Be ny resaka mandeha momba ity aretina Coronavirus ity maneran-tany. Ao ny Malagasy toa anao, toa aho no miezaka sy maniry mafy ho tonga eto Madagasikara izy io. Efa “zombies” ireny (izany hoe lolovokatra efa maty eritreritra sy fanahy fa tsangan'olona sisa). Fa inona marina moa ity aretina mifindra nipoitra avy tao amin'ny faritra Wuhan any Chine ity, ny volana Desambra 2019 ? Izao ary ny fandehany azavaiko amina fomba tsotra fa mazava ho an'ny rehetra.
Ny aretina ankapobeny
Ny aretina Coronavirus 2019 na COVID-19 dia aretina mora mifindra avy amina viriosy na virosy (“virus”) vaovao izay mbola tsy voafaritra ao anatin'ny olombelona hatramin'izay. Io virosy io dia mitondra aretina toa ny gripa miaraka amina kohoka, tazo ary tevika na pnemônia (“pneumonie”) mitarika fahasemporana rehefa tsy voafehy. Ny fomba fiarovana aminy voalohany azo atao izany aloha dia ny fanasà na tà nana matetika sy ny tsy fikasiana ny tarehy mihitsy.
Ny fifindran'ny aretina
Ny fifindran'io COVID-19 io dia amin'ny alalan'ny olona efa tratrany izay mievona, mikohoka, mitsonika lelo ny orony, marary tenda, voan'ny tazo, eny tratry ny fahasemporana sy pnemônia araka ny voalaza eo ambony ka mety hitarika fahafatesana. Rehefa mikohoka izy ireo na koa mievona dia ny rora sy lelo mipitika no mamindra ny aretina any amin'ny olon-kafa manodidina. Ireo ihany ny fomba fifindran'ny COVID-19 mivantana. Ny sisa dia resaky ny “zombies” voalaza ery ambony. Eto dia marihina fa ny olona mety hamindra ny aretina dia avy any amin'ny firenena nidiran'io aretina io izay nandeha fiaramanidina na sambo fa tsy olona tsy nihetsika teto Madagasikara mihitsy akory. 157 no isan'ny firenena misy io COVID-19 io..
Marihina ihany koa fa fotoan'ny gripa sy sery eto Madagasikara amin'izao famaranana ny volana marsa izao. Maro ny zazakely, ny ankizy sy ny olon-dehibe mievina, mikohoka sy seriserena ary mitsonika mihitsy aza ny oron'izy ireo ary miakatra mari-pana ihany koa. Tsy midika velively izany fa voan'ny COVID-19 izy ireo monina any anivon'ny fokontany rehetra any, raha tsy hoe nisy olona avy any ivelan'i Madagasikara no misy ireo fisehoana ireo ary tsy nanaraka ny toro-marika napetraky ny fanjakana. Samia mailo daholo fa kosa tsy manorotoro fahatany sao higadra.
Italia...
Ireo olona ahiana mora andairan'io COVID-19 io dia efa nahazo taona ny ankamaroany ary taizana aretina toa sohika na asima (“asthme”), diabeta na aretim-po. Izay no mahatonga ny Italia be olom-pirenena matin'io COVID-19 io ao Eoropa satria mihoatra ny 20% ny mponiny no feno 65 taona miakatra. Ary ireo Italianina zokiny ireo no manana fahefam-bidy mandeha mitety izao tontolo izao amin'ny alalalan'ireny hoe “bateaux de croisière” (sambo avo lenta ho an'ny mpizahan-tany) ireo. Fantaro ary fa ny iray amin'izany sambo izany no nampidina mpizahan-tany iray tao La Réunion, ny 11 marsa 2020, izay tratry ny COVID-19. 80 taona io lehilahy io ary avy eo nisy vehivavy iray, 78 taona, no tratry ny aretina ary avy amin'io sambo io ihany. Raha zohina izany dia ny avy any ivelany hatrany no mamindra amin'ireo tena mponina amina firenena iray. Ny olona ihany izany no mamindra fa tsy ny entana na koa fitaovana. Tokony hazava ho an'ny rehetra izany ary ilaina haverina matetika.
Vola amina milara
Aleho hazava tsara koa ny resaka fa, hatreto aloha, tsy misy fanafody na vaksiny mahasitrana io COVID-19 io na dia efa mikaon-doha mafy ny manam-pahaizana maneran-tany ary vola be tsy voatanisa no atokan'ireo firenena matanjaka hiarovana ny toe-kareny. Ny fanjakana sinoa no loha laharana, izay nanome 70 miliara euros hanampiana ny toe-kareny; manaraka ny fanjakana anglisy izay nanokana 55 miliara euros hanampiana ireo orinasany; fahatelo ny fanjakana frantsay izay nanokana 45 miliara euros hanampiana ny orinasany. Ny orinasa izany no tsy handoa jiro sy rano fa tsy ny olo-tsotra frantsay velively. Aoka hijanona ny tsaho momba io ry Malagasy very jery a!
Fiarovana
Sarotra ny manome daty amin'ny ilazana hoe : “hita ny fanafody na vaksiny mahasitrana io aretina COVID-19 io”. Ny any azo atao mandrapahatonga izany vaovao mahafaly izany dia ireto fepetra manara ireto :
*ManasĂ tĂ nana matetika amin'ny rano sy savony
*Tapeno amin'ny lanton-tsandry ny vava sy ny orona raha mikohoka na mievina.Tapeno amin'ny mosara azo ariana ny vava sy ny orona rehefa mikohoka na mievina. Ataovy fahazarana ny tsy mandrora na mandrehoka amin'ny tany
*Ataovy fahazarana ny tsy mifandray tĂ nana rehefa mifampiarahaba
*Hajao ny elanelana iray metatra amin'ny olona mikohoka na mafana hoditra
*Ataovy mahazatra ny tsy misikotra orona na mikosoka maso na koa mikasoka ny vava amin'ny tĂ nana.
Â
Ho an'ny “olo-tsotra”
Raha toa ka mikohoka na mievona ianao ary koa voan'ny sery sy gripa ary koa miakatra mari-pana dia izao atao :
*MangalĂ aina ary matoria
*Aza mandeha amina toerana be rivotra sy/na mangatsiaka
*Misotro rano matetika
* Arovy ny tendanao
Â
Ho an'ny olona avy ivelany
Ireo olona rehetra avy ivelan'ny Nosy ka tonga ao Ivato na eny amina seranan-tsambo malagasy dia efa mazava ny toro-marika nanaovany sonia mazava :
*Mijanona an-trano mandritra ny 14 andro na roa herinandro
*Mangala ny mari-pananao isan'andro (tokony tsy mihoatra ny 36°)
*Ny mpitsabo no manatona anao fa tsy ianao no mivoaka ny trano ho any amina tobim-pahasalamana irery.
Â
COVID-19 nahafaty mpanao gazety
Tsy mifidy olona, saranga sy fiaviana ity COVID-19 ity. Ny 16 Marsa lasa teo ary dia nodimandry tao Parisy ny namana mpanao gazety Jean-Michel Denis, 70 taona. Voazala fa io Coronavirus COVID-19 io no nandavo azy. Marihina f'efa tsy dia salama loatra izy nanomboka ny volana febroary. Anisan'ireo mpanao gazety nanandratra avo ny mozika avy aty Afrika i Jean-Michel, ary i Pélagie vadiny rahateo moa Ivoarianina. Tao amin'ny gazety boky “Jeune Afrique” no tena nahafantarana an'i Jean-Michel Denis. Fa nanoratra boky koa izy, mitondra ny lohateny hoe “Les mots du passé” izay nahazoany ny loka “Roman de l'été, Femme actuelle”, ny taona 2012. Tantara noforonina (“roman”) izy io. Betsaka ireo karazana gazety boky nahitana ny asa sorany toa “Afrique Magazine”, “Le Monde” ary “Paris Match”. Eny lasa i Jean-Michel Denis fa ny asany mitoetra.
Endémie, épidémie sy pandémie
Matetika dia afangaron'ny olona ireo teny frantsay ireo izay tsy hananako ny dikany amin'ny teny malagasy. Fa tsy asian-tsika olana. Misaotra. Inona tokoa moa ireo raha aretina no resahina ?
Endémie
Io dia manambara aretina mahazatra miseho amina faritra tokana ihany ary mahakasika ny mponina ao anatin'izany faritra izany. Io voambolana io no ampiasaina rehefa fantatra ny fisian'ilay aretina, fa tsy midika hoe nitombo na niparitaka fa eo foana kosa. Ohatra ny tazo vony na “fièvre jaune” izay misy aty Afrika sy any Amerika atsimo.
Epidémie
Io indray dia filazana aretina mitombo ary miparitaka faran'izay malaky ao anatina faritra iray. Azo adika amin'izao manaraka izao io voambolana io : “tranga tsy ara-dalà na miseho amina olona marobe ao anatina faritra iray ary miparitaka ao anatina fotoana fohy dia fohy”. Ohatra ny gripa, ny pesta efa fanta-tsika malagasy ary voafehin'ny fanjakana ihany.
Pandémie
Io voambolana farany io dia manambara aretina mitombo ary miparitaka faran'izay malaky ivelana faritra na sisin-tany maro ary tsy mbola ahitana fanafodiny na vaksiny fanefitra. Io pandémie io no filazana an'ity COVID-19 ity, izay miparitaka ao anatina firenena miisa 157 maneran-tany amin'izao volana marsa 2020 izao. Teo amin'ny Tantaran'ny zanak'olombelona dia nisy ny pandémie amin'ireto aretina manaraka ireto: peste, choléra, variole, grippe, typhus, tuberculose, poliomyélite ary sida.
Grippe espagnole (Grippe 1 souche H1N1)
Fa ny pandémie tena namono olona be indrindra teto an-tany dia ny grippe espagnole nandripaka olona miisa 50 tapitrisa anelanelan'ny taona 1918 sy 1920. Fantaro fa tamin'ny Ady lehibe voalohany 1914-1918, dia miaramila 10 tapitrisa sy sivily 9 tapitrisa no namoy ny ainy ! Mbola tsy antsasak'io grippe espagnole voalaza io. Amin'ny maha pandémie azy dia ireto avy ny firenena voakasik'io grippe espagnole 1918-1920 io : Inde (olona 18,5 tapitrisa no maty); Chine (9,5 tapitrisy no maty); Europe occidentale (2,3 tapitrisa no maty); Etats Unis (675.000 no maty).
Ny Ady lehibe faharoa 1939-1945 kosa dia nahafaty olona 60 tapitrisa ! Maromaro ihany ny tanora malagasy nanome ny ainy tao anatin'izany Ady lehibe roa izany... COVID-19 ve ? Samia isika manaraka ny toro-marika ofisialy rehetra fa raha samy mitaintaina ihany isika mianakavy dia tadidio fa mandalo fotsiny ihany izy io. Toa ny fandalovanao eto an-tany. Ny aorian'io no tokony efa ataon'ireo izay mbola velona vonona...
Jeannot Ramambazafy