]
Les quotidiens du 11 May 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Antsirabe : Tena mora tokoa kay no miteny ry Rakotomandimby Mamisoa an !

Antsirabe : Tena mora tokoa kay no miteny ry Rakotomandimby Mamisoa an !

Izy no Rakotomandimby Mamisoa, mialokaloka sy mandray volabe ao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita (CT), noho ny "fiaraha-mitantana". Mandrora mitsilany ihany anefa izy satria ny tenany ihany no lotoiny

“ Tsy misy fanafody ho an’ity firenena ity afa tsy ny fialan-dRajoelina, amin’izay mody i Dada dia misakafo ny Malagasy. Rajoelina no miteraka mosary, miteraka korontana, mampiady fianakaviana, taloha ny fianakaviana nahita asa, ankehitriny dia very asa. Na ireo olona nokaramainy teny amin’ny 13 May tamin’ny taona 2009 aza dia sahirana ihany koa. Noho izany dia miangavy raha hendry Rajoelina dia miala am-panajana fa ianao no handositra eto “.

Izany ny fomba fiadin’ireo olona sasany mialokaloka ao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita (CT) rehefa mivavaka amina olo-tokana ka tsy mahafehy ny zavatra tenenin’ny vava. Tao Antsirabe, androany 25 Jolay 2013, Ingahy Rakotomandimby Mamisoa, mpikambana ao amin’io CT io, no namoaka izany vava izany. Saika tsy hamaly aho fa tsy afaka milefitra sy manaiky amin’izao efa zary fomba amam-panao ataon’olona tsy mahay miady hevitra fa dia mamita-bahoaka any ivelan’Antananarivo any.

Manome loza ho an’ny tenany ihany anefa izy satria ireo olona rehetra teo amin’ny kianjan’i 13 May mihitsy no ompainy sy ambaniany. Aza ny fomba ratsy fanaonareo no handatsana ny mpitolona teto Madagasikara. Satria io fanambarana mikasika ny kianjan’ny 13 May io dia midika fa: izaho mpianatra tamin’ny 1972 dia nokaramaina; izaho, mpanao gazety fa olom-pirenena Malagasy aloha, dia nokaramaina tamin’ny taona 1991, 2002 sy 2009. Mora tokoa ny miteny, r’Ingahy CT Mamisoa ô ? Fa ny olona toa anao indrindra no mahatonga ny TVM sy RNM voatery manao sivana. Satria fankahalana olona tsotra izao ireo fanambarana ireo ary tena mampiady ny samy Malagasy mihitsy.

Raha nanompo sy mbola manompo an’Ingahy Marc Ravalomanana -Filoha teo aloha vaongana toa an-dry PhilibertTsiranana, Didier Ratsiraka sy Zafy Albert- ianao, dia anao ny anao. Fa aza tarihina amina zavatra tsy mitombona ny Vakinankaratra iray vohitra. Soa ihany fa olo-kendry ny ankamaroany. Ianao kosa r’Ingahy CT Mamisoa, ao anatina vondrona mpanao lalàna ianao io. Ny mahavariana aminao dia toa mody tsy mahalala fa io ataonao io anie azo hitoriana anao e ! Avoay daholo ny porofo momban’ireo lazainao ireo. Fa izaho mihitsy no hamoaka azy eto sy amina gazety afa. Raha tsy misy, dia ireo raiamandren’ny mpitolona maty ny 7 Febroary 2009 anie dia afaka mitory anao e ! Fomban’ny kanosa koa ny hoe: “izaho angaha niteny an’izany? ”. Ny teny mandalo tokoa fa ny soratra, Ramosa CT Mamisoa, mitoetra.

Sahinao ve no milaza ampahibemaso ny antony tsy hafahan’Ingahy Ravalomanana miala ao Afrika Atsimo ao ? Tsy hiresaka ny fanodikodiana volam-panjakana sy tanim-panjakana intsony aho eto fa ireo averiko eto indray ny porofo mivaingana, dia anjaranao ny mandika azy amin’ny teny Malagasy, raha tena lehilahy tokoa ianao, fa tsy saribakolin'i Ramose dokotera honiris causa avy ao Imerikasinina. Notorian’ireo fianakavian’ny maty izy ary tsy mahazo miala any satria ilain’ny fitsarana afrikana tatsimo, raha fintinina. Nitsoaka teto izy tsy nampilaza anao, ka raha tena afaka niala tany ve izy tsy efa tafaverina efa ela teto ? Asa raha fitiavana te-halaza ny anao na inona, fa raha mbola misy foana “manampahefana” toa anao dia tsy hilamina mihitsy ity Madagasikara ity.


Ny atao hoe "Cases dismissed" dia fangatahana tsy noraisin'ny Fitsarana

Fa raha jerena amin’ny lafiny iray indray dia masahia koa ianao, ry Ct Mamisoa, milaza fa tsy mahazo miteny eto Madagasikara fa tapenam-bava daholo. Ireo fanambarana nataonao ireo fotsiny dia mamatotra anao raha maha-sahy mbola hiteny izany ianao. Ka dia misaotra anao aloha nanazava ny mikasika ny hoe : malalaka ny fitenenana eto Madagasikara ( “liberté d’expression” ). Fa eo anatrehan’ny lalàna velona indray dia tokony tsy ho taitra sy miantso namana indray rehefa hisy hitory. Samia mizaka ny adalany. Satria misy fetrany io fahafahana miteny io. Ny vy aza arafesina ary ny olona tsy maintsy ho faty. Asakasak’Ingahy CT Rakotomandimby Mamisoa. Izy angamba ny olona tsy mety maty voalohany eto an-tany ? Izy ihany izany no handova ny asa ratsiny.

Farany: toa ny mahazatra ireo manompon' Ingahy Marc Ravalomanana, dia tsy kisendrasendra ireo fanompana ataon'io CT Rakotomandimby Mamisoa io. Satria tokoa, hidina ao Antsirabe, ao amin'ny ACMIL (Akademia Miaramila) ny Filohan'ny Tetezamita, Andry Rajoelina, ny Zoma 26 Jolay 2013. Ovay ny fomba fiady ry CT Mamisoa fa maivana be a !

Jeannot Ramambazafy – 25 Jolay 2013

Mis Ă  jour ( Vendredi, 26 Juillet 2013 22:32 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON