]
Les quotidiens du 11 May 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Annick (Pé) Ramarosaona Ranaivo: nandao ity Tany fandalovana ity

Annick (Pé) Ramarosaona Ranaivo: nandao ity Tany fandalovana ity

***************************************************************************************************

F I S A O R A N A

· Ny vadiny : Franck Ramarosaona

· Ny zanany : Antoine Aina, Ludivine Lalaina

· Ny Rafozany : Zaïveline Razafindrakotohasina

· Ny Fianakaviana manontolo

Dia misaotra sy mankasitraka feno

Ny Filohan’ny Kongresin’ny Tetezamita

Ny Pariministra, Lehiben’ny Governementa

Ny Groupe Andriantsitohaina

Ny Rotary Club eto Antananarivo

Ireo Havana sy tapaka, mpiara-miasa, mpiara-mivavaka, nampahery sy nitrotro am-bavaka ary nanohana tamin’ny namoizany ny malalany :

Annick Voahangy Faramalala Ramarosaona

(Pé)

Teraka Ranaivo

Ary miala tsiny indrindra amin’ireo izay tsy tratr’antso noho ny hafenoan-drano be loatra.

 

***************************************************************************************************

Ny namana Alain Ranaivo

Na dia fantatra aza fa làlana tsy maintsy hiafaran’ny zanak’olombelona ny fahafetesana dia mba taitra ihany ny tena.

Square Poincaré Mahamasina, classe de 5ème1,
Promotion 1970-1974 (Photo envoyée par Rémi de Belgique)

Satria, ankizy nianatra tao amin’ny Square Poincaré Mahamasina i Annick (Pé). Izaho moa efa kilasy ambony (3ème) fa io izy amin'ny sary (eo ambony ampovoany). Zanak’i Norbert Ranaivo nalaza tamin’ny Agence de voyages sy Transit, tamin’ny taona 1970, ary anabavin’i Alain Andrianirina Ranaivo izay namana.


Ny namana Franck Ramarosaona

I Franck Ramarosaona vadiny indray dia tapaka sy namana efa ela. Ary dia lasa nanao gazety ihany koa izy. I Franck Ramarosaona (tsy afangaro amin'ny namana Franck Raharison) dia tena nanavotra ny aiko tamin’ireny korontana tany Diego izay nanenjehan’ny federalista ahy, ny taona 1991. Raha tsy teo tokoa izy dia efa tsy teto intsony koa aho satria nahery vaika tokoa ny “tolona” tamin’izany.


Franck sy Pe

Azo lazaina izany fa tena anabavy tokoa no nandao ity tany fandalovana ity. Miala tsiny amin’i Franck sy Alain raha tsy afaka manotrona mivantana ny tenako satria mbola manaraka “traitement médical”... Na izany aza, amin’ny anarako manokana sy amin’ny anaran’ny ekipan’ny madagate.com dia miombom-po amin’ny fianakavian’izy mivady iray manontolo izahay. Ny Tompo anie homba anareo ary hitondra fampiononana feno ny herin'ilay Fanahy.



Veloma ry Pe ! Nialoha làlana anay izay mbola velona ihany ianao, ka hihaona indray isika, ao anatin'ny finoana maha Kristianina ny Kristianina


Jeannot RAMAMBAZAFY – 25 Jolay 2013

Mis à jour ( Jeudi, 01 Août 2013 11:56 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON