]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles RIVODOZA FREDDY FEBROARY 2023. AVY AIZA IO ANARANA IO?

RIVODOZA FREDDY FEBROARY 2023. AVY AIZA IO ANARANA IO?

Na tiana na tsy tiana, satria mbola ao anaty fahavaratra isika, fotoanan’ny orana sy ny fiavian’ny rivodoza, dia voalaza ary hitan’ny zana-bolana fa tsy maintsy hiditra eto Madagasikara ilay rivodoza nampitondraina ny anarana hoe Freddy.

Eto isika dia tokony manontany tena hoe avy aiza ary io anarana io ?


Satria TSY AO ANATIN’NY LISITRA EFA NOMANINA MIALOHA momban’ity taona 2023 ity. Raha ny F izany dia tokony FABIEN no anaran’io rivodoza Freddy io ary ry zareo avy atsy amin’ny nosy Maurice no nanome io anarana Fabien io. Jereo ny lisitra. Fa raha i CHENESO namela takaitra ho an’ny Malagasy dia ao ary avy atsy Botswana no nanome io anarana io.



Ity rivodoza Freddy ity izany dia tena tsy fanta-piaviana arz-bakiteny. Ary lazaina fa ho loza be… ho an’ireo tia sy/na mijery sarimihetsika misy maneran-tany dia mahatadidy tsara ilay horonan-tsary notontosain’i Wes Craven (avanana amin’ny sarimihetsika « horreur ») ny taona 1984 mitondra ny lohateny hoe : FREDDY: LES GRIFFES DE LA NUIT. « Série » izy io ary nisy horonan-tsary enina nifarana ny taona 2003.

Taminy taona 2022 dia ny karana no nampiasa io anarana FREDDY io nanohy ny asan’i Wes Craven.

Fa rehefa nikaroka aho dia izao no niavian’ny anaran’io rivodoza « F » io. Ny sampandraharaha avy any Australie no nanome io anarana FREDDY io, ny 6 Febroary 2023. Alohan’ny nidirany taty amin’ny faritra jeografika misy antsika.


Raha ny fandalinan-dry zareo dia hitovitovy amin’ny fandalovan’ny rivodoza Litanne (1994) sy Eline (2000) teto Madagasikara ny fandalovan’io FREDDY io izay hiditra eto amintsika ny amin’ny Talala 21 Febroary 2023 eo anelanelan’ny Toamasina sy Manakara.


MAILO HATRANY DAHOLO MIHAINO RADIO SY TELE !

Liana mikasika an-dry Litanne sy Eline ianareo ? Aza miala aminy madagate ary !

Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Lundi, 20 FĂ©vrier 2023 11:16 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30