a-t-il lieu d’étudier une stratégie bien définie, ainsi que la position géographique du camp maritime pour que la protection du littoral Malagasy fasse réellement office de levier de développement, vue la richesse en ressources halieutiques du pays.
Le Chef du gouvernement a salué tous les efforts déployés par l’Armée Malagasy durant l’année 2019 ; entre autres, l’étroite collaboration avec la Gendarmerie Nationale et la Police Nationale dans la résolution des problèmes d’insécurité, ce qui valide d’ailleurs la complémentarité entre tous les éléments de la force de l’ordre, et de surcroît, a permis des résultats à court terme. De plus, continuait-il, l’Armée a contribué de façon significative au soutien du peuple lors des différents cataclysmes tels que les sérieux incendies et les inondations qui ont surgi dans le pays, et ce, via les « actions civilo-militaire ».
« Chacun devrait être convaincu de la nécessité de la réforme, car il sied de reconnaître que cela s’avère difficile de travailler avec les anciennes structures mises en place en 1960 puisqu’elles ne s’adaptent guère à l’actuel processus de développement auquel le pays a opté », a conclu le Premier ministre.
La Direction de la Communication
********************
DIKAN-TENY
Ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly de Division Rakotonirina Léon Jean Richard, eo amin'ny micro, teny amin'ny ccI Ivato
Tonga nanokatra ny atrikasa izay ataon’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny tafika Malagasy, teny amin’ny CCI Ivato ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian. Dinikasa entina manatanteraka ny rindran-damina amin’ny fanavaozana ny rafitry ny Tafika, izay natrehin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta voakasika amin’ny sehatry ny fandriampahalemana.
Nambaran’ny Praiminisitra fa ho fanatrarana ny tanjona sy ny fanamby izay napetraka, izay mifanaraka amin’ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika, dia tsy maintsy hirosoana ny fametrahana rindran-damina vaovao mifanaraka amin’ny filàn’ny firenena eo anivon’ny tafika Malagasy.
“Tsy misy fampandrosoana azo eritreretina eto amin’ny firenena raha tsy mipetraka ny filaminana”, hoy ny Praiminisitra. Izany anefa dia miankina amin’ny fandraisana andraikitry ny mpitandro ny filaminana isan-tsokajiny, indrindra ny eny ifotony. Noraisiny ho ohatra ny fiarovana ny fari-dranomasina sy ny sisin-dranomasin’i Madagasikara, efa miroso amin’ny fampiroboroboana ny toekarena manga isika amin’izao fotoana izao. Ka izay no tokony handinihana paikady mazava sy ny toerana tokony hasiana ny tobin’ny tafika an-dranomasina mba ho tena fanohitra iray ahafahana mampandroso ny firenena, ny fiarovana ny sisin-dranomasina sy ny fari-dranomasina manerana ny Nosy noho ny fisian’ireo harena an-dranomasina maro ananan’i Madagasikara.
Nankasitrahan’ny Lehiben’ny governemanta ireo ezaka efa nataon’ny tafika Malagasy nandritra iny taona 2019 iny. Teo ny fiaraha-miasa sy ny fiarahana nisalahy tamin’ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena ho famahana ny olana amin’ny fandriampahalemana, izay manaporofo ny fifamenoana andraikitra eo amin’ny mpitandro ny filaminana rehetra, ka nahitam-bokatra tao anatin’ny fotoana fohy. Manaraka izay dia nanampy betsaka ny vahoaka ny tafika nandritra ireny voina, toy ny haintrano sy ny tondra-drano, izay niseho teto amin’ny firenena ireny, tamin’ny alalan’ny «actions civilo-militaire».
“Tokony ho resy lahatra amin’ny anaovana ny fanavaozana ny rehetra, satria sarotra ny mampiasa ny rafitra izay napetraka tany amin’ny taona 1960, kanefa tsy mifanaraka amin’ny filàn’ny firenena amin’ny zotram-pampandrosoana apetraka amin’izao fotoana izao”, hoy hatrany ny Praiminisitra.
Serasera Primatiora