]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagascar : Foisonnement de produits au Vendredi de Madame Martine

Madagascar : Foisonnement de produits au Vendredi de Madame Martine

Quel est donc ce drÎle de titre ? Sachez que le village dénommé Anjoma Ramartine signifie littéralement au Vendredi de Madame Martine. Par ailleurs, Zoma (Vendredi), dans bien de localités malgaches, est synonyme de jour de marché ou marché tout court.

Les pancartes ci-dessous vous expliquent le pourquoi du dĂ©placement d’une forte dĂ©lĂ©gation de ministres du gouvernement de la HAT. Tout y est dit.

Oui, il s’agissait de la pose de la premiĂšre pierre d’un Centre de dĂ©veloppement-Fararano Lacafampivoarana-Foisonnement de produits), Ă  Anjoma Ramartine. Bon, puisque c’est une histoire de dĂ©veloppement malgacho-malgache, rĂ©digeons en malgache.

Ny ministra Ramanantsoa, Juscelyno, Ramaroson ary Razafimanazato

Ao anatin’ny fivondronampokontan’ny Mandoto no misy ny kaominina Anjoma Ramartine. Ity toerana ity no nanatanterahina ny fametrahana ny vato fehizoro ny fananganana ny trano famoriambokatra sady fivarotana izany. Tonga tany an-toerana   nisolontena ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ny  minisitry ny  Fanabeazam-pirenena Atoa Julien Razafimanazato, notronin’ny minisitra ny Mponina, Rtoa Nadine Ramaroson ary  nahitana ihany koa ny minisitra ny Angovo, Atoa Jean Rodolphe Ramanantsoa ary ny minisitra ny Fambolena, Atoa Jaonina Mamitiana Juscelyno.

Andriamatoa Ben'ny TanĂ nan'Anjoma Ramartine

Navoitry ny Ben’ny tanàna  ny hetahetan’ny mponina amin’ny tokony hisian’ny televiziona ao antoerana. Nasondainy ihany koa ny fahavononan’ny mponina eo amin’ny sehatry ny fambolena. Ary nangatahin’ny Ben’ny tanànan'Anjoma Ramartine ihany koa ny hanarenana ny tranon-tsekoly izay simban’ny rivo-doza.

Ny Ministry ny Mponina, Ramatoa Nadine Ramaroson

Raha nandray fitenenana ny minisitra   ny Mponina dia nitatitra hatrany ny fahavononan’ny  Fitondrana tetezamita tarihin’ny filoha Andry  Nirina Rajoelina, amin’ny fitsinjovana manokana ny vahoaka, indrindra ny fikarakarana azy ireny eo amin’ny lafin’ny sosialy : « Tsy mora, hoy Rtoa Nadine Ramaroson, ny manarina  izay sehatra ny sosialy izay satria hita fa nia-nahantra tanteraka ny vahoaka nandritra izay 50 taona izay. Na izany aza dia manao izay  ho afany ny mpitondra  sy ireo mpikambana ao amin’ ny Gouvernemanta. Manankarena i Madagasikara saingy noho ny fitantanana gaboraraka nataon’ny mpitondra teo aloha, dia  lasa olom-bitsy no nahazo tombontsoa  fa ny vahoaka kosa dia nia-nahantra hatrany ary mbola vokatr’izany izao zakain’ny vahoaka ankehitriny izao ».


Ny Ministry ny Fanabeazampirenena, Andriamatoa Julien Razafimanazato

Ny Minisitra ny Fanabeazanampirenena indray, izay nisolontena ny Filohan’ny HAT, dia nilaza  fa  hoezahina atao izay fanamboarana tanteraka ny tranon-tsekoly. Eo koa ny  fanolorana ny  ambioka ho an’ny mponina : «Tanjona ny fampandrosoana ny ambanivohitra ary fiaraha-miasa amin’ny  olo-tsotra sy ny  fiangonana ity trano fanangonam-bokatra ity. Ny politikan’ny fitondrana ankehitriny dia miezaka manatona ny vahoaka. Midika izany fa porofo iray ho fitohizana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjaka sy ny sehatra tsy miankina ary ny fiangonana izao  fanorenana ny  ivotoerana fanangonam-bokatra sy  famatsiana izao ».


Monsenera FĂ©lix Ramananarivo

Tao anatin’iny lanonana iny, natao ny asabotsy faha-10 aprily 2010, dia nisy ihany koa  ny fanolorana ny omby telo avy amin’ny Filoha hy tetezamita. Tsiahivina etoana fa ny foibe fanangonambokatra sy famatsiana  ity moa dia hetsika niala avy tamin’ny Monsenera FĂ©lix Ramananarivo, EvĂȘque EmĂ©rite de l’Eglise catholique d’Antsirabe. Ny “GROUPE  Liaison Office Consulting” no hanatanteraka ny  fananganana ity foibe fanangonambokatra sy famatsiana  ity. Haharitra  12 volana ny asa ary mitentina 1.000  tapitrisa irambilanja  ny fanamboarana.

Jeannot RAMAMBAZAFY - Andry RAKOTONIRAINY

Mis Ă  jour ( Lundi, 12 Avril 2010 21:39 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...