]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles CORONAVIRUS SY COVID-19. Maro ireo manafangaro ireo

CORONAVIRUS SY COVID-19. Maro ireo manafangaro ireo

Adidiko izany ny manazava fa lasa diso hatrany ny andraisan’ny olon-tsotra azy. Izany rahateo koa no anisan’ny asa makadiry sahan’ny mpanao gazety : fanabeazana. Andao ary.


Ny «virus», na virosy amin’ny teny malagasy dia karazana mikraoby manokana, mbola kely indray noho ny bakteria fa latsaka ny 0,2 ampaharivon' ny milimetratra ny habeny. Tsy tsy hita maso izy io fa tsy maintsy mampiasa mikraoskopy manokana vao tazana. Ny virosy dia fototry ny aretina maro toy ny gripy, ny poliomielita, ny Sida.

Raha ity Sida ity no resahina dia ny «Virus de l'immunodéficience humaine» na VIH no mitondra azy ary ny Sida dia voambolana miala avy amin’ny aretina atao hoe : «Syndrome d'immunodéficience acquise». Karazana homamiadan’ny ra na lio izy ity. Raha fintinina dia ny VIH no mitondra ny aretina Sida.


Mararin’ny Sida izany no fiteny fa tsy hoe mararin’ny VIH.

Raha resahintsika amin’izay ireto coronavirus sy covid-19 ity dia mitovy amin’izay ihany ny fanazavana. Coronavirus dia teny latina «corona» sy «virus» midika «virus à couronne» na virosy misy satro-boninahitra raha adika teny malagasy.

Maro karazana sy fianakaviana ireo atao hoe coronavirus ireo.
Fa ny tena nitondra aretina mahafaty dia ireto :

1. Ny «Coronavirus du syndrome respiratoire aigu sévère» na SARS-CoV (indraindray SARS-CoV-1).

Io no nitondra ny aretina fahasemporana mifindra aingana atao hoe «Syndrome respiratoire aigu sévère » na SRAS. de 2002 à 2004. Tany amin’ny faritan’i Guangdong, any Chine, izy io no nipoitra ny volana novambra 2002. Teo anelanelan’ny 1 novambra 2002 sy ny 31 aogositra 2003, dia nifindra tamina olona miisa 8 096 tamina firenena telopolo teo io Sars-CoV io. 774 ny olona matiny tany Chine, Hong Kong, Taïwan, ary tany Atsimo-Andrefanan’ny Asia.

2. Ny «Coronavirus du syndrome respiratoire du Moyen-Orient» (anglisy : «Middle East respiratory syndrome-related coronavirus») na MERS-CoV. Izy io dia tao amin’ireo tany Arabo no nipoitra ny taons 2012 ary nitondra ny aretina pneumonia.

Olona miisa roa no matin’ity MERS-CoV ity.

Ny voalohany dia avy ao Qatar, fa maty tao Jeddah (Arabie Saoudite) tamin’ny volana septembra 2012.

Ny faharoa, dia olona 60 taona maty tany Allemagne, ny volana jona 2015 (eny!), rehefa avy novahiny tany amin’ny Émirats arabes unis.

3. Ny coronavirus COVID-19 ho an’ny hoe «Corona Virus Disease 2019» amin’ny teny anglisy. Ity no mahavoa an’izao tontolo izao. Tany amin’ny faritra Wuhan, any Chine, no nipoirany ny volana desambra 2019. Izay no nahatonga ny anaran’ilay aretina hoe Covid-19 nosafidianan’ny OMS. Raha oharina amin’ireo coronavirus nialoha azy dia tena ity no mora mifindra indrindra ary raha tezaina aretina hafa ny olona iray dia sahirana tokoa.

Izay izany ny mikasika ny hoe Coronavirus sy Covid-19. Ny voalohany izany no mitondran’ny faharoa. Tsy fiteny velively izany ny hoe : tratra na mararin’ny aretina coronavirus. Mila hahitsy na ireny hira ireny aza. Tsy nidirako mihitsy ny antontan’isa fa fantatrareo fa maneran-tany izy io no tena «mamely» ary mahafaty. Ka samia mailo mihaino sy manaraka hatrany ny toro-marika rehetra avy any amin’ny fanjakana mahefa.

Saika adinoko kanefa tena tsara ho fantatrareo ity : misy ireo ilona atao hoe «porteurs sains» dia ireo olona nidiran’ilay coronavirus -n’inona n’inona ny anarany, na SARS-CoV na MERS-CoV na COVID-19- fa tsy tratran’ilay aretina. Fa tandremo : na salama aza ry zareo, mifindra foana ilay coronavirus ao aminy.

Ireo no misy eto Madagasikara mahatonga ny tsy fisian’ny fahafatesan’olona hatreto. Ny antony ? Manana fanefitra («anti-corps») matanjaka afaka manohatra ilay coronavirus ny ankamaroan’ny Malagasy eto Madagasikara. Ary tadidio fa ny coronavirus na mora mifindra aza dia vetivety koa dia maty ho azy. Io trangan-javatra io kosa dia tokony ny manampahaizana no manazava azy. Ataoko fa vita amin’ireo navelabelatro ireo ny adidiko.

Ary dia misaotra anareo naharitra namaky hatramin’ny farany, tompoko.
Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Lundi, 07 DĂ©cembre 2020 06:55 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30