]
Les quotidiens du 28 Dec 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Madagasikara : tsy resy tsy akory ny olo-mangina

Madagasikara : tsy resy tsy akory ny olo-mangina

Eny r’Ingahy Rasolo. Arak’ilay fandaharan’i Latimer Rangers tao amin’ny Rnm dia voaray soa aman-tsara ny taratasinao nalefa mailaka. Koa dia indro, ho an’ny mpamakin’ny Madagate ny vontoatiny. Tsy nampiana, tsy nanalana fa nahitsy ny tsipelina diso.

Jeannot Ramambazafy

Rehefa tsy nanoratra ela ela I Rasolo dia betsaka no  nety nilaza hoe : resy na tsy mahita tenenina intsony matoa tsy miteny. Diso izany fa ny Tantara dia mbola mitohy ary saika marina daholo ny voalaza teto:

Ao ilay hoe: raha mbola tsy mahatsiaro tena foana ireo avy nitondra dia ry ingahy Ravalomananana sy ny mpomba azy ankolaka sy mivantana izany; raha mbola mihevin-tena ho tsy nanao ratsy sy nanaotao foana izy ireo dia mbola ho lava io tetezamita io. Satria tadidio sy fantaro ny Tantara fa izay mpitondra avy nanaotao foana sy namono olona teo amin’ny fitondrany dia nahalala nipetraka sy nifitsaka ary nangina daholo rehefa voahala na voahilika, toa an-dry dadabe Tsiranana sy Ratsiraka taloha izany .

Hisy hiteny any hoe: samihafa ny taloha Rasolo a! Marina izany saingy tadidio fa nisy tolona fanonganana sy fanilihana ny jadona teto tamin’ny taona 2009 na inona filazana izany na inona. Ekena fa tolona nataon’ny ampaham-bahoaka aman’aliny sy aman’hetsiny manerana ny Nosy izany; tolona nataon’ny olona sahirana sy madinika; nataon’ny mpanao politika sasany voan’ny tsindry hazolena; tolona nataon’ny ampahana mpitandro filaminana natao ankilabao; tolona nataon’ny mpandraharaha voageja ara-ekonomika nohon’ny ampihimamba nataon’ny orinasan-dRavalomanana:  Tiko , Magro , Alma, sns.

Etsy andaniny dia misy koa anefa antokon'olona  na sarangan’olona tsy nanao ny tolona 2009 ary mankahala mafy iny tolona iny dia ireo olona mpomban-dRavalomanana iringiriny izany: ireo sarangan’olona salasalany, ambony, avara-pianarana. Indrindra fa ny Merina sasany nahita tombotsoa na tsy nahita tombotsoa tamin-dRavalomanana fa nentin’ny resaka fihaviana amin’ny ankapobeny.  Tao koa ny ankamaroan’ny ao anatin’ny fiangonana Fjkm satria filoha lefitra tao ingahy Ravalomanana, eny fa na hatramin’izao aza, sns. Eo koa ny mpanao gazety maro  any anaty: Midi , Gazetiko ,Tia Tanindrazana , Valosoa , Taratra , Telonohorefy, Basy vava, Tribune
, sy ireo mpanao gazety tsy miankina maromaro. Mody ny manodidina an-dRajoelina no haratsiana isan’andro isan’ andro nefa ny fitondrana tetezamita sy ny filoha rajoelina mihintsy no tiana azera, sns.

Noho izany tsy mahagaga raha mitambatra ny Seces (mpampianatra ambaratonga ambony), Smm (fivondronan’ny mpitsara) ary ny mpiasam-panjakana ambony sasany, satria hatrany amboalohany, ny «  tĂȘtes pensantse » na ny ati-doha vitsy ao anatin’izy ireo dia efa nankahala ny fitondrana nentin-dRajoelina, indrindra ny tao anatin’ny Seces. Efa nambarako, herinatona mahery, izay. Irika na kendrin-tohana fotsiny iny raharaha polisy sy mpitsara tany Toliary iny ; ary tsy tongatonga ho azy ny fiarahana, indrindra fa teo koa ny filazan-dRavalomanana hoe tsy maintsy ho avy  ato ho ato. Efa vita ny planina hanakorontanana ny firenena. Tsy miaro ny polisy vitsy nanaotao foana akory ny tena, fa apetraka ny fanontaniana hoe : fa mba nigrevy ve ireto Seces, Smm, mpiasam-panjakana ambony sasany  ireto isaky ny nisy famonoan’olona marobe nitranga  teto amin’ny firenena ? Ohatra ny tamin’ny taona 2009 ireny ? Ny valiny, Tompoko, dia TSIA: tsy nisy nigrevy izy ireo ; sa rehefa ny ao anaty “corps” ihany no misy maty dia izay ihany no izy , fa ny an’ny vahoaka tsy fatin’olona ?

Raha ny tokony ho izy dia tokony tsy ahomby izany grevy lava reny izany, ary tokony tsy ahasarika mpiasa maro. Eny Ankatso angamba no azo heverina fa hisy izany; mety hisy minisitera vitsy eo ampiandohana ahatarika ihany satria hisy ny fitarihana ankeriny,  ankolaka na mivantana mpiasa sy ny  fanafenana lakile (mety ho  ny minisitera azon-dry Magro).

Ilay toe-tsaina mialohan’ny krismasy no tiana lazaina  amin’izany rehetra izany : marina fa tsy fanao ny mitsara olona fa izany andro 22 desambra izany anie ka fotoana fanaovana « trĂȘve » hisainana sy handraisana ny Krisimasy  e ! Nefa dia izany grevy ao anaty Krisimasy izany no anaty fisainan-dry Seces, Smm , mpiasam-panjakana ambony sasany ; ary « entre parenthĂšse » no ilazana fa tamin’ny fifidianana diakona tany amin’ny fiangonana Fjkm sasany farany teo dia natao izay tsy ahalany izay olona manakaiky an’i Andry rajoelina, ary nahomby ny tetika. Toe-tsaina ohatra izany no mibaiko ireny olona ambony jerena ivelany ho mpivavaka ireny ary tsy mahagaga raha toa ataon’Andriamanitra mihodikodina migrevy izy ireny satria tsy fantantr‘izy ireny izay ataony.

Misy lahatr’Andriamanitra izao zava-misy izao ary tsy tongatonga ho azy eo amin’ny fitondrana ny Filoha Rajoelina fa voatendry izy. Tsy anjely akory anefa izy sy ny manodidina azy. Mbola fanontaniana ny hoe: mbola voatendry ho Filohan’ny Repoblika ve izy sa ity Tetezamita ity ihany no nanendrena azy ? Ny tantara no hitsara izany

Mandra-panoratra dia mirary Fety faran'ny taona ho an'ny rehetra.

Rasolo

Mis Ă  jour ( Jeudi, 22 DĂ©cembre 2011 06:36 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny PremiÚre Dame, Mialy R. Rajoelina

 

Antananarivo. Harilalala Ramanantsoa, kandida NumĂ©ro 7. Ny antony hifidianana azy ho Ben’ny TanĂ na

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, Ă©lu 47e PrĂ©sident des États-Unis d’AmĂ©rique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024