]
Les quotidiens du 11 May 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Ny Rado Rafalimanana: nilaozan’ny GMT satria tsy najana ny fifanarahana

Ny Rado Rafalimanana: nilaozan’ny GMT satria tsy najana ny fifanarahana

Ny Rado Rafalimanana izay ho lasa "Ra-Tezitra tsy Manana" raha mbola mitohy izao fandaozana azy izao

 

FANAMBARANA

Rehefa nivory ny Birao nasionaly ny antoko politika Gasy Manan-karena ny Tanjona na G M T, dia mamoaka izao fanambarana manaraka izao :

1°) Atsahatra tsy misy atak’andro ny fiaraha-miasa sy ny fanohanana ny kandida Ny Rado RAFALIMANANA, ary ny fikambanana fanahy maha-olona izay tarihiny amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny repoblika noho ny tsy fanajany ny fifanarahana sy ny tsy fitoviam-pijery intsony manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy eo aminy sy ny antoko G M T.

Ka ny mpikambana GMT izay minia mandika izany dia handraisana fepetra ny fanesorana azy ato amin’ny antoko.

2°) Tsy mankasitraka ary manameloka ireo rehetra mamolavola tetika maty paika hampiadiana ny samy Malagasy, na hery avy any ivelany na eto antoerana.

3°) Manainga ny Malagasy tsy vaky volo, indrindra ireo mpanao politika mba hitandro hatrany ny fiandrianam-pirenena, ka mba hanaja ny soatovina maha Malagasy.

4°) Ny antoko Gasy Manan-karena ny Tanjona na ny G M T dia mampiseho hatrany ny fahavononany ny handray anjara feno amin’ny fifidianana solombavambahoaka ho avy izao.

5°) Manaja tanteraka ny demokrasia, ka tsy miombon-kevitra amin’ireo izay tia hanankana ny filatsahan-kofidin-dRamatoa Lalao RAVALOMANANA , Didier RATSIRAKA, Andry RAJOELINA, fa mamela malalaka kosa ny vahoaka malagasy hisafidy ny olona tiany hitondra ny fireneny.

Natao androany faha 16 Jolay taona 2013

Manao Sonia ny fanambarana ny Filoha nasionaly G M T


Mamy ANDRIANTSITOHAINA

Mis à jour ( Mardi, 16 Juillet 2013 15:31 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON