]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Olga Ramaroson: ny maha olona ny olona dia ny fananany trano fonenana

Olga Ramaroson: ny maha olona ny olona dia ny fananany trano fonenana

Notanterahina ny 15 Mey 2012 tany amin’ny kaominina Ampanotokana, Distrikan’Ambohitratrimo, ny fanamarihana ofisialy ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Fianakaviana, izay notronin’ny minisitry ny Fahasalamana sy ireo solontena avy amin’ny filan-kevitra Ambony ny Tetezamita (CST), ary ny solontenan’ny Kongresy ny tetezamita (CT) sy ny Lehiben’ny faritra Analamanga.

Ankoatra ny kabary nifandimbiasana dia nisy fampirantiana samihafa mahakasika ny fianam-pianakaviana. Ny nampiavaka  io 15 Mey io ny fanehoan’ireo tanora mpianatra avy amin’ny lycĂ©e ao Ampanotokana, ny tantara an-tsehatra mitory ny maha zava-dehibe ny fianakaviana sy ny fifampitondrana eo amin’ny Ray sy Reny ary ny zanaka.

Amin’ny maha fankalazana ny Fianakaviana azy dia saika nahazo fanomezana sy fanampiana avokoa ny sarangan’olona, toy ny votsa, ny zokiolona, ary indrindra fa ireo Fianakaviana mendrika miisa folo, izay nahazo bodofotsy roa avy, savony, radio mandeha amin’ny masoandro (« radio solaire »), ary marimpankasitrahana. Nisy ihany koa ny fizarana kara-tany hoan’ny fianakaviana miisa dimy.

Kabarin’ny minisitry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy

Ramatoa Olga Ramaroson, nandimby an'i Nadine Ramaroson, ilay minisitra tsy adino mandrakizay

Miarahaba ny Ray, manaja ny Reny, Mankasitraka ny zanaka. Ny fitambaran’ireo mantsy no atao hoe : Ankohonana telo, ary ny fihitaran’izany  ankohonana izany  no atao hoe : Fianakaviana.

Isaorana manokana ny Benin’ny tanànan’Ampanotokana nandray  ity fankalazana ity, satria noho ny asa vitanao teto amin’ny Kaominina sy ny fahasahianao miaro izany atao hoe Fianakaviana izany, ny fahafoizanao ny tenanao hatrany am-pita ka mitohy eto Madagasikara mikarakara ny Vehivavy sy ny Ankizy, no nifidiananay ao amin’ny minisitera ny monina  ny kaominina  tantananao.

Lohahevitra nofidiana amin’ity taona ity ny hoe : « Zara asa sahaza ny tsirairay eo anivon’ny ankohonana, antoky ny fivelaran’ny fianam-pianakaviana ».

Tsy takona afenina amintsika mianakavy anefa fa latsaka an-katerena ny Fianakaviana Malagasy, ka izany fahantrana mianjady aminy izany dia mahatonga ny fiovana toe-tsaina sy toe-pomba ihany koa. Tsy mifanaja intsony ny ao ao an-tokatrano fa samy olon-ko azy, ny  matanjaka manao didin-kofehy lehibe ary ny osa mivari-lavo.

Koa amin’izao fankalazana ny andro natokana ho an’ny fianakaviana izao dia handray an-tànana ny hoavintsika isika, samy  handray andraikitra  tandrify sy sahaza arahin’ny fifanajana. Tsarovy ary aza adino fa ny Malagasy dia mandala izany atao hoe : Fihavanana. Izany hoe mpihavana mifamelona sy mifanampy isika mianakavy. Averimbereno ao an-tsaina fa tsy mahantra fa sahirana. Na izany aza manam-potana isika hidio vatana sy hanadio fonenana ; manam-potoana isika  hitadiavana sy hiasana ary tsy maintsy manam-potoana isika hifampidinihana sy hifakalozana samy mpianakavy. Haverintsika izay fifampitondrana sy fifampifehezana izay ho  fivelaran’ny fianakaviana.

Izahay ato amin’ny Minisitera ny Mponina sy ny Raharaha sosialy dia tsy mikely soroka mampahafantatra sy miady ny Zon’ny Vahoaka. Tsy hanimba fety aho  fa hampatsiahy vetivety. Misy ohabolana haintsika loatra ireto : « Trano bongo misy ronono ka sarotra atao malahelo ; jiolahy manan-trano ka sarotra atao olon-dratsy ». Manaporofo izany fa ny maha olona  ny olona dia ny fananany trano fonenana.

Ankehitriny anefa dia an-tapitrisany maro no iharan’ny tsindry hazo lena ka very trano fonenana. Koa mandrisika anareo Ray aman-dreny handray fanapahan-kevitra hiaro ireo Fianakaviana ireo satria ny tokantrano, Tompoko, tsy ahahaka. Ary izany fahakiviana izany dia miteraka fanandramana ny tsy  fahita masoandro rehetra.

Ary farany : hoantsika Vehivavy izay mieritreritra sy voatambitamby fa ny fandaozana Tanindrazana ho any an-tanin’olona no vahaolana : aleo sahirana an-Tanindrazana toy izay fadiranovana an-tanin’olona. Andaho hanome ohatra tsara ireto zanaka vavy varian-drendrarendra ireto. Izay no hahatsapana fa Fianakaviana isika  satria mifampitsinjo sy mifanome-tanana. Koa manomboka androany dia ho :

Fianakaviana Misaina - Fianakaviana Miasa - Fianakaviana Mihary

Ramatoa Olga Ramaroson, minisitry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy

Nanadiady tany an-toerana:

www.madagate.com – Sary: Andry Rakotonirainy

Mis Ă  jour ( Jeudi, 17 Mai 2012 11:34 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...