]
Les quotidiens du 21 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Société Civile SeFaFi Madagasikara. Ny kolontsainan’ny tombontsoa manokana : fampianarana ambony sy fampitam-baovao

SeFaFi Madagasikara. Ny kolontsainan’ny tombontsoa manokana : fampianarana ambony sy fampitam-baovao

SeFaFi

SEHATRA FANARAHA-MASO NY FIAINAM-PIRENENA

Observatoire de la Vie Publique

Lot III M 33 K Andrefan’Ambohijanahary, Antananarivo 101

Tél. 032 59 761 62   Email : Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir. Site Web : www.sefafi.mg

 

Ny kolontsainan’ny tombontsoa manokana : fampianarana ambony sy fampitam-baovao

Tamin’ny toriteniny teny Soamandrakizay, tamin’ny 8 septambra teo, ny papa Fransoa dia nampitandrina antsika ny amin’ny « kolon-tsainan’ny tombontsoa manokana sy ny fanilikilihana », satria ny tombontsoa manokan’ny sasantsasany dia miafara amin’ny fanilikilihana ny besinimaro. Tena misy dia misy tokoa io kolontsaina io, ary misy ohatra roa vao tsy ela akory izay manamarina izany, ary tena manjopiaka :

Ny kolontsainan’ny tombontsoa manokan’ny mpampianatra eny amin’ny oniversite

Ny Fivorian’ny prezidà sy ny filohan’ny sampan-draharahan’ny Fampianarana ambony (Copries) dia nihaona tamin’ny 3 septambra 2019 tao amin’ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika. Nisy mpampianatra – mpikaroka nitarika fitokonana tsy voafetra ho fanoherana ny fehinkevitra noraisina tamin’izany.

- Ora famenony : Toherin’ny mpitokona ny vina hametra ny ora fanampiny tsy hihoatra ny adiny 1.500 mandritra ny taona oniversitera iray ho an’ny mpampianatra iray. Misy marina mantsy sasany amin’izy ireo no milaza ho nahavita adiny 3.000 isan-taona, ka mandraoka vola mahatratra Ariary am-polo tapitrisany maro ho famenon’ny karamany sy ny tambin’ny karamany samihafa. Kajy tsotra kely fotsiny anefa dia ampy ahitana fa hadisoana mihoapampana ny fihetsika tahaka an’io. Ny taona oniversitera iray dia ahitana herinandro 25. Tena tsy azo ialana araka izany ny famerana ny ora famenony hifanaraka amin’ny fitsinjarana azy am-pahendrena, satria ireny mpampianatra ireny dia efa tsy maintsy miandraikitra ny ora iasany ara-dalàna rahateo, miampy ny asam-pikarohana izay mibahana ny fotoanany raha ny tokony ho izy, araka ny satan-dry zareo.

- Ny fifehezana ny dingana arahina rehefa hamita iraka any ivelany. Ny asan’ny mpampianatra–mpikaroka dia midika ho fandraisana anjara amina fihaonana iraisam-pirenena, noho izany fandehanana any ivelan’ny firenena. Mpiasam-panjakana ny mpampianatra, mitaky fahazoan-dalana daholo rehefa mety ho fivoahana any ivelany ary tsy maintsy arovan’ny Fanjakana ny mpiasany mandeha any. Na izany na tsy izany, noho izy mpiasam-panjakana fotsiny dia tsy maintsy itakiana an’io fahazoan-dalana mialoha io. Saingy tsy mankatoa izany ny mpampianatra-mpikaroka sasany : tiany harovana ny tombontsoa handeha any ivelany araka izay itiavany azy, tahaka ireny olona miasa ho an’ny tenany ireny, nefa mbola miampy ny fiantohana avy amin’ny sata maha mpiasam-panjakana azy.

- Ny fametrahana lehiben’ny fitantam-bola any amin’ny oniversite. Afa-tsy raha hoe nisy fanovana fitsipika, rehefa mety ho orinasam-panjakana dia tsy maintsy manaiky hanana fitantanam-bola hentitra manamarina ny nampiasana ny volam-bahoaka. Koa nahoana moa ny oniversitem-panjakana – izay misitraka ny tetibolam-panjakana na dia amin’ny ampahany ihany aza, no handà hampiseho ny fitantanam-bolany amin’ny lehiben’ny fitantanam-bola ? Fandavana mampiahiahy, avy amin’ny toeram-piasana ahitana mpampianatra misahana ny fampianarana momba ny volam-panjakana !

Ny mpampianatra amin’ny ambaratonga ambony dia tokony ho tandindon’ny olomanga avara-pianarana eto amin'ny firenena, ary amin'ny alalan'ny fihetsiny dia tokony ho fakan-tahaka izy ireo amin'ny fiaraha-miezaka mba hanatsarana ny fomba fanao eny anivon’ny asam-panjakana

Ny kolontsainan’ny tombontsoa manokan’ny fampitam-baovao

Nisy zava-niseho lasa ambentin-dresaka. Ny 28 aogositra, ny CUA (Kaominina Antananarivo renivohitra) dia nisakana ny hidiran’ny iraka nahitana injeniera sinoa roa tao amin’ny kianjaben’i Mahamasina, nalefan’ny Prezidansa handinika ny tetika hanavaozana ny kianja. Ny 30 aogositra dia nisy angidimbỳ an’ny tafika nipetraka teo amin’ny kianja. Niverimberina tany amin’ny tambajotram-pifandraisana ilay raharaha ka nifangaro tao na ny vaovao tsy marina na ny ompa sy ny fanalàm-baràka ny tafika. Ny ampitson’iny dia nisy gazety nanamafy fa ny Fanjakana dia tsy niraharaha ny fandraràna nataon’ny CUA ka nandefa angidimbỳ an’ny tafika nisy Sinoa tao anatiny.

Ny 1° septambra ihany dia nisy mpanao gazety izay namoaka ireny vaovao ireny nampiantsoin’ny zandary misahana ny heloka bevava noho ny fitarainan’ny Filohan’ny etamazaoro jeneraly. Namita iraka hitsirika ny toerana mifandraika amin’ny fiarovana ny papa Fransoa mandritra ny fitsidihana hataony atsy ho atsy kosa no nambaran’ny tafika ho anton-dian’ilay angidimbỳ teny.

Niaiky ireo mpanao gazety ny 19 septambra fa tsy nanamarina ny loharanom-baovao azony, ka nosazian’ny tribonaly handoa lamandy 10 tapitrisa Ariary avy ny mpanao gazety roa noho ny famoahana vaoavao tsy marina sy fanalam-baraka, araka ny lalàna manan-kery. Dia nirehitra indray ny tambajotram-pifandraisana ary nirefodrefotra ny vava be, miantsoantso ny fanitsakitsahana ny fahafahana maneho hevitra sy ny fanampenam-bava ny gazety. Saingy na ohatra aza ka tsy isalasalana fa mihoa-pampana ilay sazy, moa ve izany no tsy hampitombina azy ?

Tsy dia tsotra loatra mantsy ny raharaha. Avy hatrany ianao dia ho resy lahatra raha vao mamaky gazety fotsiny, na mihaino fampielezampeo, na mijery ny fahitalavitra isan-karazany. Moa ve tena marina ny « vaovao » ampitain’ireny filazam-baovao ireny, sa mifanohitra amin’izany, boriborina, tsy feno, miangatra, nodisoina – izany hoe tsy nohamarinina tsara ? Nihanahazo vahana be, taona vitsivitsy lasa izay, ny fake news (vaovao tsy marina), fantatsika rehetra izany. Rariny loatra noho izany raha manontany tena hoe azo itokisana tokoa ve ny vaovao miely ?

Tsy tokony ho vata fanamafisam-peo ho an’izao honohono rehetra izao fotsiny ny gazety satria te hamoaka zava-manaitra. Zo ny fahafahan’ny gazety nefa mitaky andraikitra koa izany. Tsy maintsy hentitra ny mpanao gazety, na amin’ny fomba fisainany na amin’ny fomba fiasany.

Mba hahavitany izany dia tsy maintsy manamarina ny loharanom-baovaony ary mampitaha azy amin’ny loharano hafa ny mpanao gazety. Mahamenatra ve raha tsy matoky azy ho mpandala ny marina isika, na tsy matoky ny fahaizan’ireo mpanao gazety mampahalala vaovao antsika ? Tsy manitsakitsaka ny fahafahana maneho hevitra ny mitsikera ny mpanao gazety miandany na manao rainazy na mitandrevaka. Tena tsy manimba ny fahafahan’ny gazety mihitsy fa mainka koa aza manamafy azy ny fanasaziana ny famoahana vaovao tsy tena marina na mifono hevitra ambadika : izany no manery ny mpanao gazety hanamarina ny vaovaony ary tsy ho resin’ny kolikoly sy ny fanafenam-baovao na ny fanosoram-potaka.

Tsy lavina aloha fa misy mpanao gazety tsy mankasitraka ny hanoherana ny zavatra nosoratany. Raha manao izany izy dia resin’ny kolontsainan’ny fitadiavana tombontsoa manokana, ilay hahatonga ny fanaovan-gazety ho tsy maty manota – izany anefa dia tsy ho azo ekena na oviana na oviana. Mitondra mankany amin’ny zavatra iray hafa miharihary koa io zavatra tsikaritra io dia ny tsy fahampian’ny fitaizan-tsaina azon’ny mpanao gazety sasany eto amin’ny Nosy. Matetika loatra ny gazety no miresaka raharaha ara-pitsarana, ara-toekarena, ara-toebola, ara-piarahamonina, ara-pinoana, na zavatra hafa dia mampalahelo fa miharihary ny tsy fifehezany an’ilay izy, ary ny iafarany matetika dia manjary milaza lainga na zavatra hita miharihary fa diso. Ny kianina etoana dia ny fifanohanan’ny mpiray asa na amina zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny aza, izay manjary fitsipika tsy maintsy arahina raha vao misy fitsikerana ny mpikambana amin’ny vondron’asa, toy ny fianakaviamben’ny mpitsara, ny mpitandro ny filaminana, ny mpiasan’ny fahasalamana... ary ny asa fanaovan-gazety!

Manana adidy, noho izany, ny tontolon’ny fanaovana gazety hieritreritra kokoa ny fari-pifehezana sy ny fepetra fototry ny asa, mba hanandratana ny hasin’ny mpanao gazety sy ny fahatokisana ny fampitam-baovao malagasy[1].

Antananarivo, 27 septembra 2019

 


[1]. « Loharano telo no niavian’ny olan’ny fanaovan-gazety malagasy ankehitriny. Voalohany, ny tsy fahampian’ny fanofanana ny olona zavon-tany tonga ao amin’ilay asa satria tsy te ho tsy an’asa fotsiny, na voasariky ny fiandrandrana felaka [vola omena tsimoramora ny mpanao gazety], noho izany izy ireny dia tsy mahay afa-tsy tazan-davitra fotsiny ny fitsipiky ny asa sy ny ethìka. Faharoa, tsy misy ny toromarika : ny Holafitry ny mpanao gazety sady lany daty no tsy mba hita, ary mihavitsy hatrany ireo tranainy afaka manery ny andiany vaovao hanana fitondran-tena tsara na dia ny faran’izay bitika indrindra aza, izany no mahatonga an’ireo “ lasan-ko vavany ” hanjary mpitondra ny fanilon’ny fahafahan’ny fanaovan-gazety, nefa dia zara raha misy mpihaino izy ireny rehefa jerena ny lalana nodiaviny. Ary fahatelo, noho ny zava-misy ara-piarahamonina sy ara-toekarena ny mpanao gazety dia lasa manaiky ny fanao izay ifandaminan’ny mpanome kolikoly sy ny mpandray kolikoly amin’ny alalan’ny “ valopy kely” », Ndimby A., les droits et les devoirs, Madagascar Tribune, 18 aogositra 2014.

Mis à jour ( Mercredi, 09 Octobre 2019 19:54 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024