]
Les quotidiens du 22 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Edito et News Shina: mifindra amin'ny olombelona ny gripan’akoho H7N9

Shina: mifindra amin'ny olombelona ny gripan’akoho H7N9

Email Imprimer PDF

Hianjadiam-pahasahiranana tanteraka ireo mpianatra Malagasy any Sina.

Ankoatra ny fahataran’ny vatsim-pianaran’izy ireo izay efa nampanantenain’ny Filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina tamin’ny fihaonana tamin’ny solontenan’ny mpianatra ny 22 Martsa 2013 tao Macau, dia tandidomin-doza indray izy ireo.

Nanamafy ny fisiany sy ny fihanaky ary ny fifindran’ny “grippe aviaire H7N9” amin’ny olombelona ny ministeran’ny Fahasalamana aty Shina, indrindra fa ny any amin’ny faritra atsinanan’ny Shina, Shanghai sy Nanjing ary Hainan.

Fantatra amin’izao fa mihanaka ary miha mahazo vahana any Shina ny "grippe aviaire" amin’izao vanim-potoana izao.

Fotoana indrindra izay mapihanaka ity aretina ity izao noho ny fifindramonin’ireo vorona mamonjy tany mafana, satria dia efa manomboka miha mafana ny toetr’andro any Shina amin’izao fotoana izao.

Tena mampivarahontsana ny Sinoa tokoa ity trangan’aretina ity satria tamin’ny taona lasa dia efa nisy trangan’aretina ka nahafatesana olona maro.

Ny ministeran’ny Raharaham-bahiny sinoa noho izany dia namoaka filazana fampitandremana ho an’ireo teratany vahiny mipetraka aty Shina mba handray fepetra makasika izany mba hisorohana ny fihanaky ny valan’aretina.

Tsara ho marihina fa ny “grippe aviaire H7N9” dia aretina mpahazo ny biby (akoho amam-borona, kisoa…) ary mifindra ihany koa amin’ny olombelona.


Misy ny fepetra tsy maintsy raisina mba hisorohana ny fihanak'io aretina io:

- Tsy azo atao ny mifandray na mifampikasoka amin’ny akoho amam’borona fiompy na voron-dia, kisoa (volailles, oiseaux sauvages et porcs vivants…) indrindra fa eny an-tsena;

- Raràna ny mihinana sakafo avy amin'ireo biby ireo;

- Mila manasa Tanana matetika amin’ny savony.

Ny hena azo avy amin'ny akoho amam-borona sy ny kisoa anefa no tena sakafo fihinana sy mora vidy any Shina;

Hidiram-paty antoka araka izany ny varotra akoho amam-borona eny an-tsena na dia efa milatsaka ambany dia ambany aza ny vidiny.

Ohatra:

- Any amin’ny Faritany Zhejiang araka ny loharanom-baovao “Agence Chine nouvelle” dia midina hatrany amin’ny 20% ny vidiny;

- Any amin’ny tanànan’ny Shijiazhuang dia mitotongana hatrany amin’ny + 50%;

- Ny Toeram-pisakafoanana tahaka ny Mc Donald dia efa mampidina hatrany amin’ny 40%, amin’ny sakafo amidiny mba hisintomana sy hitazomana ny mpanjifa ao aminy.

Nampita ny vaovao: Mpianatra Malagasy any Shina, 10 Aprily 2013

Mis à jour ( Mercredi, 10 Avril 2013 17:44 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA