]
Les quotidiens du 04 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Nandao antsika i Lydiary, Olon’ny Kolontsaina Malagasy feno

Nandao antsika i Lydiary, Olon’ny Kolontsaina Malagasy feno

Miala tsiny amin’n vady aman-janany (sy aminareo mpamaky ihany koa) raha izao vao manoratra fahatsiarovana an'i Lydiary. Ny antony dia tsy maintsy lahatsoratra amin’ny teny Malagasy no nezahina natao.

65 taona i Marie Lydia Razaiarimanana no nandao antsika, ny Alahady 09 Septambra 2012 lasa teo. Lydiary no nahafantaran’ny be sy ny maro azy. Indrindra moa ireto mpihaino maro dia maro ny Rnm. (“théâtre radiophonique”) i Lydiary. Ary tsy afa-misaraka amin’ny anaran-dry Solofo José (vadiny) sy I Vandanitra ny anarany, eo amin’io izany sehatry ny tantara amin’ny onjam-peo izany.

Tsy vitan’ny hoe mamaky ihany fotsiny izy fa dia nanoratra mihitsy. Ary nihitatra tany amin’ny sarimihetsika izany fahaizany manoratra tantara izany. Asa ianao raha mba nijery ilay horonan-tsary hoe “An’iza aho”, nivoaka tamin’ny taona 1993? Asa soratr’i Lydiary io tantara io. Ao koa ny hoe “Zavazava” mirakitra ny fomba fiadiana amin’ny sida. Nisy aza sarimihetsika mirakitra ny vintandratsin’ireo zaza kambana any Atsimo atsinana any.

Ny vady aman-janak'i Lydiary

“Masiaka be ronono”, hoy ny ankamaroan’ny mpianany. Mpampianatra teny Malagasy ihany koa i Lydiary. Mazava moa fa rehefa mpampianatra dia mpanabe ihany koa. Izany ny antony nidirany tao amin’ny fotodrafitr »asa « Dinika sy Rindra ho an’ny Vehivavy » na Drv, izay mikolo ny reny sy ny zaza malagasy. Reny sy rahavavy izany no nandao antsika. Nisy fotoana misy aza notanany andraikitra mifandray amin’izany tao amin’ny ministeran’ny Mponina.

Matetika rehefa mahay manoratra dia mirona amin’ny famoronana poezia ary miezaka miaro io lafin’ny kolontsaina io. Tsy iza fa dia i Lydiary, Solofo José, Gérard Rakotoniriana ary Elie Rajaonarison no nanangana ny Faribolana Sandratra na « Cercle des poètes et écrivains » aminy teny frantsay. Manana gazety ioFaribolana Sandratra io. « Ambioka » no anarany ka i Lydiary no niandrakitra ny pejin’ny Vehivavy sy ny haisoratra.

Ny Alarobia 12 Septambra 2012, andro nandevenana azy dia notoloran’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny Vakoka ny mari-boninahitra « Grand officier de l’ordre National » i Lydiary. Mandrika izany I Lydiary, Olon’ny Kolontsaina Malagasy feno. Vakio ery ambany.

Izahay eto amin’ny www.madagate.com dia maneho ny fampiononana feno ho an’ny vady aman-janany. Mandrià am-piadanana ry Lydiary.

Jeannot RAMAMBAZAFY – 13 Septambra 2012

===========================

Anarana : RAZAIARIMANANA
Fanampiny : Marie Lydia
Solon’anarana : Lydiary
Teraka ny : 03 febroary 1947
Nodimandry ny : 09 Septambra 2012

Asa soratra natao :

tononkalo, sombintatara, angano, tantara fandefa amin’ny onjampeo, lahatsoratra, soratra sarimihetsika.

Sangan’asa efa nivoaka:

- Tononkalo : Amboaran-tononkalo SANDRATRA, 1988, TONTOLO ISAINANA, 1989, SANDRA-KALO, 1999
- Sombitantara : TIAKO RAHA TIA AHY, RANDRAN-DROA, RATSIMIALAZOTO
- Tantara fandefa amin’ny onjampeo : OTA FADY, SEDRA, RIVO-MANEMPOTRA, …
- Sarimihetsika : AN’IZA AHO ? (nentina tany Beijing), OMBON’ADY, JABAJABA

Asa nosahanina teo amin’ny Kolontsaina sy ny Zavakanto : mpanolontsaina ao amin’ny FIMPIMAMA.

BABANGOANA

Voalaza baliaka ny volana tsinana
Baliaka amin’ny inona ?
Ny rivotra ity toa manempotra lava
Mandevona zaza

Tsy hipoitra masoandro, miteraka angano,
Milaro atambo
Setroka foana no toa manoloana
Ny maso mihajamba

Ifafazan’ny rivotra maimbon-karaikon’
Ny tanety may
Mangoana ny lanitra tsy hanome tsiro
Izay anjaran’ny tany

Hantenain’ny velona sy ny voaary
Toa mihahana mihahana
Tezitra angamba ny mpahary ao ambony
Ka mamafy lonjony

Mirida-mandripaka an-tany ny didiny
Mampizaka ny ngidiny
Manao bemarenina manentsi-tadiny
Manko Raolombelona

Ka mizaka ny ziogan’ny zaran’ny ainy
Ary velon-taraina.
Voalaza baliaka ny volana tsinana
Baliaka toy inona !

Fa miravo ny sain’ny Mpahary aza lava
Satria ravarava
Ilay tontolo najorony ho endrika soany
Navadiny ho foana

RAVA ny VOLANA
Tsy misy ny TAONA
E ! BABANGOANA

Lydiary (sy Solofo José eo amin'ny sary)

Mis à jour ( Jeudi, 13 Septembre 2012 12:03 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...