]
Les quotidiens du 22 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagasikara-MRI : Leo ny resa-be sy lainga mifafifafy ny Malagasy

Madagasikara-MRI : Leo ny resa-be sy lainga mifafifafy ny Malagasy

Manantsoa Victor, Ministry ny Fifandraisana amin'ny Andrim-panjakana

Faly miarahaba anao ny Ministeran’ny Fifandraisana amin’ny Andrim-panjakana (MRI – Ministère des Relations avec les Institutions)

Noho ny raharaha eto amin’ny firenena dia ezahina hatrany ny mandrisika antsika Malagasy ho amin’ny Fampihavanana. Tsy ny manam-pahefana ihany na ny mpanao politika fotsiny mantsy no manana anjara andraikitra amin’ny Fampihavanana. Manana anjara mavitrika amin’izany ihany koa ny olom-pirenena. Ny Ntaolo dia nilaza hoe: ”Ny Hazo tokana tsy mba ala” ary “Asa vadi-drano tsy vita raha tsy ifanakonana“.

Izany indrindra no mahatonga ny Malagasy manome lanja ny fiaraha-monina. Araka izany dia nisy ny lamim-pandaminana napetraka ka nahafahana nitsinjara ny vahoaka ho sokajy roa : ao ireo ray aman-dreny to teny izay mandrindra ny fiaraha-monina, ao koa ireo olon-tsotra izay mpamokatra sy mandrafitra ny fiaraha-monina.

Ireo sokajy faharoa ireo no betsaka. Narisarisa anefa io Fihavanana io noho ny fidiran’ny politika be loatra tao anatin’ny foto-pisainana.

Raha tiana haverina soa aman-tsara ny Fihavanana eo amin’ny fiaraha-monina dia atao aloha ny hahazoan’ireo ray aman-dreny to teny ireo sehatra eo amin’ny raharaham-pirenena ary henoina hatrany ny feon’ny vahoaka hahafantarana hoe inona no marary azy, ary inona no andrasany, na eo amin’ny fitantanana ara-piaraha-monina na ara-panjakana.

Izany fihainoana ny feon’ny vahoaka sy ny ray aman-dreny to teny izany no ahazoan’ny vahoaka mandray anjara amin’ny fampandehanana ny raharaham-pirenena, indrindra hofanamafisana ny Fihavanana.

Tsy ho tanteraka izany rehetra izany raha tsy misy dingana harahina dia ny fandaraisana anjaran’ny fitondram-panjakana sy ny firaisa-monim-pirenena amin’ny fidinanana eny ifotony manatona ireo olona ireo sy mampita aminy ny vaovao marim-pototra. Amin’izay dia misy loharano roa mitondra vaovao ho an’ny vahoaka ka azony anaovana famakafakana andinihany hoe inona ny tena marina.

Marihina ihany koa fa anjara andraikitry ny solombavam-bahoaka ny mitondra tatitra ho ren’ny tany sy ny firenena mba tsy hisy olona diso anjara, fa samy hahafantatra ny zava-misy amin’ny fivoaran’ny raharaha-pirenena.

Hita taratra ankehitriny fa ny Malagasy dia efa leo ny resa-be sy lainga mifafifafy izay tsy ahitam-bokatra. Noho izany dia tokony hisy ny fifamatorana eo amin’ny olom-boafidy sy ny fiarahamonina ka hitazona ny teny nomeny ity farany mba ho lasa modely. Tokony tsy hisy ny tsy maty manota fa na iza na iza tsy mitana ny teny nomeny dia tokony ho saziana.

Satria ny dinam-piarahamonina dia manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fandresena lahatra ny olom-pirenena handray ny andraikiny ao anatin’ny Fihavanana tanteraka. Ny dina tokoa amin’ny mahadina azy dia niainga tamin’ny fifanarahana; ary ny fifanarahana no mahatsara ny Fihavanana.

Mametraka ny mandra-pihaona tompoko ary mirary soa anao hatrany ny Ministeran’ny Fifandraisana amin’ny Andrim-panjakana (MRI).

Mis Ă  jour ( Vendredi, 05 Juillet 2013 17:35 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA