]
Les quotidiens du 21 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Andro  iraisam-pirenena  hiadiana amin'ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy/Ho fiarovana ny Zon’Olombelona

Andro  iraisam-pirenena  hiadiana amin'ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy/Ho fiarovana ny Zon’Olombelona

« Ndao hifarimbona hiady amin’ny herisetra mianjady amin’ ny vehivavy ! »


Isan-taona,  ny 25  Novembra, dia entina  hakalazana ny  Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy.


Tamin’ity taona 2012 ity dia natokana ho roa andro ny fanamarihana, dia ny 24 sy 25  Novembra. Nosafidianana manokana amin’ny fankalazana nasionaly ny tao amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy.

Hetsika maro araka izany no nanamarihana ny fankalazana, ka: ny 24 Novembra no nanaovana ny lanonana ofisialy, izay natomboka tamina filaharam-be nandraisan’ireo fikambanana sy Ong  miahy sy mikarakaraka ny asa sosialy anjara ary ireo mponina eny anivon’ny fokontany tsirairay misy ao amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy.


Tao anatin’ny fanamarihana  no nampahafantaran’ny CST Lanto Rakotomavo ny anjara andraikitrin’ ny  CST, Andrim-panjaka iray mandritra ny tetezamita, ary mijoro hanao ny lalàna. Izay indrindra no nahatonga ny vehivavy eo anivon’ny CST hitondra ny lalàna hanatsarana ny fampandrosoana ny vehivavy ary handany izay lalàna rehetra mahakasika ny vehivavy.

Tsy zoviana amintsika ny zava-mitranga sy mianjady amin’ny vehivavy hita etsy sy eroa, manana ny zo fototra maha olona ny vehivavy ary ireo razam-be tany aloha aza dia nanome lanja ny anjara andraikitry ny vehivavy, toy ny loharan’olona, kitapo nifonosana, hendrikin’ny trano, ravakin’ny làlana ary renin’ny firenena. Ny olana anefa dia mbola maro ny manao tsinontsinona ny vehivavy, nohon’ny fiheverana fa hoe : fanaka malemy, ka mahatonga ny sasany manao ny herisetra, ka tsy azo ekena velively izany .


Ny ministry ny Mponina kosa dia nitatitra fa : ny herisetra dia tsy ny fikasian-tànana ihany, fa ao ny ara-moraly, ara-panahy ary ny ara-nofo. Raha fehezina dia izay rehetra atao ka tsy araka ny sitra-po dia azo lazaina fa herisetra avokoa. Araka ny fanadihadihana, hoy ny minisitra, dia ny fokontany Bemasoandro Itaosy no hita fa  betsaka ny herisetra mitranga. Noho izany dia atao ho adidy sy andraikitra manomboka androany ny fanentanana sy ny fampianarana  mba tsy hisian’ny herisetra, ary ao anatin’izany ny fiara-mitantana, hifanampy mba hampihenana izay herisetra izay. Ny krizy misy sy ny fahantrana dia lasa fanararaotan’ny olona  hanaovana izany herisetra izany, indrindra fa ny vehivavy.

Ireo kanosa no hita fa manao izany ka ilaina ny firaisankina ho fiara-mientana, fa tsy làlana hanoherana ny krizy sy ny fahantrana ny herisetra. Anisan'ny notsarovana manokana ihany koa  ireo vehivavy any Atsimo, izay miady mafy  amin’izao fotoana noho ny zava-mitranga any raha tsy  hilaza afa-tsy ny asan-dahalo. Raha ny fanadihadihana ihany dia mahatratra 26% ny ara-batana, ary 24% ny  ara-moraly izay 39% ny fandaozana ny tokantrano. Eo koa anefa ny ara-nofo izay mahatratra 11%.


Izao fanamarihana izao anefa dia tsy mijanona fotsiny ho andro iray fa dia notohizana mandritra ny 16 andro manerana ny distrika 14 eran’ny Nosy, ka anatin’izany ny fanentanana sy fihainoana ireo izay hiaran’ny herisetra, koa hantenaina mandritra ny fankalazana fa mba ho Vehivavy Misaina ,Mihary ary Miasa ny Vehivavy Malagasy.

Tao anatin’ny fanamarihana dia nisy fijoroana vavolombelona nataon’ireo izay niharan’ny herisetra. Anisan’izany, ohatra, ny renim-pianakaviana iray izay niharan’ny herisetran’ny fijangajangana ka nandaho azy ny vadiny. Vokatr’izany, taty aoriana dia nisy fanatonan’ity renim-pianakaviana ity ny fikambanana BABEO, ka izy ireo  indray no nanoro hevitra sy ny tokony ataon’ity renim-pianakaviana ity. Hafatra nataon’ity renim-pianakaviana dia tsy ho resy mihitsy ny herisetra raha tsy ny vehivavy rehetra mihitsy no miara-miady miray hina.


Ny Alahady 25 Novambra dia  nisy ny fanentanana ny vehivavy rehetra hiadiana amin'ny herisetra teny Bemasoandro Itaosy, ary ny fampisehoana ilay horon-tsary Malagasy izay mirakitra indrindra ny herisetra mianjady ny vehivavy ao antokantrano dia « INENIKO ».

Nisy ihany koa ny fiarahana nisakafo natao ho an’ireo sahirana, sy fandraisana ary fihainoana ny  herisetra mahazo  ireo vehivavy izay nataon'ny Centre d’Ecoute et Clinique Juridique.

Soratra sy sary : Andry RAKOTONIRAINY

Mis à jour ( Dimanche, 25 Novembre 2012 16:18 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA